Fihibohana, fijoroana

Sary an'i Ivan Sigal. Nahazoana alàlana

Ry GVers malala,

Fiantombohan'ny volana Jona izao, ary na dia marobe amin'ny firenentsika aza no manomboka mivoaka amin'ny fihobohana tsy maintsy napetraka hiatrehana ny COVID-19, fantatray fa mila fotoana misimisy vao ho tafaverina amin'ny fiainana “mahazatra” teo aloha, ary antenainay ny tsirairay mba hahavita hitahiry ny fahasalamàny tsy ho azon-tsampona.

Na sady miasa anatinà fepetra misy tsindry fanampiny aza isika rehetra, na izany aza, mitohy ho fotoana tena mamokatra ho an'ny GV io. Tamin'ny volana May isika dia namoaka tantara niisa 112 ary nahazo mpitsidika efa ho 950.000, ary hatramin'ity maraina ity dia tantara 535 no tafavoakantsika nandritra ny taona. Tena ankasitrahanay tanteraka ny asanareo, ary koa ireo mpamaky. Ireto misy fanehoankevitra roa voarainay avy amin'ireo mpamaky tamin'ity volana ity, izay nisafidy ny hanolotra fanomezana kely tamin'ny alàlan'ny tambajotra:

Ankehitriny, ary mihoatra noho ny hatrizay, tsy maintsy ananantsika ny fomba fijery mitohy sy manerantany izay soratan'ireo mpandray anjara. Mpampianatra teny aho ary mazàna no ampiasaiko ao an-dakilasy ny fitaovana avy aminareo; tatitra azo antoka sy mazava, izay no tiako ho vakian'ireo tanora amin'ny fiteny rehetra.

ary

Isaorana ianareo amin'ny fifantohanahareo amin'ilay olana telo loha ao Afrika atsinanana. Tsy nahafantatra aho satria ireo TV sy onjampeom-panjakana tsy nitatitra momba izany, raha ny mba fantatro.

Nironan'ny GV ny tsy hifantoka amin'ireo olana anatin'i Etazonia, ary asehon'ny topimaso iray ao amin'ireo tranonkalantsika fa misy habibiana mitranga any amin'ny faritra hafa eto ambonin'ny tany izay tsy ho hita velively eny anatin'ireo pejin-gazety iraisampirenena. Saingy toa hafahafa ihany ny hanoratra io hafatra io nefa tsy hilaza momba ny korontana misy ao Etazonia, indrindra fa ho setrin'izany dia misy ireo fihetsiketsehana mitranga manerana ny tontolo .

Kilaometatra vitsy monja miala ny toerana onenan'i Ivan ao Washington, DC — tanàna iray manana tantara lavabe amin'ny resaka fanavakavahana ara-poko sy ara-toekarena, no sady toerana tena namelezan'ny valanaretina COVID-19 ireo vondrompiarahamonina tsy fotsy hoditra, tamin-kery hafa mihitsy — nampiasa entona mandatsa-dranomaso ny polisy hanaparitahana hetsika am-pilaminna iray mba hahafahan'i Trump mikarakara fotoana iray hakàna sary, ary androany dia mivezivezy mamakivaky ny arabe ireo fiara mifono vy an'ny tafika. Mety misy miaina zavatra mitovitovy amin'izany ireo GVers hafa monina ao Etazonia. Araka ny nosoratan'i Ivan omaly tao amin'ny Instagram: “Manana demaokrasia kely ihany isika eto amin'ity firenena ity, ary misy amintsika ny manana zo, saingy mbola lavitra antsika ny hanorina fiarahamonina [izay] tsy mitanila sy manaja ny rariny.”

Ho antsika izay monina any amin'ireo firenena vaozanaka fahiny dia mety ho afaka ihany koa mahatsapa lalina ny zavatra iainan'ireo mainty hoditra ao Etazonia, ary ao anatin'ireo toekarena izay fahiny dia ireo toerana fambolena toy ny any Karaiba, izay niavian'i Goergia, dia miavaka ary tena matanjaka be ny rohy mampifamatotra — tena miavaka ny hoe, na i Marcus Garvey, na i Malcolm X, samy endrika fantadazan'ny tolona ho an'ny zo sivily ao Etazonia, dia samy manana fiaviana avy any Karaiba avokoa. Ny tsy maintsy itolomana amin'ny fanavakavahana ara-drafitra ihany koa dia iray amin'ireo elanelam-panahy ataon'ireo olona tsy fotsy hoditra avy amin'ireo Karaibiàna marobe am-pielezana sy any rehetra any rehefa mifindra toerana mankany Etazonia ry zareo.

Ao anatin'izay mety ho fisalasalàna rehetra, misy teboka miabo iray mitoetra: ny fireharehàna hoe vitantsika ny miantoka ny asantsika amin'ny maha-fikambanana antsika, izay tsy ho tanteraka raha tsy teo ny ezaka tsy mampino nataonareo. Mamerina ny fisaorana.

Mankasitraka indrindra,

Georgia sy Ivan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.