- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angon-kevitra ho an'ireo mpihaino rakipeo

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, fijoroana vavolombelona

?Mpihaino rakipeo mahafatra-po ve ianao ? Sa ilay sendra mihaino tsindraindray? Nahoana no mila ny fanampianao izahay ?. Mitady tari-dàlana avy amin'ireo mpihaino rakipeo manerana izao tontolo izao ireo Vondronà Mpandrakipeo maniry ny hamelona indray ny rakipeo efa ampolotaonany maro [1], hamantaran-dry zareo ny fihainon-dry zareo mahazatra sy ny ankafiziny.

Azafady mba omeo ny fijerinao amin'ny alàlan'ny famenoana ity fanadihadiana fohy ity (sahabo ho 5 min ny mameno azy). Hohazonina ho tsiambaratelo manontolo ny valinteninao. Raha tsy mihaino Rakipeo ianao dia miangavy anao azafady mba hizara ny rohy https://tinyurl.com/podcast-survey [2] any amin'ny tonton'ny tambajotranao. Hisokatra hatramin'ny 7 Jona ny fanadihadiana.