
Manakana ny toerana misy azy ireo ny mponina ao Lamahi any andrefan'i Nepal mba hanamafisana ny fihibohana napetraky ny governemanta mba hamerana ny fiparitahan'ny Coronavirus. Saripikan'i Vivek Chaudhary. Nahazoana alàlana.
Nanomboka ny 24 Martsa, niditra tao anatin'ny fihibohana manerana ny firenena [1] i Nepal izay hifarana ny 27 Aprily. Toy ny any amin'ny firenena maro, nampiseho ny tsy fitoviana ara-tsosialy sy nitsapa ny habetsaky ny foto-drafitrasan'ny governemanta ny valan'aretina COVID-19.
Miatrika fiovana lehibe amin'ny fiainany andavanandro ny Nepaley raha miato avokoa ny fivezivezena rehetra.
Read More: For Nepal's migrant and daily wage workers, lockdown is more dangerous than the coronavirus [2]
Vakio bebe kokoa: Mbola mampidi-doza kokoa noho ny coronavirus ny fihibohana ho an'ny mpiasa mpifindra monina sy mpikarama isan'andro ao Nepal [2]
Anisan'izany ohatra ny andian’olona maro izay voatery nandao [3] ny Lohasahan'i Kathmandu an-tongotra ho any an-tanànakeliny, ny fitomboan'ny fanabeazana an-tserasera [4] sy ny fihariana an-tserasera [5], ny fiampangana herisetra ataon'ny polisy [6] rehefa miantsena hividy ny zavatra ilaina andavanandro ary ny maro hafa.
Ho valin'izany, nampiasa esoeso sy hatsikana ny mpanao sariitatra Nepaley mba hisarihana ny saina amin'ny olana ara-tsosialy sy ny fiainana andavanandro.
Naneho hevitra tamin'ny tatitra [7] momba ny famoretana ataon'ny polisy amin'ireo olom-pirenena voalaza fa nandika ny fepetran'ny fihibohana i Rajesh KC [8], mpanao sariitatra ara-politika any Kathmandu. Hoy ilay mpiambina ao amin'ilay sariitatra: «Namono coronavirus 5 crore [1 crore = 10 tapitrisa] eto an-damosiny aho.”
भाइरस मार्ने तरिका 😉
via @12khari [9] pic.twitter.com/X7CoCcBpdz [10]— PHALANO™ (@phalano) April 3, 2020 [11]
Fomba hamonoana ilay viriosy
Namoaka ity sariitatra ity izay mampiseho ny fitondrana Nepaley miady amin'ny fantsona tambajotra sosialy i KC raha namaly ny fanakianana ny valinteniny momba ny viriosy tao amin'ny tambajotra sosialy ny governemanta.
🤓 pic.twitter.com/exd7ieM6aN [12]
— PHALANO™ (@phalano) April 8, 2020 [13]
Naneho ny fahorian'ireo mpiasa kely karama mandeha an-tongotra mody any an-tanànakeliny rehefa norarana ny fiara fitaterana i Rabi Mishra [14], mpanao sariitatra ao amin'ny fantsom-baovao Naya Patrika Daily [15]. Nampiany teny kely avy amin'ilay mpihira sady mpikatroka ara-tsosialy JB Tuhure izany.
फेरीपनि,
“लाखौंकोलागि उजाड छ यो देश
मुठीभरलाइ त स्वर्ग छ ।”
-जेवी टुहुरे । pic.twitter.com/Ydyd5X851W [16]— Rabi Mishra (@rabimishra) April 18, 2020 [17]
Ary mbola,
“foana noho ny fitadiavana lacs (1 lac = 100.000) indray ity firenena ity,
saingy paradisa ho an'ireo vitsy..
Basu Kshitiz [18], mpanao sariitatra sady mpanakanto ao amin'ny Annapurna Post [19], nanakiana ny valintenin'ny Governemanta Nepaley momba ny viriosy rehefa naneho ireo gidro telo manan-tsaina izay tsy mahalala zava-dratsy, tsy mandre zava-dratsy ary tsy miteny zava-dratsy.
#cartoon [20] अन्नपूर्ण पोस्ट फुर्सद pic.twitter.com/nHTuQpXz6O [21]
— Basu Kshitiz (@basukshitiz) April 18, 2020 [22]
Gidro1: Ry governemanta, voasakana eny an-dalana izahay.
Gidro 2: Ry governemanta, tsy nahazo fitaovana fanampiana izahay.
Gidro 3: Ry governemanta, valio ny fitarainan'ny vahoaka.
Naneho hevitra momba ny olona manao asa soa mba hanaovana selfie ihany koa i Kshitiz :
pic.twitter.com/xYtJ6wd3sX [23]
— Basu Kshitiz (@basukshitiz) April 5, 2020 [24]
Lanonana fizarana fanampiana Corona !!!
Mampiseho lehilahy telo miaraka amin'ny valizy feno tsolotra mizotra mankany Singha Durbar [25], biraon'ny fitantanana any Nepal i Rabin Sayami [26], mpanao sariitatra ao amin'ny fantsom-baovao Nagarik [27].
सिंहदरवारतिर social distance !#nagarikdaily [28]
# https://t.co/IFQF2kfMG7 [29] pic.twitter.com/3hgfBH3vp6 [30]— rabin sayami (@rabinsayami1) April 4, 2020 [31]
[Manaja] ny elanelana iray metatra mankany Singha Durbar !
Rabindra Manandhar [32], mpanao sariitatra miaraka amin'ny gazetiboky Nepal [33] nanao fanesoana tamin'ny fanaparitahana vaovao diso nataon'ny fampahalalam-baovao Indiana izay milaza fa nikasa hiditra ao India avy any Nepal ny andian'olona Miozolomana tratran'ny coronavirus.
छिमेकतिर यस्तो भैरहेको छ रेन्त । pic.twitter.com/euoX7Coozw [34]
— Rabindra Manandhar (@Robindarr) April 11, 2020 [35]
Izao no mitranga amin'ny manodidina [hoy izy ireo].
Nanao hatsikana mampiseho ny karazan-dehilahy kamo mandany ny androny any an-trano nefa mitaraina momba ny fihibohana i Abin Shrestha [36], mpanao sariitatra ao amin'ny fantsom-baovao Kantipur [37].
लकडाउन डायरी… pic.twitter.com/L0ptbWlmWc [38]
— Abin Shrestha (@abinshrestha) April 16, 2020 [39]
Diarin'ny fihibohana…
Sary ambony (miankavia miankavanana):
1. Anaka, hitondray rano mafana aho hosotroiko! – Teneno (ny vinantovavinao)!
2. Maloto ny lakozia! – Teneno (ny vinantovavinao)!
3. Dada a, tsy mandeha ny fahitalavitra! – Teneno (ny) reninao!
Sary ambany (miankavia miankavanana):
1. Dada a, inona no dikan'izany? – Anontanio (ny) reninao!
2. Salama e, henoy! – Oay maneno ny telefaoniko!
3. Salama e! … Tsy misy asa lesy e! Mahakivy ity fihibohana ity!
Ary farany, nanakiana mafy ny valintenin'ny governemanta momba ny viriosy tao Nepal i Shrestha tamin'ny alàlan'ny fandefasana ny sariitatra mampiseho ny olom-pirenena kivy sy nahilikilika:
सोमबार कान्तिपुरमा प्रकाशित सम्पादकीय कार्टुन @abinshrestha [40] pic.twitter.com/qtjeoFf5vP [41]
— ekantipur (@ekantipur_com) April 20, 2020 [42]
Sariitatra navoakan'i @abinshrestha tao amin'ny Kantipur tamin'ny Alatsinainy.
Lehilahy mandondona eo am-baravarana: “Governemanta! Governemanta !! “
Feo avy ao anaty varavarana: “Mihiboka! Tsy afaka mivoaka!