- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mifanohitra amin'ny siansa ny finoan'ity mpanjaka ity ny raokandro ho fanefitry ny COVID-19

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Ady & Fifandirana, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Siansa, Teratany, Voina, Zavakanto & Kolontsaina, COVID-19
[1]

Namoaka lahatsary mampiroborobo ny fanafody nentim-paharazana (raokandro) mba hitsaboana ny coronavirus ao amin'ny Twitter i Ọọ̀ni Adéyẹyẹ̀ Ẹniìtàn Ògúnwùsì, Ọ̀jájá II tamin'ny 30 Mars 2020.

Jereo ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany [2].

Mampihorohoro izao tontolo izao tahaka ny horohorontany goavambe ny coronavirus vaovao fantatra amin'ny hoe COVID-19.

Satria miasa mafy mba hamokatra vaksiny  [3]afaka manasitrana ny valan'aretina ireo mpikaroka sy mpahay siansa, nitondra vahaolana ihany koa ny mpahay raokandro.

Ao Nizeria, mihevitra ny Àdìmúlà Ifẹ̀, ny mpanjakan'ny vahoaka Yorùbá, Ọọ̀ni Adéyẹyẹ̀ Ẹniìtàn Ògúnwùsì, Ọ̀jájá II fa afaka manasitrana ny COVID-19 ny raokandro.

Miaraka amin'ny fiarahamiasan'ny YemKem International, orinasa momba ny solom-panafody, eo am-perinasa ny Ọọ̀ni (mpanjaka) mba hamorona fanafody raokandro hovokarina marobe ary ho amidy.

Mifototra amin'ny fampifangaroana ireo ravi-kazo mangidy, ravi-kazo sy voana neem, solifara sy sakay maitso ary jirofo izay fampiasa fahiny tao Yorùbáland toy ny manala poizina mahery vaika izany mba hanafoanana ny otrik'aretina mampidi-doza.

Niditra Twitter ny Ọọ̀ni, izay miandraikitra ihany koa ny Filan-kevitra Nasionalin'ireo Mpitondra Nentin-drazana ao Nizeria (Council of Traditional Rulers of Nigeria) (NCTRN) ary nandefa andiana sioka [4] mba hanambarana ny fikarohany, ary nilaza fa natao andrana [5] tamin'ny tenany manokana sy ny hafa tratran'ny coronavirus ity fangarona ravi-kazo tsy manam-paharoa ity. Tamin'ireo sioka tamin'ny 30 Marsa, niantso ireo mpikaroka ny Ọọ̀ni mba hampiasa ravi-kazo natoraly hamokarana vakisiny.

Eo am-perinasa ihany koa aho ankehitriny miaraka amin'ny orinasa mpamokatra fanafody Yem Kem International (Manampahaizana manokana amin'ny mahasolo fanafody) amin'ny famonosana sy fitsinjarana ireo fanafody ireo manerantany.
Fotoana hiarovana izao tontolo izao ankehitriny. Mety ho tara raha rahampitso.

Arovy ny tenantsika.#Coronavirus [6] #COVID19 [7]

Ahitana lahatsary roa [1] miaraka amin'ny fampahafantarana amin'ny antsipirihany momba ireo fanefitra vita amin'ny ravi-kazo ny sioka, anisan'izany ny fampiasana tongolo be mba hanesorana ireo aretina miverimberina sy ny fampiasana emboka mba hamongorana ny “angovo miiba.”

Finoana nentim-paharazana mifanandrina amin'ny dingana ara-tsiantifika

Mitàna toearana lehibe eo amin'ny kolontsaina Yorùbá ny fanefitra nentin-drazana.

Isaky ny volana Jiona– fanombohan'ny alimanakan'ny taona vaovao [9] ao Yorùbáland — mivory ireo mpomba ny andriamanitry ny fahendrena (Ifá) eo amin'ny kôsmôlojia Yorùbá amin'ity fetibe momba ny Òkè Ìtasẹ̀ ity ary mandray fitenenana sy maminany ny ho avy ny Ifá.

Tamin'ny 6 Jiona 2019, nandritra ny Fetibe Manerantany Ifá, naminany momba “ny fahatomoran'ny fahaviniran'ny ady valan'aretina tsy hita maso” ny Òtúrá Méjì ao amin'ny Ifá. Heverina [10] ankehtriny fa COVID-19 izany faminaniana izany.

Nambara tamin'izao tontolo izao tamin'ny taona lasa ny 6 Jiona 2019, nandritra ny Fetibe Manerantany Ifa – Otura Meji – izany fanambarana masina izany. Nilaza mialoha momba ny fahatomoran'ny fahaviniran'ity ady amin'ny aretimandringana tsy hita maso ity izahay, saingy vitsy ireo nihaino anay.

Hamarino azafady fa ao anatin'ny Boky masina ny Efod/ Orima sy Thorima.

Nanohana ny fanafody nentim-paharazana ho toy ny fitsaboana voalohany ny Fikambanana Manerantany momba ny Fahasalamana (OMS) ary namoaka fampahafantarana [12] momba ny fanadihadiana ara-etika mikasika ny fanefitra ravi-kazo ho an'ny fahasalamana manerantany.

Na dia izany aza, nanazava tsara ihany koa ny OMS fa tsy misy ny fanefitra na vakisiny [13] ho an'ny COVID-19 na coronavirus.

Nilaza fa mety hamitaka ny vahoaka ireo raokandro izay tsy mbola voaporofo tamin'ny alalan'ny fanadihadiana ara-tsiantifika lalina

Notsipahan'ny Dr. Olúwatómidé Adéoyè, mpahay siansa momba ny fampivoarana ny fanafody ao Lisbon, Portiogaly ny fanefitra ravi-kazo natoralin'ny mpanjaka ho fitsaboana coronavirus.

Tamin'ny mailaka ho an'ny Global Voices, Dr. Adéoyè nanoratra hoe:

There is no way that [the Ọọ̀ni] could know for certain that his ‘medicine’ (concoction) can cure the coronavirus. The proper protocol to test such medicine will be to (i) isolate the virus and test the medicine in ‘petri dishes,’ if effective, (ii) test in animals (models) and eventually in (iii) Humans (safety and efficacy).

Tsy misy fomba hiantohana fa afaka mahafantatra tokoa ny [the Ọọ̀ni] fa afaka manasitrana ny coronavirus ny fanafodiny. Ny fenitra ara-dalàna hanandramana fanafody tahaka izany dia ny “manavaka” ny otrik'aretina ary manandrana ny fanafody amin'ny “lovia petri’, raha mandaitra, dia miroso amin'ny fanandramana amin'ny biby ary mety ihany koa amin'ny olombelona (azo antoka sy mahomby).

Manamafy ireo mpahay momba ny fanafody:

Even if we assume they jumped straight to human trials, there is no evidence that Ọọ̀ni has test kits with which he diagnosed people for COVID-19 in order to evaluate the clinical efficacy of the purported medicine.

Na dia mihevitra aza isika fa niroso avy hatrany tamin'ny fanandramana amin'ny olombelona izy ireo, dia tsy misy porofo fa manana fitaovana fitiliana izay nandramana tamin'ny olona tratra ny COVID-19 izy mba hanombanana ny fahombiazana ara-pitsaboana an'ity fanafody voalaza ity.

Tao amin'ny mailaka, nilaza ny marina momba ireo tantara maromaro momba ny raokandro nampiroboroboan'ny mpanjaka tamin'ny lahatsariny ihany koa Dr. Adéoyè.

Ohatra, milaza ny mpanjaka fa [1] mamono angovo miiba ny tongolo be ary manome angovo miabo. Afaka mamono sy mamongotra ny otrik'aretina ary manamafy ny hery fiarovana ny tongolo be nosilahana apetraka ambanin'ny tongotra.

Milaza ny Dr. Adéoyè fa ireo taratasy akademika manohana ireo filazana momba ny tongolo be ireo dia “matetika ratsy ara-tsiantifika” eo amin'ny resaka famolavolana ara-panandramana, fanarahamaso sy ny fahamafisan'ny tahiry. Ary “tsy mety teo amin'ny andrana fahombiazana sy fiarovana ny fanandramana amin'ny olombelona ny maherin'ny 90 isan-jato amin'ny filazana tahaka izany”:

Even if we assume that onions are effective viral neutralizers — if they can’t get into the body or get into the lungs (in the right dose/concentration), there's no way for them to act and be effective.

Na dia mihevitra aza isika fa mahomby amin'ny famongorana otrik'aretnia ny tongolo be- rehefa tsy tafiditra anaty vatana izy ireo na tsy tafiditra anaty havokavoka (amin'ny fatra/fangaro sahaza), dia tsy afaka ny hiasa sy hahomby.

Nolavin'ny Dr. Adéoyè ihany koa ny fanambaran'ny mpanjaka fa mahomby ny fandoroana emboka [14].

Considering the breathing difficulties observed in COVID-19 patients, it will be an extremely stupid thing to reduce the air quality (oxygen) of someone whose lungs are under-performing.

Raha jerena ny fahasarotana amin'ny fifohana rivotra hita amin'ireo mararin'ny COVID-19, dia tena hadalana lehibe ny mampihena ny kalitaon'ny rivotra fohan'ny olona efa marefo havokavoka

Na dia anisan'ny ampahany lehibe amin'ny kolontsaim-bahoaka ao Nizeria aza ny fandoroana emboka, dia “tsy mpamono otrikaretina mahomby” ny emboka,” hoy Dr. Adéoyè tamin'ny Global Voices.

Mikasika ny fiantraikan'ny fanambaran'ny mpanjaka eo amin'ny fahasalamam-bahoaka. Nilaza Dr. Adéoyè fa ireo izay mivarotra “ny menaka bibilavany ho toy ny fanefitry ny corona … no hany hitarika fahafatesana maro kokoa”

Nampitandrina ihany koa Dr. Adéoyè fa “mety hiteraka poizina lehibe sy miverimberina” ny raokandro.