Fanontaniana&Valiny: Fantaro i Zubair Torwali, mpikatroka ho an'ny fiteny Torwali

Sary natolotr'i Zubair Torwali

Taorian'ny fanentanana nahitam-pahombiazana tamin'ny taona lasa tety anaty media sôsialy nentina nankalaza ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, hitohy mandritra ny 2020 ny tetikasa ifandrimbonana. Isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny, hizara ny zava-niainany, ny fanao tsara indrindra, ary ireo lesona azon’-dry zareo tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany, miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'izay anjara toerana raisin'ny aterineto. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny O Foundation.

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo. Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i Zubair Torwali (@zubairtorwali) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: lazalazao anay ny momba anao azafady.

Mpikaroka aho, mpanoratra, mpikatroka sady mpisolo vava an'ireo fiteny vitsy an'isa ao Pakistàna, monina any Swat Valley ao Pakistàna. Mitarika fikambanana iray aho eto, ny IBT (idara baraye taleem-o-taraqi na ivontoerana ho an'ny fanabeazana sy ny fampandrosoana, izay miasa ho an'ny fandrisihana ireo vondrompiarahamonina an-tendrombohitra any avaratr'i Pakistàna, amin'ny alàlan'ny fiteny sy ny raikitra ara-kolontsaina, ny fikajiana, ny fanorenana fahaiza-manoratra sy mamaky amin'ireny fiteny ireny; famokarana sy fizaràna fahalalàna eny anivon'ireny vondrompiarahamonina ireny.

Tamin'ny 2007 no nananganako ny fikambanana IBT, niarahana tamin'ireo tanora hafa avy amin'ny vondrompiarahamonina Torwali. Nanoratra aho boky roa amin'ny fiteny anglisy, lahatsoratra voka-pikarohana marobe, ary lahatsoratra an-jatony ho anà gazety momba ny fikajiana ny fiteny, ny pôlitikan'ny fiteny sy ny fanabeazana, ny olan'ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana; ary momba ny ady sy ny fandriampahalemana.

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

Efa hatramin'ny 2007 ny IBT, fikambananay no nametraka ireo tetikasa momba ny fiteny Torwali. Izy ihany koa no namorona ireo sekoly 4 MTB-MLE amin'ny fiteny Torwali andraisan'ireo ankizy dieny mbola any am-piandohan'ny fanabeazana azy ao anatiny sy amin'ny alàlan'ny fitenin-dry zareo. Fanampin'izay, nanonta boky marobe ihany koa ny IBT, amin'ny fiteny sy momba ny fiteny Torwali, izay ahitàna rakibolana, angano, tononkalo malaza sy firesaka andavanandro. Namokatra ihany koa ny IBT an'ireo rakipeo sy rakitsarinà mozika Torwali niaraka tamin'ny fikarakaràna hetsika ara-kolontsaina. Tsy ela akory izay, nanentana ihany koa hetsika roa nitantaràna angano ny IBT. Namokatra ihany koa izahay fitendry Google iray ho an'ny fiteny Torwali izay ampiasaina amin'ireo finday Android.

Ny iray amin'ireo rakibolana novokarin'ny IBT izao dia efa azon'ireo mpianatra sintonina ety anaty aterineto ihany koa. Manoratra tsy tapaka amin'ny fiteny Torwali ihany koa izahay ao amin'ny media sôsialy. Amin'izao fotoana izao izahay dia miasa ihany koa momba ny rakibolana miteny, na ny “Talking Torwali dictionary” izay ho azo raisina ety amin'ny aterineto.

Marobe ireo pejy Facebook ho an'ny fiteny Torwali, ka ao ireo poeta, mpanoratra ary mpikatroka no mizara ny asan-dry zareo amin'ny fiteny Torwali.

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

  • Fampianarana mamaky teny sy manoratra amin'ireo fiteny tandindonin-doza
  • fanabeazana amin'ny fiteny maro mifototra amin'ny tenindreny
  • ireo fiteny any avaratr'i Pakistàna
  • fampizakàna tena ny vondrompiarahamonina amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ny  fiteny sy ny maripamantarana azy
  • hamaroan'ny fiteny sy fiaraha-mitoetra
  • kolontsaina manala amin'ny fanjanahana
  • ny anjerimanontolo sy ny fikatrohana
  • ireo tantara am-bava
  • pôlitikan'ny fiteny
  • ny fomba amam-panao ary ny fahalalàna zanatany

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

Tiako ho hitan'ireo mpikaroka iraisampirenena sy ny olona manerana izao tontolo izao ny fiteniko. Manana firehetampo aho momba ny fampandrosoana ireo vondrompiarahamonina 25 any an-trendrombohitra ao Pakistàna, ary maniry ny hahafantaran'izao tontolo izao momba ireny olona ireny sy ny fitenin-dry zareo. Andrandraiko sahady ny fitomboan'ny fahalinan'ireo mpikaroka, ireo andrimpanjakàna sy ONG amin'ireo fiteny sy fampandrosoana ireny vondrompiarahamonina ireny. Antenaiko ny ho afaka hisarika fikambanana iraisampirenena maro ho any amin'ireny fiteny sy vondrompiarahamonina ireny mba hiantohana ny fananana loharano ho an'ireny vahoaka ireny.

Antenaiko ny Firenena Mikambana mba hanaiky ireny vondrompiarahamonina ireny amin'ny maha-teratany (indizeny) azy ka, mifandrindra amin'izay, hanaraka ny diany ireo governemantanay. Alaiko sary an-tsaina ihany koa ireo fiteny hafa tandindonin-doza, sy ny ahy, ho eken'i Pakistàna ary ho ampianarina any amin'ireo sekolim-panjakàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.