- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy mijanona an-trano ao Arzantina nanao fihetsiketsehana avy eny am-baravarakely noho ny firongatry ny famonoana vehivavy

Sokajy: Arzantina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, COVID-19
[1]

Pikantsary avy amin'ilay fandaharana tamin'ny 31 Martsa 2020, tao amin'ny fantsom-pahitalavitra YouTube [1] Televisión Pública Noticias.

Jereo ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fomba iadian'ny vehivavy amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy-vavy any Amerika Latina [2].

10 andro tsy maintsy nihibohana [3] i Arzantina ho fepetra fisorohana ny COVID-19 rehefa nanambatra hery ny vehivavy hanoherana ny fitomboan'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy-vavy [4] mandritra ny fihibohana. Tamin'ny 30 Martsa, amin'ny 6 ora hariva, voarakotry ny ruidazo [5] ny tanàndehibe nanerana ny firenena rehefa nitabataba tamin'ny alàlan'ny kiririoka, sarom-bilany, vilany, sy ny fitaovana tao an-trano hafa teny am-baravarankeliny, teny an-davarangana mitafo sy ny lavarangana ny vehivavy.

Nitombo 60 isanjato ny antso vonjy an-telefaonina tao an-drenivohitra Buenos Aires nandritra ireo andro fanombohan'ny fihibohana, hoy i Estela Díaz [6], Minisitra misahana ny Vehivavy, ny Politikan'ny Miralenta sy ny Fahasamihafana Ara-pananahana ao amin'ny Faritanin'i Buenos Aires ary nisy famonoana vehivavy miisa roa ambin'ny folo [7] teo ho eo farafahakeliny tao amin'ny firenena nanomboka ny 20 Martsa ka hatramin'ny 2 Aprily araka ny FTMF=ONG La Casa del Encuentro [7]. Niteraka fahatezerana ny nahitana ny fatim-behivavy [8] iray sy ny zanany vavy 7 taona tao Lanús (tanàna iray any atsimon'i Buenos Aires) izay nanjavona ny alin'ny 25 Martsa.

Voalaza amin'ny antsipiriany kokoa ato anatin'ity lahatsoratra FiloNews [9] ity ny tranga rehetra momba ny famonoana vehivavy izay nitranga nandritra ny 10 andro voalohany tamin'ny fihibohana.

View this post on Instagram

#Ruidazo contra los femicidios y la violencia machista [10]

A post shared by Feb Echeverria [11] (@febecheverria) on

#Ruidazo [12] manohitra ny famonoana vehivavy sy ny herisetra noho ny fankahalana vehivavy.

View this post on Instagram

Con hija #Ruidazo #cuarentena #YoMeQuedoEnCasa #ViolenciaDeGénero es #Pandemia #TuMachismoMata [13]

A post shared by RO Ferrer [14] (@roferrerilustradora) on

Ruidazo fihibohana miaraka amin'ny zanako vavy, Mijanona ato an-trano aho
Areti-mandringana ny Herisetra atao amin'ny vehivavy
Mahafaty ny Fankahalana ireo vehivavy

Manoloana izany fitomboana manaitra amin'ny fangatahana fanampiana izany sy ny olana atrehan'ireo niharam-pahavoazana amin'ny antso an-telefaonina rehefa eo akaiky ireo mpihoa-pefy dia nanolotra fantsona hafa [15] tao amin'ny WhatsApp sy mailaka ny Minisiteran'ny Vehivavy, ny Miralenta sy ny Fahasamihafana. Napetraka ihany koa ny teny hoe “maska mena [16](barbijo rojo) ho teny miafina hangatahana fanampiana any amin'ny fivarotam-panafody manerana ny firenena.

Miantso [17] ny fanohanana bebe kokoa ny Feminista ary mitaky ny handraisan'ny governemanta andraikitra amin'ny herisetra mifototra amin'ny miralenta. Nandritra izany fotoana izany, maro ny fikambanana no nanome hotely [15] mba hiarovana ny vehivavy amin'ny tranga henjana, saingy tsy ampy [6] ny toerana vonona ho amin'izany.

Tokony ampiasaina hialofan'ny vehivavy, ny zaza sy ny olona sarimbavy na sarindahy izay voatery nitoka-monina miaraka amin'ny mpanararaotra azy ireo ny hotely mikatona sy tsy misy olona.

Feno hafatra fanohanana ny tambajotra sosialy, antsoina ho “areti-mandringana” ny herisetra fankahalana sy famonoana vehivavy:

Mitranga any an-tranontsika ny ankabeazan'ny famonoana vehivavy. Vehivavy sy ankizy an'arivony no miara-miaina amin'ny olona mamono azy ireo, manararaotra azy ireo ary mampijaly azy ireo amin'ny fomba isankarazany. TSY IRERY IANAREO !!

View this post on Instagram

En los 10 días que llevamos de cuarentena hubo 12 femicidios. Hoy a las 18:00 #ruidazo en las ventanas, balcones y por redes ??? Si sos mujer y estás en una situación de violencia por favor llama gratis al 0-800-888-9898 las 24hs todos los días. SEGUIMOS JUNTAS ?? cuarentena segura para todas #cuarentenaconderechos #niunamenos #alertafeminista #emergenciaenviolencia [23]

A post shared by Maca Torres ? [24] (@macattorres) on

Nisy famonoana vehivavy miisa 12 nandritra ny 10 andro izay nihibohantsika. Androany tamin'ny 6 hariva ora hariva #ruidazo avy eny am-baravarakely, avy eny an-davarangana sy ao amin'ny tambajotra sosialy. Raha vehivavy ianao ary miaina ao anatin'ny herisetra dia miangavy anao hiantso maimaim-poana ny 0-800-888-9898 mandritra ny 24 ora isan'andro. ANDAO HIARAKA hanao fihibohana milamina ho an'ny rehetra.

Androany, mihikiaka avy eny an-davarangana, am-baravarankely na lavarangana mitafo, izahay vehivavy.

Mila manao izany ho anay ianareo. Fihibohana tsy misy herisetra. Ruidazo. Ampy izay.

Vehivavy miisa 11 no novonoina tao anatin'ny 10 andro farany nanaovana fihibohana. Anio amin'ny 6 ora hariva #Ruidazo, andao hiantsoantso isika ho ren'ny olona! Asehoy ny afisy manohitra ny herisetra, manohitra ny fankahalana vehivavy avy eny an-davaranganao, am-baravarankelinao na eny an-tokontany. Ampy izay. Aro-tava mena. Mijanona ao an-trano.

Mitoka-monina isika fa tsy irery.
Mandray anjara amin'ny #RUIDAZO izahay ary mitaky ny #AmpyIzay #TambajotraMitokamonina # MifanakaikyIsika