- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovaon'ny RV: Topimaso amin'ny hamaroan'ireo sary mahatsikaiky atao amin'ny tenindreny

Sokajy: gazety, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy tamin'ny Febroary 2020)

Fanamarihan'ny Rising Voices: ity taratasim-pifandraisanay mpivoaka indroa isam-bolana ity dia manome famintinana ireo lahatsoratra farany nivoaka momba ireo endriky ny fampidirana nomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno anaty aterineto. Vakio eto [1] ireo taratasim-pifandraisana efa nivoaka teo aloha…

Nanomboka ny taona 2000, ankalazaina erantany ho toy ny Andro Erantany ho an'ny Tenindreny ny 21 Febroary [2]. Raha hetsika hafa no nifantohantsika, toy ny fanodinana ny fitantanana ny kaonty Twitter @ActLenguas, efa tany amin'ny 2017 [3] sy 2018 [4], mahafinaritra antsika ny mankalaza azy io miaraka aminà sary mahatsikaiky. Eny, renao tsara. Sary mahatsikaiky.

Nandritra ilay Fanamby Fanaovana Sary Mahatsikaiky amin'ny Tenindreny [5], niarahanay niasa ireo fikambanana sy vondrona maro erantany [6] mba hanampy amin'ny fandrisihana ireo mpampiasa aterineto hamorona sary mahatsikaiky amin'ny tenindrenin-dry zareo ety anaty aterineto. Nifampiresahanay ihany koa ireo mpikatroka ho an'ny fiteny samihafa isankarazany mba hahafantarana momba ny antony nanjohian-dry zareo an'ilay fanentanana tamin'ireto fiteny manaraka ireto:

Hatraiza ny fitiavanao ireo sary mahatsikaiky, ry mpamaky hajaina ny taratasim-baovaon'ny RV? Manana tianao ifampizaràna ve ianao any aminao any? Sa, tsy izany fa, aleonao mandefa bitsika [17] amin'ny tenindreninao?  Ampahafantaro anay!

MISIMISY KOKOA AVY AO AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Nankafizinao ve ilay fanentanana nanodinana ny Twitter nandritra ny 2019, tao anatin'ny fankalazàn'ny RV ny Andro Erantany ho an'ny Tenindreny (indizeny / zanatany) (#IYIL19 [18])? Ny vaovao tsara dia nitarinay ho hatraty amin'ny 2020 ilay ezaka fanentanana, amin'ny fanohizana manolotra asa mahafinaritra kokoa hatrany vokarin'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny indizeny manerana izao tontolo izao. Raha liana amin'ireo fiteny zanatany manerana izao tontolo izao ianao ary izay tafiditra ao anatin'ny fampahafantarana azy ireny sy/na ny fanomezana aina vao azy ireny, aza misaraka aminay! Azonao atao ihany koa ny mamaky ireo lahatsoratra fampahafantarana ny mombamomba ny mpanoratra, toy ny etsy ambany, mba hahafantaranao misimisy kokoa momba ireo nampiantrano anay sy ny asan-dry zareo ary izay kasainy ho an'ny fiteniny.

@ActLenguas [19] (America Latina )

Ary, ao anatin'io famoahana io, entin'i Subhashish Panigrahi [22] ho an'ireo mpamaky ny fampahalalàna bebe kokoa ny fiantraikan'ny Aadhaar  [23]amin'ireo vondrompiarahamonina ao India.  → “#MarginalizedAadhaar: MAnome vàhana bebe koka ny fanilihana ny fiahiana ara-tsôsialy avy amin'ny vondrompiarahamonina natao an-jorom-bàla ao India ve ny Aadhaar? [24]” (teny anglisy)

FANOHANANA ARA-BOLA

Mamokatra sarimihetsika tsy miankina momba ny rariny ara-tsôsialy hoe? Mikaroka famatsiambola ho entina manohana ny tetikasanao fanatontosana sarimihetsika ve? Aza adino ny mijery ireo famatsiambola JustFilms an'ny Orina Ford, misokatra mandritra ny taona.  Ato jerena [25] ny antsipirihany, azafady.

KAONFERANSA & HETSIKA HO AVY

Oviana ianao no mba farany namaky zavatra nosoratana indizeny iray mpanoratra? Ao anatin'ny ezaka iray hanomezana voninahitra ireo indizeny mpanoratra sy hanatsaràna ny fandrakofana ny asa ataon-dry zareo ao amin'ny Wikipedia, misy Wikipedia Edit-a-thon hatao tsy ho ela any Kôlômbia Britanika. Ato jerena [26] ny antsipirihany momba ilay hetsika sy ny fisoratana anarana.  Daty: 2 Martsa 2020 / Toerana: First Nations Longhouse, Vancouver, BC, Canada

VAKITENY, FIHAINOANA, ary FIJERENA FANAMPINY (amin'ny teny anglisy daholo)

Isaorana i Eddie Avila tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.