Tantara tamin'ny 29 Avrily 2020
Na eo aza ny COVID-19, tsy mitsahatra ireo famoretana ny zon'olombelona ao Egypta
Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina ilay bilaogera malaza sady mpikatroka mafana fo Alaa Abd El Fattah ho fanoherana ny fihazonana tsy ara-dalàna azy, hoy ny fianakaviany.
Mahazo tohana avy amin'ny Fiangonana Ortôdôksa Rosiana ireo vondrona manohitra ny vaksiny any Balkana
Arovan'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny zon'ireo Ray aman-Dreny hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny zanany.
Mazan-doha manohy mamono biby marobe atao fanatitra ho an'Andriamanitra ny ao Nepal
Mbola tsy afaka ilay fomba fanao, na teo aza ny antso avo erantany manohitra ny fanaovana sorona biby ao Nepal.
COVID-19 hitondra zavadoza any amin'ireo fonja hipoka ao Brezila, efa nisy iray maty
Olona 750.000 no mihiboka any am-ponja ao amin'ilay firenena. Izy no fahatelo erantany manana olona betsaka indrindra any am-ponja, manaraka an'i Etazonia sy Shina.
Lahatsary vaovao ahitàna taratra ny anton'ireo fanafihana any avaratr'i Môzambika
Noraketina an-tsary avy tao amin'ny vohitr'i Ntchinga, asehon'ilay lahatsary ireo mpanafika milanja ny sainan'ny fanjakana islamika ary ny mpitarika iray miresaka amin'ny mponina ao an-toerana amin'ny fiteny Kimwan sy Kiswahili, mitangorona toy ny manatrika famoriana vahoaka.