
Pika avy amin'ny sary nalain'i Devon Concepts, napetraka tao amin'ny pejy Facebook Guild an'ireo Mpakasary ao Trinidad & Tobago ho ampahan'ny fandraisany anjara amin'ny fanambin'ny Andron'ny Tany. Ny sary rehetra ato anaty lahatsoratra dia nahazoana alàlana tamin'ny Guild avokoa.
Tamin'ity taona ity, toa hafakely ny Andron'ny Tany, izay ankalazaina isaky ny faha-22 Aprily, raha mitaha amin'ireo tany alohany. Noho ny fisian'ny valanaretina COVID-19 izay manasarotra ny hetsika sy famoriambahoaka manerana izao tontolo izao, dia nikisaka tanteraka nankety anaty serasera ny fankalazana tamin'ity taona ity. Soritan'ny tranonkalan'ny hetsika ho toy ny “mihoatra lavitra noho ny andro iray” izy io:
Tsy maintsy hoe ho hetsika iray manantantara ijoroan'ny olona rehetra manerana izao tontolo izao ao anaty antso iray iraisana mba hisian'ny fahaizana mamorona, fanavaozana, faniriana ary fahasahiana izay ilaintsika mba hiatrehana ny olana ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro sy handraisana an-tànana ny fotoana fanararaotra mba hananana hoavy lavitry ny karbôna.
Manao ny anjarany ireo Mpakasary Guild ao Trinidad sy Tobago mba hamaliana ny antso tety anaty aterineto hanaovana hetsika, amin'ny alàlan'ny fanamby iray an-tsary efa amperiny, eny herinandro lasa izao no nanombohany, tamin'ny 12 Martsa tany ho any, fotoana niraketan'i Trinidad sy Tobago ny tranga COVID-19 tao aminy.
Ambanin'ny tarakevitra “Mifantoha (hatrany)”, ilay fanamby mifàka ao amin'ny media sôsialy dia manasa ireo mpakasary mba hizara ny asan-dry zareo ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Guild. Hatreto, lohahevitra marobe no efa noresahana, miainga avy amin'ny afomanga mankamin'ireo fanamby “lehibe” hatramin'ny, eny e!!! ny…Andron'ny Tany!
Niresaka an-telefaonina tamin'ny Global Voices i Antony Scully, filohan'ny Guild, ary nilaza hoe na eo aza ny fepetra fihibohana an-trano ao amin'ny firenena, amporisihana ireo mpakasary mba haka sary ao an-tranony sy eny an-jaridainan-dry zareo na hikaroka sary mampahery any anaty tahiriny any:
Ezahantsika ny hitazona ireo lohahevitra mamelom-panantenana mba hitazonana ny olona hifantoka sy hampitodika ny ara-tsain'ny olona tsirairay ho any aminà zotra miabo rehefa mampihatra ilay fanajàna elanelana ara-pahasalamana… Mety ho vanimpotoana mandrera-tsaina io ho an'ireo tia mamorona. Tena kely ny asa hita ao no sady tena maneritery.”
Fatratra ny setriny avy amin'ireo mpakasary, ary marobe ny fifaneraseràna voamarik'i Scully, ny fandrisihana sy ny fitomboana teny anivon'ireo mpikambana ao anatin'ilay vondrompiarahamonina — raha tsy hitanisa ny hafaliana entin'izy ireny ho an'ny olona marobe amin'ny fizaràn-dry zareo ireo saripika mampitolagaga.
Amin'ity Andron'ny Tany tena miavaka ity, rehefa ny tontolo voajanahirintsika no manomboka mitsabo ny tenany noho ny fihenàna be tamin'ny asan'olombelona, dia itony mpakasary itony no fanairana mahafinaritra momba ny maha-sarobidy ny tontolo iainantsika sy ny andraikitra izay mitambesatra eo an-tsoroka iraisan'ny rehetra, aorian'ilay valanaretina, mba ho mpitantana mahay.
Nandefa sarinà honko mahafinaritra, narahany tenifototra hoe “#protection (fiarovana) ny morontsirakantsika” ilay mpakasary David Singh:
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537359503259596
Tena iankinan'ny aina (zavadehibe) amin'ny fiarovana ny fihotsahan'ny morontsiraka ny honko, ary amin'ny fanampiana amin'ny fiarovana ireo nosy madinika andalampandrosoana (SIDS) tsy ho tratry ny vokadratsin'ny fiovaovàn'ny toetrandro, amin'ny alàlan'ny fahombiazan'ny fisintonany ny entona karbôna.
Nisy marobe ireo sarinà vorona, endrina maneho ny aina vaovao sy ny fiahavaozana — ahitàna zana-borona anaty akany sy ‘colibri’ iray mamahana iray hafa, samy avy amin'i Razia Hasin-Racha avokoa:
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537361666592713
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537366543258892
Nisy betsaka ny sariinà torapasika mangatsakatsaka — sy fanadiovana torapasika — izay tena milaza mihitsy ny fanahin'i Karaiba.
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537385276590352
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537391649923048
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537364543259092
Lahy antitra iray nanampy sary mahafinaritra tamin'ny tontolo ao Manzanilla
Angamba noho ny fahanginan-dry zareo, ireo riandrano koa dia zavatra iray nalaza — ary manana toerana vitsivitsy mahafinaritra i Trinidad&Tobago izay tena namiratra tokoa nanoloana ny fakantsary, toy ity iray ity avy amin'i You Ng:
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537458969916316
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537723679889845
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537856566543223
Sary tokana niraketana volkanom-potaka, izay zavatra iray mahasarika mpizahatany any atsimon'i Trinidad:
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537386826590197
Kanefa, na inona na inona ilay zavatra alaina sary, rohin-kevitra mitovitovy ihany ny hafatra voizin'ireo mpakasary manodidina ny Andron'ny Tany 2020: na dia ao anaty faharavàna aza, afaka misy ny fanavaozana, firoboroboana ary fanantenana:
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537714596557420
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537443829917830
https://www.facebook.com/photographersguildtt/posts/2537790283216518