Nomad Green: Fifaninanana lahatsoratra famakafakana mikasika ny fahalotoan'ny rivotra
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2011)
Mankahery ireo olontsotra mpanao gazety mba hanao tatitra mikasika ny fahasimban'ny tontolo iainana any amin'ny fireneny ny Nomad Green, ilay nahazo famatsiana avy tamin'ny Rising Voices tao Mongolia.
Maro ireo olana ara-tontolo iainana ao Mongolia. Mametraka olana goavana ireo voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro toy ny fiovan-ko tany efitra sy ireo toe-javatra vokatry ny olombelona toa ireo renirano voaloto noho ny fako avy amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy ny fahalotoan'ny rivotra. Araka ny tatitra vao haingana navoakan’ny UNEP izay mitondra ny lohateny hoe “Faharefoan'ny Rano An-drenivohitra mankany amin'ny fiovan'ny toetrandro ao Mongolia”:
Mihamatetika ireo maripàna ambony be sy ireo loza voajanahary toy ny haintany, tondradrano sy firotsahana oram-panala mavesatra, ary nitombo 2.1° Celsius ny salan'ny maripàna isantaona nanomboka tamin'ny 1940. [..] Nanolo-kevitra ireo planina ara-toetrandro tamin'izany fanadihadiana izany fa tsy maintsy hizatra amin'ny tsy fahampian-drano bebe kokoa amin'ny hoavy ilay firenena.

Otgonsuren Jargal tany amin'ny atrikasa iray ho an'ireo mpanao gazety miandraikitra ny tontolo iainana, avy amin'ny Nomad Green any Ulaanbaatar. Sary natolotry ny Nomad Green.
Anatin'izao toe-javatra izao, miatrika fanamby henjana ireo Mongoliana mpikatroka ho an'ny tontolo iainana. Mitatitra i Otgonsuren Jargal, lehiben'ny mpanonta lahatsoratra ao amin'ny Nomad Green fa:
Manohy ny tolona ataony ireo Mongoliana maitso. Nankany amin'ny fitsarana ny sasany tamin'izy ireo androany. Miady amin'ny asa fitrandrahana izay manimba ny tany ary mahatonga ny fanjavonan'ireo renirano maro any Mongolia ny olona. Tsy afaka ny hahandry tantana ireo Mongoliana maitso raha toa ka toy ny loharanon-karena fotsiny ihany no fahitàn'ireo mpanao politika sy mpandraharaha manerantany an'i Mongolia, ary lasa taratasy izay hamolavolan'izy ireo ny drafitr'orinasany fotsiny ny sarintanin'i Mongolia.
Mamoaka ilay tantara ao amin'ny Conscious Being i Keith Herman Snow:
Tany am-piandohan'ny Septambra 2010, nitifitra fitaovana fitrandrahana volamena anà orinasa roa vahiny mpitrandraka harena ankibon'ny tany, izay tsy miasa ara-dalàna any avaratr'i Mongolia, ny vondrona olontsotra Mongoliana kely iray izay nitàna basy fihazàna. Iray tamin'ireo mpikatroka efatra nitam-piadiana ireo i Tsetsegee Munkhbayar, nahazo ny loka Goldman Environmental tamin'ny 2007 — ny ‘Nobel Maitso’ — atolotra isantaona ho an'ireo mpikirakira ny tontolo iainana mijoro maneran-tany. [..]
Ankehitriny, ireo vahiny izay nanaiky azy ho toy ny mahery fo iany no nanameloka sy mandà azy. Tantara mikasika ny famonoana ny tany, famonoana ny marina, famonoana ny fanantenana — ary famonoana ny làlan'ilay nomady izany.
Manoratra bebe kokoa i Otgoo :
Raha toa ka misy manome tsiny anay amin'ny “fitifirana dianà bildozera”, tsy misy hetsika tokony hankahalaina izany. Zavatra tena kely no nataonay. Tsy misy maharatsy an'izany satria tsy hanenina izahay na dia hamoy ny ainay eo am-pitolomana aza. [..]
Tsy miraharaha io olana io ny governemanta. Noho izany, manao hetsika santatra izahay ary hikarakara ity hetsika ity. Raha toa ka tsy takatr'izy ireo izany, hotohizanay hatrany amin'ny farany.
Mitatitra i Erdenebayar T, mpikambana ao amin'ny Nomad Green, fa natomboka tamin'ny 01 Janoary 2011 ny fifaninanana fanoratana lahatsoratra famakafakana mba hanomezana valisoa ireo olontsotra mpanao gazety sy mpandray anjara mendrika izany.
Tao anatin'ireo volana roa voalohany, dimy no isan'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana fanoratana lahatsoratra famakafakàna izay nitondra ny lohahevitra hoe – ‘Fahalotoan'ny rivotra’.

Tomponandraikitra amin'ny 60%-n'ny fahalotoan'ny rivotra ao amin'ny tanàna ireo trano nentim-paharazana any Ulaanbaatar, Mongolia, mandritra ireo volana maro hisian'ny ririnina. Sary avy amin'i Andrew Cullen. fizakàmanana Demotix.
Ireto avy ireo mpandresy:
- ‘Fahalotoan'ny rivotra – Fahavalontsika’ D.Monkh-Erdene mpianatra ao amin'ny lisea voalohany ao amin'ny distrikan'i Sukhbaatar
- ‘Na tsy afaka handray fanapahankevitra momba ny olana entin'ny fahalotoan'ny rivotra aza ny ankizy, afaka tsy manary fako na aiza na aiza izy ireo’ O.Lkhagvadulam mpianatra ao amin'ny lisea laboratoara voalohany ao amin'ny distrikan'i Sukhbaatar
- ‘Ndao hanome rivotra ara-tsosialy mahasalama sy mangatsiatsiaka ho an'ireo tanorantsika’ B.Uuganbayr mpianatra faha-4 ao amin'ny Oniversitem-panjakan'i Mongolia
- ‘Tsy mora ny miala amin'ny fahalotoan'ny rivotra’ (traikefa japoney) G. Dovchindorj mpampianatra “Etugen” oniversite
- Mifoka karibaona sa rivotra isika?’ G.Tegshjargal mpanonta lahatsoratra ao amin'ny tobin'ny TV8
Vakio ny Bliaogin'ny Nomad Green (amin'ny tenim-pirenena enina) mba hahazoanao vaovao bebe kokoa mikasika ny raho-mitatao amin'ny tontolo iainana any Mongolia.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...