- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Albania, Bolgaria, Bosnia Herzegovina, Gresy, Kosovo, Kroasia, Makedonia, Montenegro, Serbia, Slovenia, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Tsara, Zon'olombelona
[1]

Sarin'ny zanabolana mampiseho ny ankamaroan'ny Balkans. Loharano: NASA Visible Earth [2], Azon'ny rehetra ampiasaina.

Fikambanana miisa sivy avy amin'ny firenena Balkan miisa dimy, anisan'izany ny Metamorphosis Foundation, no niara-niasa tamin'ny fananganana ny Anti-Disinformation Network for the Balkans na ADN-Balkans (Tambajotra Miady amin'ny Fandisoam-baovao) izay hetsika voalohany miampita sisintany hiadiana amin'ny fandisoam-baovao any amin'ny faritra.

Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.

Natomboka tamin'ny 2 Aprily ny hetsika araka ny nambaran'ny International Fact-Checking Day [3] tamin'ny alàlan'ny Tambajotra Fanamarinam-baovao Iraisam-pirenena (IFCN).

Raha misy amin'ireo mpanorina ny hetsika no mpikambana ao amin'ny Tambajotra Fanamarinam-baovao Iraisam-pirenena sady mpanao sonia ny Fitsipi-pifehezana [4] dia tsy voafetra ho an'ireo fikambanana mpanamarim-baovao ihany ny fidirana ho mpikambana ao amin'ny ADN-Balkans satria manantena ny hiara-hiasa amin'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra fampahalalam-baovao, ny sekoly sy ny hafa izy ireo.

Tsy mora ny fampifandraisana ny fisaratsarahana eo amin'ny sehatra nasionaly sy ny fiteny ao amin'ny faritra manana tantara mampitebiteby toy izany. Namoaka fanambarana [5] ny fikambanana mpanorina nanamafy fa mitaky fomba fijery isam-paritra midadasika kokoa ny toe-javatra iainana ao Balkans satria efa manomboka miampita sisintany ny fandisoam-baovao ary mivoatra mba hifanaraka amin'ny tontolo ara-kolontsaina sy politika ao amin'ny firenena tsirairay.

Nandritra roa taona lasa, niarahan'ny Global Voices niasa ny mpiara-manorina ny ADN-Balkans, toy ny Metamorphosis Foundation sy ny Istinomer tamin'ny fanentanana tohanan'ny Hongroà [6] momba ny fandisoam-baovao tany Gresy, Slovenia ka hatrany Makedonia Avaratra, naneho an-tsarintany ny fitaomana Rosiana amin'ny sehatry ny fampitam-baovao Serba [7] ho vavahady mankany amin'ny firenena Yogoslavy taloha, ny fiparitahan'ny hery malefaka Rosiana amin'ny alàlan'ny solon'ny gazetiboky momba ny fahasalamana [8]any amin'ny faritra sy ireo olana maro mifandraika amin'izany. Natao toeram-panadihadiana fitaratra ho an'ny Civic Media Observatory [9], tetikasa nataon'ny Global Voices, ny Balkans.

Nivoatra tsikelikely avy amin'ny fiaraha-miasa roa tonta sy maro mpandray anjara amin'ny fikambanana samihafa ny ADN-Balkans ary niha-mafy ny fiaraha-miasa tato anatin'ny roa taona farany. Maro tamin'izy ireo no mpanorina sehatra fampahalalam-baovao ary nanatevin-daharana ny tambajotra ihany koa.

Ny mpikambana mpanorina ny ADN-Balkans dia ahitana ny Metamorphosis  [10]avy any Makedonia Avaratra, ny mpanorina ny Truthmeter.mk [11]Portalb.mk [12] sy Meta.mk [13]Istinomer [14] avy any Serbia; Faktoje.al [15] avy any Albania; fikambanana roa miaraka amin'ny sehatra fampahalalam-baovaony avy any Kosovo: Crno beli svet (CBS) [16], sy  Internews Kosova [17], ny mpanorina ny vavahadin-tserasera  KALLXO [18]. Ireo avy any Gresy JAJ.gr [19] tohanan'ny News Literacy Center, Ellinika Hoaxes [20]Peace Journalism Lab [21], ary ny Digital Communication Network SouthEast Europe Hub [22].

Ahitana ny Metamorphosis Foundation [10] avy any Makedonia Avaratra sy ny Istinomer [14] avy any Serbia izay mpiara-mizara votoaty amin'ny Global Voices ny mpikambana mpanorina ny ADN-Balkans.

Ahitana fikambanana mpanamarim-baovao sangany Internews Kosova [17], ny vavahadin-tserasera KALLXO [18] izay mamoaka vaovao amin'ny teny Albaney, ary ny Crno beli svet (CBS) [16], fikambanana sady vavahadin-tserasera amin'ny teny Serba ireo mpikambana ao amin'ny tambajotra avy amin'ny vondrom-poko maro ao Kosovo.

Mpikambana mpanorina ihany koa ny Faktoje.al [15], ilay fikambanana mpanamarim-baovao sangany avy ao Albania.

Ahitana mpikambana miisa efatra avy any Gresy ihany koa ny ADN-Balkans: JAJ.gr (Journalists About Journalism) [19] any Athena , izay mifantoka amin'ny fahaizana mifehy ny vaovao; Ellinika Hoaxes [20] Tesaloniana, sampan-draharaha mpanamarim-baovao lohany ao amin'ny firenena; ny Peace Journalism Lab [21], tetikasa nataon'ny Sekoly ho an'ny Asa Fanaovan-gazety sy ny Seraseran'ny Haino Aman-jery [23] ao amin'ny Oniversite Aristotle ao Thessaloniki izay manam-pahaizana manokana amin'ny fampiasana fikarohana akademika ao anatin'ny vondrom-piarahamonina matihanina any Gresy sy ny faritra, indrindra amin'ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny Tambajotran-Tserasera Nomerika SouthEast Europe Hub [22] .