- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Tsy azo inoana” ireo roa mpanao gazety nitatitra momba ny vola fanampiana amin'ny COVID-19 hoy ny minisitry ny polisy ao Papouasie-Nouvelle-Guinée

Sokajy: Oseania, Papua Nouvelle Guinee, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, COVID-19, GV Mpisolovava
[1]

Ny Praiminisitra James Marape miresaka amin'ny gazety sy ny vahoaka momba ny filazana fisiana fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy ny vola fanampiana ho an'ny COVID-19. Pikantsary tamin'ny tatitra an-tserasera nataon'ny EMTV, nakarina tao amin'ny YouTube.

Jereo ny fandrakofana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraika manerantanin'ny COVID-19 [2].

Mpanao gazety roa no nampangain [3]‘ny minisitry ny pôlisy ao Papouasie-Nouvelle-Guinée, Bryan Kramer, ho mamoaka tatitra tsy mifanaraka amin'ny tena izy momba ny fandaharanasa famatsiana vola ny COVID-19.

Ny 11 Aprily 2020, nosoratan'ilay [4] minisitra tao amin'ny pejiny Facebook Kramer Report fa “tsy azo itokiana” i Freddy Mou mpandalina ara-politika sy mpisahana ny ara-barotry ny Loop PNG, ary Gorethy Kenneth ilay mpanao gazety zokiolona ao amin'ny PNG Post-Courier, satria ireo olona roa izao dia voalaza fa manana fifamatorana akaiky amin'ilay praiminisitra teo aloha ary samy voalaza fa namoaka tatitra “mitanila sy mamitaka”.

Mou sy Kenneth dia nanao antsafa [5] tamin'ny minisitry ny fitantanambola, Ian Ling-Stuckey, izay toa naneho ahiahy momba ireo fandaniana ataon'ny governemanta mifamatotra amin'ny fandraisana an-tànana ny COVID-19.  Noresahan'ilay antsafa ihany koa ny resaka fandraisan'ny governemanta ireo mpanolotsaina amin'ny resaka media sy ireo fiara tafiditra ho isan'ny fepetra hiaidna amin'ny COVID-19.

Nilaza i Kramer fa nihataka tamin'izay tokony ho noresahany ny tenin'ilay mpitahiry vola. Nolazainy koa fa ny loharano “tsy mitombina” aminà tambajotra sôsialy no niavian'ireo olana sasany nasongadina nandritra ilay antsafa, ary nambarany fa “natao hanaitaitra sy mitanila” [6] ilay tatitra. Nofaranany tamin'ireto teny ireto:

Inona no hetsika mety hataon'ny orinasan-gazety iray manana ny lazany manoloana mpanao gazety iray nanimba tanteraka izay lazany izay?

Raha izaho no nodisoina tanaty media, avy hatrany aho dia mihetsika mitory ilay mpanao gazety sy ilay orinasan-gazety.

Novalian'ny [7] Loop PNG hoe “ijoroany ny zavamisy fototra” amin'ny tantara ary narovany ny  fahamendrehan'ny famoahan-dahatsorany sy ny fahaleovantenany:

Tsy natao fanahy niniana na nomanina izay rehetra mety ho fifandisoan-kevitra, na dia mampalahelo aza, ary lavin'ny Loop PNG izay rehetra vaovao mifanohitra amin'izany.

Lavin'ny Loop PNG ihany koa ireo andrana rehetra hanohintohinana ny fahaleovantenan'ny famoahan-dahatsorany, izay vatofototry ny demaokrasia ao Papouasie-Nouvellle-Guinée.

Nilaza i Belden Namah, lehiben'ny mpanohitra, fa tokony hajain'ny [8] governemanta ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety:

Tiako ny hilaza mazava tsara an'ity: tsy tokony hampiasa tetikady mahery setra ianareo mba hanafoanna ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety eto amin'ity firenena ity.

Raha kianina ianareo ,ekeo ny kiana. Raha marina ilay izy hoe nisy fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy ny vola, tiako mba hilaza ny heviny izay manampahefana mahefa, tafiditra amin'izany ny mba hisian'ny fanadihadiana ataon'ny Kaomisiôna Mpanelanelana sy ny pôlisy miady amin'ny hosoka.

Nanitrikitrika tao amin'ny pejiny Facebook ny praiminisitra James Marape hoe diso ny fitateran'ilay tatitra ny tenin'ny mpitahiry vola. Nanome toky ny vahoaka izy fa hangarahara [9] tokoa ny governemantany amin'ny fampiasàna ilay vola fanampiana hiadiana amin'ny COVID-19:

Amin'ny hoavy dia hanao tatitra momba ny fanarahamason'ny vahoaka ihany koa izahay satria fomba fitantànana tsara ny fangaraharàna io noho ireo volabe mbola hatontona ho atokana amin'io asa maika io.

Tsy ho avelako hisy ny fanodinkodinana ny vola sy ny fikatsahana tombony amin'ny fahavoazan'ny vahoaka, saingy hatreto aloha dia mandeha tsara, vavolombelona nahita ny tànana rehetra nikirakira aho, netsehin'ny fanahin'ny firotsahana an-tsitrapo hanatanteraka ny asa.

Nanoratra tao amin'ny Facebook ilay mpikatroka Noel Anjo fa toa misy tsy fitoviana [10] amin'ireo tarehimarika natolotr'i Kramer, ilay mpitahiry vola, sy ny praiminisitra. Nampiany hoe tokony hanome alàlana ilay mpitahiry vola ny praiminisitra mba hiresaka [11] momba ilay olana:

Tsy jamba, tsy marenina akory ilay mpitahiry vola na hoe sembana ka hoe olona roa hafa no hiteny amin'ny toerany. Mba hajao ihany ilay mpitahiry vola ary avelao izy hitondra ho hitan'ny mpampahalàla vaovao ireo dikan'ny taratasimbola natonta sy notsinjaraina. Amin'ny manaraka, hajao ny minisitrao manokanan dia mifanajà ianareo tsirairay.

Daniel Bastard, tomponandrikitry ny Mpitatitra Vaovao Tsy Voafetran-tSisintany (RSF) ho an'ny faritra Azia sy Pasifika, nanakiana [12] an'i Kramer noho ny namoahany lahatsoratra tao amin'ny Facebook nanosoka hevitra mba handroahana ireo roa mpanao gazety ireo:

Tsy anjaran'ny minisitra ao amin'ny governemanta ny mandray fanapahana na tokony horoahana na tsia ireo mpanao gazety, ary indrindra fa rehefa noho ny tatitra tsy lanin'ny vavoniny no antony.

Fitsabahana andraikitra mahatsiravina atao amin'ny asa tena ilàna ny gazety no asehon'izany.