Mpanao gazety an-tserasera notazonina noho ny nanatsongany ny torohevitry ny praiminisitra Kambodziana momba ny COVID-19

Mpanao gazety Kambodziana Sovann Rithy, manao folara sady tsy manao aro-vava eo amin'ny sary, ao amin'ny biraon'ny polisy. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Polisy Monisipaly ao Phnom Penh

Zahao ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany.

Nosamborina tamin'ny 7 Aprily 2020 ilay mpanao gazety Kambodziana Sovann Rithy ao amin'ny fantsom-baovao nomerika TVFB noho ny namoahany ny tatitra an-dahatsary nanatsongàny ny Praiminisitra Hun Sen. Nahitana ny torohevitr'i Hun Sen ho an'ny mpamily ny tatitra izay nilazany ny tokony hivarotan'ireto farany ny môtôn'izy ireo mba tsy hisian'ny fatiantoka mandritra ny valan'aretina mitohy COVID-19 satria tsy manam-bola hanampiana ireo mpiasa tsy ara-dalàna ny governemanta. Raha niresaka momba ny fiantraikan'ny COVID-19 ara-toekarena ny filoham-pirenena dia nanamarika ny fepetra horaisin'ny governemanta toy ny famezivezena sy ny fampihenana ny asa aman-draharaha .

Saingy nilaza ny polisy fa nivazivazy ny praiminisitra ka tsy tokony naverina intsony ny teniny mba tsy hiteraka fanakorontanana ny vahoaka. Nosamborin'izy ireo i Rithy araka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava andininy faha 494 sy 495 noho ny “fandrisihana hanao heloka bevava” izay ahitana sazy enim-bolana ka hatramin'ny roa taona an-tranomaizina. Namoaka didy hisamborana an'i Rithy ny Fitsarana Monisipaly ao Phnom Penh ny ampitson'iny.

Nomelohin'ny manampahefana i Rithy tamin'ny nanasongadinany ilay hafatra saropady avy amin'ny valan-dresaka nataon'ny Praiminisitra fa tsy nanao taitra momba ny olana hafa mifandraika amin'ny COVID-19. Saingy nanamarika ny tatitra nataon'ny VOA Khmer fa raha nivazivazy i Hun Sen tamin'ny nilazany ireo mpamily ny hivarotan'izy ireo ny môtô-ny dia mbola namerina izany ihany izy nandritra ny lahateniny sady tsy nihomehy mihitsy.

Nesorin'ny Minisiteran'ny Serasera ihany koa ny fahazoan-dàlan'ny TVFB amin'ny fampitam-baovao ankoatra ny fisamborana an'i Rithy.

Nangataka ny manampahefana hamerina hijery ilay fiampangana ary hitaky ny fanitsiana ny tatitra raha misy ny tsy fahamarinan'izany i Nop Vy, talen'ny mpanatanteraka ao amin'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Kambodziana.

What is the important point, I think, is that his broadcast did not cause any damage the national interest or any discrimination, so I request the government review this issue again.

Ny tena zava-dehibe raha amiko dia rehefa tsy nanohintohina ny tombotsoam-pirenena na nanavakavaka ny fandefasany ilay vaovao koa mangataka ny governemanta aho noho izany mba hamerina hijery io olana io.

Tao amin'ny Twitter, nangataka ny manampahefana hanaraka ny dingana ara-dalàna amin'ny fandraisana an-tanana ny raharaha i Sopheap Chak avy ao amin'ny Foibe Mpiaro ny Zon'olombelona Kambodziana.

Nosamborina ary nohadihadiana momba ny tatitra nataony tamin'ny famerenana ny tenin'ny praiminisitra tamin'ny kabariny ilay mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny TVFB. Mbola tokony ho sokajiana ho tsy manan-tsiny izy sy ny sehatra fampahalalam-baovaony raha mbola mandeha any amin'ny fitsarana ny raharaha amin'izao fotoana izao. Fa maninona no nesorina talohan'ny fotoana ny fahazoan-dàlana ? Aiza ny maodely amin'ny fanajana ny olona iray raha mbola tsy meloka ?

Nanoratra i Kevin Doyle, mpanao gazety, fa mety natao ho fandrahonana ny fampahalalam-baovao hafa izany fisamborana izany

Fanenjehana mpanao gazety iray ho hafatra ho an'ireo mpanao gazety rehetra any Kambodza. Fomba efa hatry ny ela nampiasain'ny fitondrana ao Phnom Penh nandritra ny fotoan-tsarotra. Olana tsy azon'ny PM hialana ny Covid19, mampitotongana ny fizahan-tany sy miantraika amin'ny sehatry ny famokarana fitafiana noho ny fihibohana manerantany.

Namariparitra ny raharaha hanenjehana an'i Rithy ho hevitra adala i Daniel Bastard, filohan'ny Reporters Sans Frontières (RSF) ao Azia-Pasifika:

Imprisoning a journalist for quoting a statement by the prime minister word for word is more than absurd. The Covid-19 crisis must not be used as pretext for getting rid of journalists who do not blindly toe the government line.

Mihoatra noho ny hevitra adala ny fanagadrana mpanao gazety noho ny famerenany tsirairay ny tenin'ny Praiminisitra. Tsy tokony hampiasaina ho antony hanilihana mpanao gazety izay tsy manaraka anjambany ny fanjakana ny krizin'ny Covid-19.

Efa nangataka famelan-keloka ho an'ny zanany lahy ny rain'i Rithy ary nangataka ny mpitandro ny filaminana mba hanajanona ity raharaha ity. Olona miisa 17 farafahakeliny no nosamborina tao Kambodza noho ny namoahany vaovao diso momba ny COVID-19. Saingy nilaza ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa ampiasain'ny governemanta ny krizy hisamborana ireo mpitsikera sy ny mpikambana ao amin'ny mpanohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.