- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana ny fomba iadian'ny vehivavy amin'ny herisetra any Amerika Latina ?

Sokajy: Mediam-bahoaka

Diabe nataon'ny vehivavy ho amin'ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalan-jaza any Shily, 25 Jolay 2017. Sary: Benjamin Rifon, nahazoana alalana.

Tany El Salvador, 282. Tany Maeksika, 898. Ary tany Brezila, 1206.

Ampahany fotsiny amin'ny fitambaran'ny [1] isan'ny vehivavy niharan'ny famonoana tamin'ny taona 2018 tao Amerika Latina fotsiny izany⁠- novonoina noho ny fanavakavahana azy ireo vehivavy. 3.529 [2] farafahakeliny izy ireo .

Amin'ireo firenena miisa 25 manana tahan'ny famonoana vehivavy betsaka indrindra eto an-tany, any Amerika Latina sy Karaiba ny efatra ambin'ny folo [3] amin'izany.

Tsikaritra amin'ny alàlan'ny karazana fampijaliana hafa ihany koa ny herisetra atao amin'ny vehivavy noho ny fanavakavahana. Any amin'ny faritra sasany, misy fiantraikany ratsy amin'ny vehivavy ny fandotoana ny tontolo iainana, raha mahatonga ny zaza antsoso-koditra sy ny fanalan-jaza mety hampidi-doza kosa ny lalàna henjana manakana ny fanalan-jaza any amin'ny faritra hafa. Indraindray ny fampahalalam-baovao eo an-toerana vao mainka manampy trotraka [4] ny herisetra any an-trano sy ny famonoana vehivavy.

Manakiana ny rafi-pitsarana tsy mahomby, ny tsy firaharahian'ny manampahefana ary ny fanarahana ny mpandala ny mahazatra ara-pinoana izay toa manakana ny zon'ny vehivavy ireo feminista any Amerika Latina .

Ny tovovavy, ny vehivavy indizeny, ny vehivavy niova fananahana, ary ny vehivavy mainty hoditra no tena lasibatra amin'ity herisetra ity, kanefa matetika no tsy hita firy [5] ny tantaran'izy ireo amin'ny gazety mahazatra.

Saingy eo anivon'ireo voina ireo no nipoiran'ny fanehoan-kevitra ihany koa- nanjary nalaza tamin'ny hetsika nataon'ny vehivavy sy ny lehilahy ihany koa i Amerika Latina sy Karaiba.

Nanao diabe izy ireo. Namolavola lalàna izy ireo. Nanome hevitra izy ireo. Nandefa sioka izy ireo. Nanao zavakanto izy ireo. Nandihy sy nihira fampisehoana izy ireo ary nalaza.

Nandefa ity fitantarana manokana momba ny herisetra ara-pananahana ity izahay sy ny fomba famalian'ny olona izany tamin'ny 8 Martsa. Miangavy anao hijery ny fitantarana mitohy ataonay amin'ny teny Espaniola [6], Anglisy, ary ny Portiogey ary ny fiteny hafa.

#NiñasNoMadres: Arzantiniana manohitra ny vohoka tsy niriana terenaiaretan'ny zazavavy niharan'ny fanolanana [7] [mg]

Venezuela’s feminist movement begins rising above political polarization [8]

Fikatrohana nomerika, hosodoko ary fitokonana nasionaly – ny fihetsiketsehana ataon'ireo vehivavy Meksikana manoloana ny herisetra mifototra amin'ny fanavakavahana [9]

Nambaran'ireo vehivavy Shiliana fa: ‘Tsy matahotra intsony izy ireo’ [10]

‘Ho an'ity taranaka vaovao ho an'ny vehivavy ity, politika ny andrim-panjakana,’ hoy ny mpanorina ny antoko politika feminista Shileana [11]

Tany Arzantina, niverina nitohy ny ady ho amin'ny Fanalanjaza aradalàna 2020 [12]

Antsary: #8M ny 8 marsa nanerana an'i Amerika Latina [13] [mg]

Ny fanoherana ny feminisma avy amin'ny filoha Meksikana López Obrador [14]

Ny fifandraisan'ny herisetra mifototra amin'ny fanavakavahana sy ny fanararaotana ankizy any Trinité sy Tobago [15]

Nahoana no nila taona 3 ireo manampahefana ao Pero mba hanadihadiana momba ny famonoana ity ramatoa ity? [16]

Tsindrio eto [17] raha te handray anjara amin'ity fitantarana manokana ity ianao.