- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tranonkala voabahana, fikatonan'ny aterineto, ary fisamborana amin'ny media manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar

Sokajy: Myanmar (Birmania), Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Pikantsarin'ny tranonkala Narinjara News. Fidirana avy amin'ny Telenor.

Zahao ny pejy manokana Global Voices mitantara ny fiantraika manerantanin'ny COVID-19. [1]

Nomen'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Fifandraisana ao Myanmar baiko ny mpanome servisim-pifandraisandavitra efatra lehibe hibahana ireo tranonkala amin'ny lazaina ho fiadiana amin'ny fandisoam-baovao ao anatin'ny fanentanan'ny governemanta hifehy ny fielezan'ny COVID-19. Tamin'ny 30 marsa 2020, nanamafy [2] ny orinasan-telecom Telenor fa nanaraka ny baiko ry zareo tamin'ny fanakanana tranonkala miisa 221.

Na dia tsy naseho aza hoe iza avy ireo tranonkala niharan'ny baiko, dia maro ireo vondrona no nanamarika [3] fa tafiditra ho anisan'ny tranonkala voabahana ny pejy fialambolin'olondehibe, ireo habaka tsy voafaritra ho “vaovao faikany” [4], fa tafiditra ihany koa ireo masoivohon'ny tranonkala fampitam-baovao ara-poko [5] efa voasoratra anarana.

Namaly ny fiaraha-mientan'ny fikambanam-piraisamonim-pirenena miisa 250 ao Myanmar tamin'ny famoahana fanambaràna [6] midradradradra ny hetsiky ny governemanta ho tsy ara-dalana ary mifanohitra amin'ny lasitra iraisampirenena hiarovana ny fahalalaham-pitenenana. Namoaka fanambaràna ihany koa ny Burma News International, andiam-bondrom-pampita vaovao ara-poko, mitaky [7] amin'ny Antoko mitondra Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia hamaha avy hatrany ny fatorana mihatra amin'ireo tranonkala media ara-poko voasoratra ara-dalàna. Nanamarika ny vondrom-pampita vaovao fa navitrika ny governemanta amin'ny fampiasana ilay Lalànan'ny Fifandraisandavitra [8] hanakombona ny fahalalaham-pitenenana.

Fanakatonana aterineto sy fanafihana ny fahalalaham-pitenenana

Ao anatin'ireo tranonkala maro voabahana ireo, misy fampitam-baovao roa malaza ahitana ny Narinjara sy Development Media Group (DMG), izay samy miorina ao amin'ny Fanjakana Rakhine dia voasakana [9] nihoatra ny sivy volana izao ao amin'ireo faritra ahitana fifandonana ara-tafika ifanaovan'ny miaramila Myanmar sy ny tafika Arakan [10], vondrom-poko mitam-piadiana Rakhine.

Nisy fanambaràna navoakan'ny [6] vondrom-piraisamonim-pirenena mamariparitra ny fanakanana ny tranonkalam-baovao sy ny fitohizan'ny famerana ny aterineto ao amin'ny faritra ho fepetram-pamoretana mahatonga ny olona ho voaisotra ny zony hahazo torohay:

We further note with concern that the blocking of the websites, which include independent media websites from Rakhine state, comes in parallel to a 9-month long internet shutdown affecting 9 townships in Rakhine and Chin States, compounding restrictions on the right to information and freedom of expression of the population in these areas. […] blocking websites of the news agencies working in these areas is an authoritarian-like violation of the right to the access to information, a basic right crucial to media freedom, democratic transformation, and regions’ development.

Nahamarika feno ahiahy ihany koa izahay fa miara-mizotra amin'ny fanakatonana maharitra sivy volana mahatratra tanàna miisa sivy ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin ny fibahanana ireo tranonkala, izay ahitana tranonkalam-pampitam-baovao mahaleotena avy amin'ny fanjakana Rakhine, mampifangaro ny famerana ny zo hahazo torohay sy ny fahalalaham-pitenenan'ireo olona amin'ireo faritra ireo. […] ny mibahana ny tranonkalan'ireo sampam-baovao miasa ao amin'ireo faritra ireo dia fanitsakitsahana tsirefesimandidy ny zo hahazo vaovao, zo fototra iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, fanovana demaokratika, ary ny fampandrosoan'ny faritra.

Nilaza [6] ny vondrona mpikatroka sy mpandala ny zon'olombelona fa mampiasa ny krizin'ny coronavirus ny governemanta hanafenana ny fihoaram-pefy [11] fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ireo habibiana [12] ataon'ny tafi-panjakana ao amin'ny Fanjakana Rakhine. Manahy ihany koa ry zareo fa simbaina amin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana COVID-19 ny fahalalaham-pitenenana:

We are concerned that the government is taking advantage of the COVID-19 pandemic to censor legitimate information and curtail freedom of expression.

Manahy izahay fa manararaotra ny areti-mandringana COVID-19 ny governemanta hanampenam-bava torohay manara-dalàna sy hanakonana ny fahalalaham-pitenenana.

Ao amin'ny Facebook, Nyi Khine Thwee [13], artista Rakhine iray namoaka ireto sariitatra ireto hamariparitana ireo fihoaram-pefy amin'ny zon'olombelona ao amin'ny fanjakana Rakhineao anatin'izao krizin'ny COVID-19 izao:

[13]

Sariitatry ny artista Nyi Khine Thwee. Loharano: pejy Facebook an'ilay artista, nahazoana alalana.

[13]

Sariitatry ny artista Nyi Khine Thwee. Loharano: pejy Facebook an'ilay artista, nahazoana alalana.

Tamin'ny 3 Avrily 2020, nitatitra ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy ny Fanatanjahantena ao Myanmar [14] fa mitotaly 20 ny isan'ny mararin'ny COVID-19 ao amin'ny firenena.

Tonia voampanga ho niantsafa tamin'ny mpioko

Tamin'ny 30 marsa, nosamborina sy nampangaina [15] ho niantsafa tamin'ny solontenan'ny Tafika Arakan, izay ambara ho fikambanana mpampihorohoro andro vitsivitsy lasa izao ny tonian'ny tranonkala Voice of Myanmar, Nay Myo Lin.

Nandrisika [15] ny manampahefana ny Reporters Sans Frontières (RSF) hanadaboka ny raharaha

We call on Kyaw Swa Lin, the judge who ordered this journalist’s detention, to dismiss these utterly absurd and disproportionate terrorism charges. Nay Myo Lin complied fully with journalistic ethics and published this interview with the aim of serving the public interest by helping to restart the talks needed to end the conflict in Rakhine State.

Miantso an'i Kyaw Swa Lin, ny mpitsara izay nanome baiko ny hihazonana ny mpanora-gazety, izahay hanaisotra ireo fiampangana feno fahadalàna sy tafahoatra fampihorohoroana ireo. Nanaraka tsara ny etikam-panoratan-gazety i Nay Myo Lin ary namoaka ny antsafa ao anatin'ny fijerena ny tombontsoam-bahoaka mba hanombohana indray ny fifampiresahana hamaranana ny fifanandrinana ao amin'ny Fanjakana Rakhine.