- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#NiñasNoMadres: Arzantina manohitra ny vohoka tsy niriana terena hiaretan'ireo ankizivavy niharam-panolànana

Sokajy: Arzantina, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Sary tao amin'ny Flickr an'ny  Emergentes [1]. Nopihana nandritra ny fanentanana tamin'ny 11 May 2018, nampiasàna ny lisansa cc [2].

[Tsidiho ny fandrakofana manokana ataon'ny Global Voices mahakasika ny fomba fanoheran'ireo vehivavy ny herisetra ateraky ny maha-lahy na vavy ao Amerika Latina [3]. Raha tsy misy fanamarihana manokana, mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny espaniôla ny rohy ato anaty lahatsoratra]

Ao Arzantina, arovan'ny lalàna misy amin'izao fotoana izao ireo ankizivavy niharan'ny fanolànana ka maniry ny hanàla zaza. Saingy raha ny tena zavamisy vokatry ny fifandroritan'ny fiarahamonina arzantina momba ny resaka fanalàna zaza, mba hahafahan-dry zareo misitraka izany zony izany dia tsy maintsy atrehan-dry zareo ireo sakantsakana ara-pitantanana, ara-tsosialy sy araka ny lalàna.

Nanomboka tamin'ny 1921, ara-dalàna [4] ny fanalàna zaza raha toa ka vohoka vokatry ny fanolànana na raha sanatria ka tandindonin-doza ny ain'ilay reny. Ho an'ireo feminista arzantina, « ny zazavavy iray mitondra vohoka dia zazavavy voaolana » [5], satria tsy afaka ny hanome ny fankatoavany araka ny lalàna mba hanaiky hanaovana firaisana ara-nofo [6] ny zazavavy iray 13 taona.

Izay no antony, nandritra ilay antso #19F [7] nokarakaraina nanoloana ny Kaongresy tamin'ny 19 Febroary 2020, nitakian'ireo feminista, tsy ny fandaniana fotsiny ho an'ny taona 2020 ny volavolan-dalàna vaovao [8] momba ny fanalàna zaza araka ny lalàna, azo antoka sy maimaimpoana, fa koa ny hampiharana ny zo ho afaka manala zaza ara-dalàna, izay efa misoratra rahateo ao anatin'ny lalàna arzantina.

Nandritra io fihaonambe io ny Las Tesis, fikambanana shiliàna, dia nandrindra ireo tonon'ilay hira fanevany malaza [9] hoe Misy mpanolana eo amin'ny làlanao :

Duerme tranquila mi niña madre,
Sin que te importe quién te violó,
Que por tu hijo, bebé inocente,
Vela la Santa Inquisición.

Tafandria mandry izany zanakovavy izany,
aza misaina akory ny momba ilay nanolana anao,
Mba ho zaza tsy manantsiny ny zanakao,
Matokia ny “Inquisition” Masina.

Ny hazofijalian'i Lucía

Any Arzantina,  ohatra tsara ny raharaha « [10] Lucía » [10], tao amin'ny faritanin'i Tucumán, any avaratry ny firenena, noho ireo herisetra nozakain'ilay zazavavy nandritra ny dingana rehetra.

Lucía (novàna ny fanampinanarany mba hiarovana ilay olona) dia zazavavy kely 11 taona bevohoka rehefa avy niharan'ny fanolanan'ilay rangahy iarahan'ny renibeny. Nolavina tsy hahazo manàla zaza ara-dalàna izy ary avy eo dia nizaka fandidiana aloha loatra.

Tamin'ny faramparan'ny Janoary 2019, nandeha namonjy hôpitaly i Lucía mba hanàla zaza ara-dalàna : « Tiako raha esorina ato amiko izay napetrak'iny lahy antitra iny ato anaty kiboko », hoy izy latsa-tomany [11]. Efa nandramany im-betsaka sahady hatramin'ny famonoana ny tenany.

Fitanisàna ny fandàvana noho ny feon'ny fieritreretana [12] no nasesiky ny mpiasa tao amin'ilay hôpitaly sady nolavin-dry zareo ny hanao ilay fanalàna zaza. Notaterin'ny [13] renin'i Lucia fa nanao tsindry taminy ireo mpiasan'ny hôpitaly, ary nanameloka azy sy niteny fa mba « hanavotana ireo aina roa » dia tsy te-hanao ilay fandidiana kibo. Avy eny ivelan'ny hôpitaly, nisy andian'olona nihiaka ny hoe « vehivavy mpamono olona »  ary dia nisy mihitsy ihany koa ny  fikarakaràna fiaretantory ara-pivavahana [14].

Soratra eo amin'ny afisy : « Velona, mitsiky izy ireo, velona, milalao izy ireo. Ao anaty tontolo ara-drariny, tsy reny ny ankizivavy. » Sary an'ny Instagram [15] an'ny Socorristas en Red [16].

Ny arsevekan'ilay faritany koa aza dia niantso ireo mpino tao aminy ho « fiarovana » ny ain'i Lucía sy ilay vao torontoronina, tao anaty rakipeo iray izay nilazàny ny tena anaran'ilay zazavavy kely [17], efa fanitsakitsahana sahady ny zon'ilay niharan'ilay zavadoza sy ny fianakaviany mba hanana ny fiainan'ny tena manokana.

Raha tsy nisy ny naharaisany antontan-taratasy natsangan'ireo mpisolovava mpiaro zon'olombelona, tsy nanome alàlana [18] hanaovana ilay fandidiana ny governemantam-paritra. Efa feno 6 volana ny kibon'i  Lucía tamin'izay fotoana izay. Nandritra izay fotoana izay, nanao hetsika teny an'arabe [19] ireo vondrona mpitolona ho an'ny « zo hiaina » (antsoina hoe « provida  [20]» ), mba hitakiana ny hitondrana ny vohoka hatramin'ny farany, ho tombontsoan'ilay zaza.

Ny 26 Janoary 2019, teraka tamin'ny alàlan'ny fandidiana i Faustina, ary andro folo taorian'izay dia maty noho ny fahasarotana ara-pisefoana. Ny andro nahafatesany dia nifanojo indrindra tamin'ny Andro Manerantany ho an'ny Zon'ny Vehivavy [21].

Ramatoa iray mpisolovava avy amin'ny Antoko Demaokraty Kristiàna [22] [fr], niaraka tamin'ny fanohanan'ireo vondrona ara-pivavahana sy ireo fondamantalista, no niampanga ho mpamono olona [23] ireo dokotera nanao ny fandidiana (césarienne) .

Herinandro roa taorian'izay, nandray fanapahana [24] ny mpitsara iray misahana ny raharaham-pianakaviana ao Tucumán fa tsy horaketina ho isan'ny zanak'i Lucia ilay zaza maty, satria “tsy sitrapon'ilay zaza ny ho loharanon'aina no sady tsy mbola vonona ny ho reny” ilay zazavavy tamin'io fotoana io.

Naverin'ireo mpilaza vaovao erantany [25] noraisina ny raharaha « Lucía », ary tonga hatramin'ny fisarihana ny sain'ireo vaomiera iraisampirenena [26]. Ny Martsa 2019, nampangaina [27] teny anivon'ny Firenena Mikambana sy ny Kaomity Iraisan'i Amerika misahana ny Zon'Olombelona ireo manampahefana ao amin'ny faritanin'i Tucumán.

Efa ho herintaona taty aoriana, ny 14 Febroary 2020, voaheloka [28] hihiboka am-ponja mandritra ny 18 taona ilay nanolana an'i Lucía. Tao anaty taratasy iray [29], nasehon'ilay reny ny fankasitrahany noho ireo fanohanana voarainy , ary koa ny faniriany ny mba tsy hizakàn'ny ankizivavy hafa io hazofijaliana io.

Fitaovana hanampiana ireo Lucía hafa ve ?

Misy betsaka ireo tranga hafa [30] ahitàna ankizivavy mitondra vohoka, misedra fahasahiranana raha te-hanao fanalàna zaza ara-dalàna sy amim-pahatoniana. Mba hiantohana ny fahafahan-dry zareo mahazo ireny zo ireny, nohamafisin'ny Fitsarana Antampony arzantina tamin'ny 2012 [31] ny maha-ara-dalàna ny fanalàna zaza raha vokatry ny fanolànana, ary nangatahany ireo governemanta nasiônaly sy isam-paritra mba hametraka arofenitra eny amin'ireo hôpitaly mba ho fandraisana an-tànana araka ny tokony ho izy ireo fanalàna zaza tsy voarara sy tsy misy fanenjehana araka ny lalàna.

Soratra amin'ny sary : « Hoy i Neny hoe raha miendrika ankizivavy misarona fehitenda maitso aho [mariky ny ady hisitrahana ny zo amin'ny fanalàna zaza], alao sary an-tsaina aho eo am-piterahana atao an-terisetra ». Tenifototra : #FanaovanaLalàna #FanalanaZazaAraDalanaIzaoDienyIzao #AFanalanaZazaAzoAntoka #FanalanaZaza. Sary avy amin'ny Instagram an'i @lulidibuja [32]. Sary: Luly Ruiz. Nahazoana alàlana.

Tamin'ny Desambra 2019, ny minisitry ny fahasalamàna ao anatin'ilay governemanta tarihan'i Alberto Fern [33]á [34]ndez [33] izay vao haingana no voatendry dia namoaka arofenitra nasiônaly iray [35][pdf] mandamina ny fomba fanaovana ny fanalàna zaza ao anatin'ny faritry ny lalàna.
Na izany aza, 10 ihany amin'ireo 23 [36] faritany ao arzantina no manana ireo arofenitra mifanaraka amin'izany, na mankato ilay fenitra nasiônaly. Araka ny voalazan'ilay mpilaza vaovao ety anaty tambajotra Chequeado [36], « ny tsy fisian'ny arofenitra dia tsy midika hoe tsy afaka atao any amin'ireny faritany ireny ny fanalàna zaza ara-dalàna, satria io dia zo voasoratra ao anaty lalàna arzantina. Kanefa, ny tsy fisian'ireo arofenitra mifanaraka amin'ny didy navoakan'ny Fitsaràna dia mametraka sakana amin'ny tena fahafahan'ny vehivavy misitraka an'io zo io ».

Ankizivavy mitondra vohoka ao Arzantina sy Izao Tontolo Izao

Ho an'o Gabriel Castelli, sekreteram-panjakana misahana ny Fahazazàna, ny Hatanoràna azy ny Fianakaviana, nihena 20% ny isan'ireo vohoka aloha loatra tao Arzantina, teo anelanelan'ny 2015 sy 2018. Na nisy aza izany, mbola nisy 87.188 izy ireny. Tamin'ireny ankizivavy ireny, ny ankamaroany dia latsaky ny 15 taona, ary niharan'ny fanararaotana ara-nofo teny anivon'ny fianakaviany, hoy ilay ramatoa sôsiôlôgy Silvina Ramos [37].

Ireo fahasarotana mandritra ny fitondràna vohoka, toy ny fahaverezan-drà, ireo tohin'ny fanalàna zaza tsy azo antoka, ary ny fahasarotam-piterahana, no tena antony fototra miteraka fahafatesan'ireo ankizivavy eo anelanelan'ny 15 sy 19 taona manerana izao tontolo izao [38] [fr].

Ao Amerika Latina sy Karaiba, 30% amin'ireo vehivavy bevohoka no latsaky ny 18 taona [39], ary io irery no faritra eto an-tany [40] manana fitomboan'ny tahan'ankizivavy bevohoka, araka ny tranonkala fanentanana Niñas, no madres [41] [Ankizivavy fa tsy Reny].  [41]

Ny fanentanana ao Amerika Latina Niñas, No Madres [41] dia nanomboka dingana ara-pitsaràna hiadiana amin'ireo firenena marobe ao [42] Amerika Latina eo anatrehan'ny Kaomisiôna misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana, miainga avy amina tranga tena nanjo ireo ankizy izay nolavina tsy hahazo manao fanalàna zaza ara-dalàna sy hatramin'ireo fitaovana ilaina mba hisorohana ny vohoka tsy niriana.