- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitokona ireo infirmiera any Papouasie-Nouvelle-Guinée noho ny tsy fahampian'ny fiarovana amin'ny COVID-19

Sokajy: Oseania, Papua Nouvelle Guinee, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Sendikà, COVID-19
[1]

Efitrano fitsaboana marary any amin'ny toeram-pitsaboana Susa Mama, Hopitalibe Port Moresby, PNG. Sary nalain'i Ness Kerton ho an'ny AusAID. Loharano: pejy Flickr an'ny Departemanta misahana ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra, australia, Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Zahao ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany [2].

Nanao hetsika sit-in tamin'ny 26 Martsa, 2020 ho fanoherana [3] ny tsy fisian'ny fepetra sy ny fitaovana hiarovana azy ireo amin'ny COVID-19 ny Fikambanan'ny infirmiera any Papouasie-Nouvelle-Guinée (PNG).

Nametraka fihibohana [4] mandritra ny roa herinandro ny governemanta ao PNG tamin'ny 23 Martsa mba hisorohana ny fihanaky ny aretina Coronavirus, ilay virosin'ny aretina COVID-19 mahafaty. Tamin'ny fotoana nanoratana, trangana COVID-19 iray ihany no hita tao PNG saingy olona miisa 3.000 no hitan'ny [5] manampahefana fa “nisy fifaneraserana” tamin'ilay marary ary olona miisa 2.230 amin'izany no arahi-maso. Misy mponina efa ho sivy tapitrisa ao PNG.

Naneho ny ahiahiny [6] ny Fikambanan'ny Infirimiera ao PNG tamin'ny 6 Martsa fa tsy manana trano mitokana hitsaboana ireo mararin'ny COVID-19 ny ankamaroan'ny hopitaly ary nitaraina momba ny fepetra tsizarizary momba ny fahasalamam-bahoaka izay natao hifehezana ny fihanak'ilay aretina izy ireo.

Nanamafy [7] ny ahiahiny momba ny tsy fisian'ny fiofanana sy ny fomba fiasa mahomby eny amin'ny ambaratonga ifotony hiatrehana an'io aretina io ny Fikambanan'ny Infirmiera ao PNG taorian'ny fanambarana fihibohana.

Nanao taratasy fangatahana [8] tamin'ny governemanta ny vondrona mba hanome fitaovana fiarovana manokana ho an'ny infirmiera (PPE), tamby amin'ny loza mety hihatra sy ny fivezivezena, sakafo ary fiantohana.

Rehefa tsy nahomby ny fifampidinihana dia nanao fitokonana [9] tao amin'ny Hopitalibe Port Moresby sy tao amin'ny Tompon'andraikitra misahana ny fahasalamana tao an-toerana ary tao amin'ny Hopitaly Hitsaboana ny Marary Saina Laloki any ivelan'ny renivohitr'i Port Moresby ny vondrona.

Nandritra ny fanazavana ho an'ny fampitam-baovao, nohazvain'ny [10] vondrona ny fanapahan-kevitr'izy ireo :

Staff safety is paramount and those in authority must put themselves into our shoes and understand exactly why we are doing this.

Zava-dehibe indrindra ny fiarovana ny mpiasa ary tokony haka ny toeranay ireo manampahefana mba hahatakaran'izy ireo tsara ny antony anaovanay izany.

Nanasongadina [11] ny fitakian'ny infirmiera i Gibson Siune, sekretera jeneralin'ny vondrona :

Our human resource is at risk and as professionals, we are conducting a sit-in protest so that the health authority and government face us and negotiate in a professional manner.

We want more than lip-service from the authorities that our services are valued and personal protection is guaranteed before we go back to work.

Tandindonin-doza ny mpiasa ary manao hetsika sit-in izahay amin'ny maha-matihanina anay mba hihaonan'ny manampahefana ara-pahasalamana sy ny governemanta aminay hifampiraharaha amin'ny fomba matihanina.

Tsy mila fandraisana andraikitra eo imolotra avy amin'ny manampahefana fotsiny izahay fa ny mihoatra izany satria tokony homen-danja ny asanay ary tokony omena antoka aloha ny fiarovana alohan'ny hiverenanay miasa.

Mitokona ny infirmiera eto amin'ny hopitaly lehibe indrindra eto PNG satria tsy manana torolàlana mahomby sy mazava izy ireo, tsy manana saron-tava, akanjo sy solomaso ho entina miasa sns, efitrano mitokana ary mbola mitohy ny lisitra. Okay..noho izany ho aiza ny vahoaka raha maty ireo infirmiera anay ireo ?

PNG, firenena miaraka amin'ny mpitondra miasa haingana.
Zavatra tsy mbola ren'izy ireo hatrizay ny hoe Matihanina amin'ny Asa.
Raha nilaza ny PMJM fa vonona ny hiady amin'io viriosy io isika dia tsy manana fitaovam-piarovana manokana ny infirmiera sy ny mpitsabo ary tsy mahalala akory ny momba ilay viriosy akory ny ankamaroan'ny mpiasan'ny fahasalamana

Ny Praiminisitra James Marape no resahina ao amin'ny sioka “PMJM” etsy ambony.

Namoaka lahatsoratra [15] nandrisika ny manampahefana momba ny fahasalamana mba hanatanteraka ny fanavaozana ilaina ny gazety Post-Courier:

The threat by PNG Nurses Association to pull out its 4,000 nurses during this global pandemic is frightening and must be addressed immediately.

This is an emergency and the government has elevated the status from Health to that of a security issue. Use your authority as the principal Health advisor and demand that these funds [are used] and training be carried out immediately.

Mampatahotra ary tsy maintsy vahana avy hatrany ity fandrahonana nataon'ny Fikambanan'ny Infirmiera ao PNG hanala ireo infirmiera miisa 4.000 mandritra ity areti-mandoza manerantany ity .

Laharam-pahamehana io ary nampiakatra ny olana avy amin'ny fahasalamana ho amin'ny filaminam-bahoaka ny fanjakana. Ampiasao ho toy ny mpanolotsaina ara-pahasalamana ny fahefanao ary takio fa [nampiasaina] ireo vola fanampiana ireo ary tokony hampiharina avy hatrany ny fiofanana.

Nanambara ny fitokonana ho ara-dalàna [11] ny Sampan-draharahan'ny Asa sy ny Indostria. Nandritra izany fotoana izany, nanome toky ireo infirmiera ny governemanta ao PNG fa hapetraka ny fepetra fiarovana manerana ny firenena.

Ahitana taratra ny ahiahin'ny vahoaka amin'ny fiomanan'ny [16] governemanta hamehy ny aretina COVID-19 ny fitokonana. Ankoatra ny fiatrehana ny fiantraikany ara-tsosialy sy toekarena amin'ny fihibohana mandritra ny roa herinandro dia vesaran'ny olana ara-bola ny rafi-pitsaboana ao amin'ny firenena.

Maneho [17] ny zava-mahatsikaiky amin'ny fampiharana ny “fanajana ny elanelana” ao amin'ny firenena izay ahitana tsy fitoviana lehibe ilay mpanao gazety Scott Waide.

Why didn’t we invest in the health system and build it up for our people? Maybe, just maybe, one day we might need to use it. That day has come.

Here is another piece of irony for you. The safest places in PNG right now are the villages where up to 70 percent of health facilities are closed because of lack of funding and lack of medicines.

Hundreds of villagers have been in ‘self-isolation’ for decades. They don’t have to maintain ‘social distancing.’

Nahoana isika no tsy namatsy vola ny rafitra ara-pahasalamana ary nanangana izany ho an'ny vahoaka? Angamba, angamba fotsiny, indray andro any, mety mila mampiasa izany isika. Tonga izany ankehitriny.

Ity misy sombintsombiny amin'ny vazivazy iray hafa ho anao. Ireo tanànakely izay misy ny 70 isan-jaton'ny tobim-pahasalamana mihidy noho ny tsy fisian'ny famatsiam-bola sy ny tsy fahampian'ny fanafody no toerana azo antoka indrindra ao PNG amin'izao fotoana izao.

An-jatony ny mponina no efa  ‘nitoka-monina’ nandritra ny ampolo taonany. Tsy mila manaja ny ‘elanelana’ izy ireo.