Mpifaninana ho solontenan'ny mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny filankevipitantanana GV 2020: Arzu Geybulla

Arzu Geybulla
Arzu Geybulla dia avy ao Baku, Azerbaijana saingy mipetraka any Istanbul, Tiorkia hatramin'ny 2010. Manoritsoritra ny tenany izy, ho “mpanoratra/ mpanao gazety miasa aminà ampaham-potoana, ary olombelona iray amin'ny fotoana rehetra.” Nanao tatitra momba an'i Azerbaijana izy nandritra ny fotoana maro naha-matianina azy, nahakasika karazana olana marobe, fa ny lohahevitra tena mampientanentana azy tato anatin'ny andro vitsivitsy dia ny fanaovana ampamoaka momba ny dindon'ireo teknolojian'ny tsy refesimandidy sy fanarahamaso. Betsaka amin'ireny asa ireny no azo jerena ao amin'ny Azerbaijan Internet Watch. Hatramin'ny May 2010 i Arzu no nandray anjara tato amin'ny GV.
Ireo rehetra nirotsaka ho fidiana ho ao anatin'ny filankevipitantanana 2020 dia nasaina namaly ireo andiana fanontaniana vitsivitsy eto ambany. Aza misalasala mametraka fanontaniana fanampiny amin'i Arzu atao ao anatin'ny toerana ho an'ny fanehoankevitra amin'ity lahatsoratra ity!
Inona no tena manintona anao indrindra hiditra hiasa ao anatin'ny filankevipitantanan'ny GV?
Raha ny zavatra niainako teo aloha, dia hitako ny fomba nahavitan'ireo mpikambana ao amin'ny filankevitra nanampy tamin'ny firoboroboan'ireo fikambanana sy vondrompiarahamonina soloiny tena, ary hahazoan'izy ireny fankatoavana sy fahafahana miditra aminà loharano isankarazany. Rehefa tonga saina aho, tsy izay foana ny tranga misy, manantena hatrany anefa aho, ary tena mientanentana fatratra momba ny ho fahafahana ho lasa isan'ny ao anaty dingana hahatonga ny vondrompiarahamonina misy antsika hatanjaka kokoa, ho marintoerana sy haharitra.
Talenta, traikefa, fifandraisana, ary fahaizana manokana toa inona no ho atolotrao ny Global Voices amin'ny maha-solontenan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo anao?
Misalasala be aho hoe hisy zavatra vaovao ho azoko entina sy atolotra amin'ny maha-solontena ahy ao amin'ny filankevitra, indrindra raha jerena ny fivelatry ny fahalalàna omen'ny vondrompiarahamonintsika na ny nentin'ireo mpikambana teo aloha tao anaty filankevitra. Fa azoko antoka kosa hoe haiko ny mahandro sakafo tsara amin'ny fombandrazana azebaidjaney na mampiantrano ireo mpikambana avy ato amin'ny vondrompiarahamonitsika ka manana tsy fahazakàna sakafo. Avelantsika eo ny vazivazy fa, toka-miavaka ny vondrompiarahamonintsika, amin'ireo fahalalàna entin'ny tsirairay ho eo ambony latabatra (isan'izany ny fahaizana mahandro :). Ny tanjako sy ny traikefako dia izay asa nataoko nandritra ireo taona maro naha-mpikambana ahy tato anatin'ny vondrompiarahamonina, nefa koa ivelany – ny asa fanaovana gazety, fanangonambola, fametrahana tambajotra ary ny fisoloana vava.
Raha mijery ny taona telo ho avy ianao, inona, araka ny hevitrao , no tokony ho laharampahamehana ho an'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy?
Famatsiambola sy faharetana (ho lovainjafy).
Inona amin'ny endriky ny asan'ny GV no tena mahaliana anao indrindra?
Ireo loharano sy fahafahamanao omen'ilay sehatra ho an'ireo mangirika ny ho mpanoratra, artista, mpanao gazety manerana izao tontolo izao. Ny fahasamihafàna sy ny fiantraika aterak'ireo tantara marobe. Indraindray, mijanona fotsiny ho tantara mahafinaritra, mampihomehy anao. Indraindray zavatra tena miainga avy any anaty lalina any, izay mety hahatery anao hanampy na hitondra fanairana sy hanatevina fanentanana iray. Ny hamaroana sy ny fahasamihafàn'ireo tantara no mahatonga ity vondrompiarahamonina ity ho toka-miavaka sy mitohy mahazendana ahy amin'ny GV.
Inona no tianao hotsongaina avy amin'io traikefa miasa ho an'ny filankevipitantanana io, na amin'ny resaka asa izany, na ho an'ny tena manokana?
Ny fijerena akaiky ny fomba fiasa anatiny ato amin'ny GV ary raha toa ny fahatakarako manokana sy ny fahalalako ka ho afaka hanampy hampiroborobo ilay vondrompiarahamonina. Ny hitrandraka fahaizamanao ho an'ny GV mba ho lasa mpiaramiombona antoka mpiahy amina hetsika santatra sasantsasany ataonà faritra iray ary ho loharanom-pahalalàna ho an'ireo hetsika sanatatra hafa izay ny tanjona dia ny hitantara tantara, hampivoatra vondrompiarahamonina mpanoratra matanjaka sy hitondra fiovàna foana eto amin'izao tontolo izao na toa aza ka bitika kely izany.
Ahoana no fomba hampivadianao ny asan'ny filankevipitantanana amin'ireo adidy aman'andraikitrao hafa, na ny manokana izany, na amin'ny asa?
Saika nandritra ny fotoana nisako aho no mpiasa tena. Nandritra io fotoana io, mino aho, mba nahazo izay fahalalàna faran'ny kely indrindra ilaina amin'ny resaka fandrindràna, fitantanana ny fotoana sy fandraisana andraikitra, tsy niankina tamin'ilay zavatra nataoko. Tsy handainga aho – fa angamba izaho no ilay olona mpanenjika ny fetra farany amin'ny fanaovana zavatra (hmmm, toy ity lahatsoratra fanentanana ity) saingy vitaiko foana amin'ny daty voatondro anefa 🙂
Inona no fomba ho ampiasainao ho firotsahana sy hihainoanao ny vondrompiarahamonina mba hampahomby ilay fisoloana tena eny anivon'ny filankevipitantanana?
Ny ho mpitondra hafatra – angamba, mifidy fantsona iray mandeha tsara ho an'ny rehetra ary ahazoan'ny rehetra aina tsara sy azony antoka ny fampiasàna azy – mametraka io fantsona io sy ny loharano fototry ny fifaneraserana ary fihainoana izay rehetra voalaza – raha fintinina, GV ary GV ho an'ny mpikambana rehetra ao anatin'ny vondrompiarahamoniny, ny fanehoankeviny, ny sosokeviny, ny hevitry ny mpikambana tsirairay ato anatin'ny vondrona no tiako homarihana ary antintranteriko amin'ireo sisa mpikambana ao anatin'ny filankevitra sy ireo mpitantana ny vondrompiarahamonina.
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...