- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kandida amin'ny fifidianana Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2020, misolo tena ny nanao fifanarahana arak'asa: Nwachukwu Egbunike

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Filankevitra-GV-2020

Nwachukwu Egbunike.

Nwach Egbunike [1] moa dia poeta sady mpikaroka momba ny media sosialy, izay monina sy miasa ao Ibadan, Nizeria. Nanatevin-daharana ny GV ho mpanoratra izy tamin'ny marsa 2011, ary lasa Community Manager [Mpandrindra Vondrom-Piarahamonina] ho an'ny ekipan'ny efi-panoratana Afrika atsimon'i Sahara hatramin'ny taona 2018.

Nangatahana hamaly ireto andiam-panontaniana manaraka eto ambany ireto ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana 2020. Aza misalasala manontany zavatra hafa amin'i Nwach ao amin'ny fanehoan-kevitra ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!

Inona no tena nanosika anao hiditra amin'ny biraon'ny filankevitra GV?

GV is my extended family, to serve on the board will be an unmerited honour. A sign of affection by my peers and a call to give more to a community I truly love.

GV no fianakaviako mivelatra, ho voninahitra [tsy mendrika] ahy ny hanompo ao amin'ny filankevi-pitantanana. Mari-pitiavana avy amin'ireo mitovy amiko ary antso hanome betsaka kokoa ho an'ny vondrom-piarahamonina tena tiako.

Talenta, fahaiza-manao, fifandraisana ary traikefa tahaka ny ahoana no azonao atolotra ny Global Voices amin'ny anjara toeranao ao amin'ny biraon'ny filankevitra GV ?

I have been writing for GV since 2011. I joined as a volunteer and have engaged with practically all the projects of Global Voices – Rising Voices, Advox, etc. In the past years, I have been deeply involved in building the Sub-Saharan African team from a once ‘problematic’ region to one that seems to have the most admirable presence in the GV community.

Once upon a time, GV SSA had little coverage due to a dwindling contributor base. But we have within the past years, been able to attract two grants, increased our reportage and have maintained the charts with well-read posts. This obviously, was not my doing. Far from it. Rather it took dedication and team work. The ability to work and motivate a team, to identify partnerships, and a personal touch of getting to know team members is what I hope to bring to my role as board representative.

Efa hatramin'ny taona 2011 no nanoratako ho an'ny GV. Tamin'ny maha-volantera no nidirako ary saika nidirako avokoa ny tetikasan'ny Global Voices – Rising Voices, Advox, sns. Tao anatin'ny taona vitsivitsy aho izao no niditra lalina tamin'ny fananganana ny ekipa afrika atsimon'i Sahara, niainga avy amin'ny faritra iray ‘manahirana’ mankany amin'ny fijoroana maha-te-hankasitraka ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV.
Taloha no kely ny fitantarana an'i Afrika Atsimon'i Sahara noho ny fihenan'ny mpandray anjara fototra. Saingy taona vitsy izao izahay no afa-nahazo vatsy roa [fanampiana], nampitombo ny fitantaranay ary afa-nihazona ny isa tamin'ireo lahatsoratra be mpamaky. Mazava loatra fa tsy noho ny nataoko izany. Fa lavitra izany. Tsy maintsy nisy fanoloran-tena sy asam-bondrona tao anatiny tao. Ny fahafahana miasa sy manentana ekipa, mamantatra fiaraha-miombon'antoka ary ny dian-tanana vitan'ny tena manokana mba ahafantarana ireo mpikambana ao amin'ny ekipa, ireo no antenaiko hitondra ny anjara asako amin'ny maha-solontena ahy ao amin'ny filankevipitantanana

Rehefa mitodika mankany amin'ny telo taona manaraka ianao, araka ny hevitrao, inona no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny ankapobeny amin'ny maha fikambanana azy?

To attract, cultivate and maintain funding opportunities that will help Global Voices retain its independent and credible voice. This is imperative if we wish to continue acting as bridges to the most under-represented voices.

Ny hanintona, hamboly ary hanolokolo ireo hirika famatsiambola hanampy an'i Global Voices hihazona ny fahaleovantenany sy maha-feo azo itokisana azy. Tsy maintsy tanterahana izany raha tiantsika ny hanohy amin'ny maha-mpampita antsika amin'ireo feo tsy voatondra feo indrindra.

Lafiny manao ahoana no tena mahaliana anao indrindra amin'ny asan'ny GV ?

Advocacy — for obvious reasons. Coming from Sub-Saharan Africa, it is a continual battle to protect free speech and press freedom in the continent.

Fanandrata-teny — noho ny antony miharihary. Raha ho an'i Afrika Atsimon'i Sahara, dia ady mitohy hatrany ny fiarovana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahan'ny gazety eto amin'ny kaontinanta.

Inona no zavatra tianao ho azo ato amin'ity biraon'ny filankevitra ity, na eo amin'ny sehatry ny asa na manokana?

I hope to learn from the best and broaden my knowledge on corporate governance.

Manantena aho fa hianatra avy amin'ny tsara indrindra ary hanitatra ny fahalalako amin'ny fitantanana vondron'asa.

Ahoana no fomba handrindranao ny asanao ao amin'ny biraon'ny filankevitra amin'ny andraikitrao manokana na ny asanao hafa?

As I have done for the past years since I started working as the Community Manager of SSA, it’s a matter of living order a little bit better. That way, I squeeze out more time each day for all the things I need to do – personal, family and professional commitments.

Tahaka izay efa nataoko tao anatin'ny taona vitsivitsy hatramin'izay niasako amin'ny maha-Community Manager SSA ahy, dia resaka anto-piainana miampy zavatra kely tsaratsara kokoa izany. Amin'izay fotoana izay aho manokana fotoana bebe kokoa isan'andro hanao ny zavara rehetra ilaiko atao – ny adidiko manokana, ara-pianakaviana sy arak'asa

Fomba fiasa tahaka ny ahoana no ampiasainao hirotsahana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amin'ny fomba mahomby eo amin'ny ambaratongam-pitantanana?

To listen, listen and listen. Many times, leaders are tempted to talk more but listening is a great communication skill which when imbibed, makes a lot of difference. By listening more, one gets to know the people who make up the community better and by so doing, is better equipped to serve them.

Ny mihaino, mihaino ary mihaino hatrany. Imbetsaka ny mpitarika no azon'ny fakampanahy hiteny betsaka kokoa saingy talenta [miavaka] ny fihainoana izay rehefa tafiditra tsara, dia miteraka fahasamihafana be. Ny fihainoana bebe kokoa no ahafahana mahalala tsara kokoa ny olona mandrafitra ny vondrom-piarahamonina ary amin'ny alalan'ny fanaovana izany no ahafahana mivonona kokoa hikarakara azy ireo.