- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kandidà amin'ny fifidianana biraon'ny filankevipitantanana GV 2020, misolo tena ny nanao fifanarahana arak'asa: Gabriela García Calderón

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Filankevitra-GV-2020

Gabriela García Calderón (ankavia). Sarin'i Jer Clarke (CC-BY-NC [1])G.

Mpisolovava Peroviana monina any Lima i Gabriela García Calderón [2]. Mibilaogy ao amin'ny Seis de enero [3] izy ary mankafy mamaky lahatsoratra sy mijery sarimihetsika. Niditra ho mpikambana tato amin'ny Global Voices izy tamin'ny Novambra 2007 ary izy no mpitantana ny fandikan-teny ho an'ny Global Voices amin'ny teny Espaniola [4] ankehitriny.

Nangatahana hamaly ireto andiam-panontaniana manaraka eto ambany ireto ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana 2020. Aza misalasala mametraka fanontaniana fanampiny amin'i Gabriela ao amin'ny fanehoan-kevitra ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!

Inona no tena nanosika anao hiditra amin'ny biraon'ny filankevitra GV?

The possibility of being a voice for other GVers. As someone who's been almost in every section of GV, as a volunteer, as an editor (both regional an Lingua), as the GV-ES bulletin curator and other things, I think I know what it's like to be a GVer and what one of us may need or like to have or find in tthe community.

Ny fahafahako haneho hevitra ho an'ny GVers hafa. Amin'ny maha saika ahitana ahy isaky ny sehatra rehetra ato amin'ny GV, amin'ny maha-mpilatsaka an-tsitrapo ahy, amin'ny maha-toniandahatsoratra ahy (sady any amin'ny faritra no Lingua), amin'ny mpanangon-dahatsoratra GV-ES ahy sy ny maro hafa koa dia heveriko fa fantatro tsara ny atao hoe GVer sy ny zavatra tadiavinay na ny tianay tsirairay hanana na ho hita ato amin'ity vondrom-piarahamonina ity.

Inona ny talenta, fahaiza-manao, fifandraisana ary traikefa azonao atolotra ny Global Voices amin'ny anjara toeranao ao amin'ny biraon'ny filankevitra GV ?

My experience of 12 years as part of GV, three of them as Lingua editor. In all that time, I can say I've seen a lot! And I've learned how to deal with many kinds of situations.

Ny traikefa hitako nandritra ny 12 taona naha-GV ahy, toniandahatsoratra Lingua ny telo taona tamin'izany. Tamin'izany fotoana rehetra izany, azoko lazaina fa nahita zavatra maro aho ! Ary nianatra ny fomba hiatrehana toe-javatra maro isankarazany aho.

Rehefa mitodika mankany amin'ny telo taona manaraka ianao, araka ny hevitrao, inona no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny ankapobeny amin'ny maha fikambanana azy?

First and foremost, our volunteers, caring for them and having them always in mind in every decision the community makes. They are the engine that powers GV!

Voalohany ary indrindra indrindra, ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo, mikarakara azy ireo sy ny mihevitra ny momba azy ireo mandrakariva amin'ny fanapahan-kevitra rehetra raisin'ny vondrom-piarahamonina. Izy ireo no milina mampihodina ny GV!

Inona no lafiny tena mahaliana anao indrindra amin'ny asan'ny GV ?

The sense of being part of something greater, to feel I know all other GVer just because we share being a GVer. And in spite of not knowing all of them personally, there is this feeling we are friends and willing to connect. Like this strange COVID-19 days we are going through, it's nice to read how are other people dealing with all this and to know they are alright is reassuring.

Ny fahatsapako ho tafiditra amin'ny zava-dehibe kokoa, ny fahatsapako fa fantatro daholo ny GVer hafa rehetra, satria mifampiazara amin'ny maha-GVer izahay. Ary tsapako fa mpinamana izahay ary vonona ny hifandray na eo aza ny tsy fahafantarako azy rehetra manokana. Toa an'ity andron'ny COVID-19 izay diavintsika ity, mahafinaritra ny mamaky ny fomba hiatrehan'ny olona sasany izany rehetra an'izany ary mampitony ny mahafantatra fa salama tsara izy ireo.

Inona no zavatra tianao ho azo ato amin'ity biraon'ny filankevitra ity, na eo amin'ny sehatry ny asa na manokana ?

A better knowledge of how GV works from the inside. I always admire how GV leadership (let's call it that way) manages everything virtually and how they always have the time, the kindness, the care to respond to our needs, requests, demands, et al.

Ny hamantarako bebe kokoa momba ny fomba fiasan'ny GV anatiny. Nankasitrahako foana ny fomba fitantanan'ny mpitarika ny GV (andao antsoina hoe izay) ny zava-drehetra tamin'ny fomba virtoaly sy ny fomba nananan'izy ireo fotoana hatrany, ny hatsaram-panahiny, ny famaliana ny zavatra ilaintsika, ny fanontaniantsika, ny fangatahantsika sns.

Ahoana no fomba handrindranao ny asanao ao amin'ny biraon'ny filankevitra amin'ny andraikitrao manokana na ny asanao hafa?

Although I'm pretty sure it'll be a challenge, I'm a very organized person. I work at home for the past three years, and never failed a deadline thanks to my “eagerness” (ehem) to keep things in order and in a timely manner. Besides that, it's part of my features, as a pitta Ayurveda type (which I'm just discovering).

Olona tena mahay mandamina fotoana aho na dia fantatro tsara aza fa ho sarotra izany. Tao an-trano aho no niasa nandritra ny telo taona farany, ary tsy mbola nandiso fotoana tamin'ny fanenjehana asa mihitsy noho ny “fahazotoako” (kof kof) mba hilaminan'ny zava-drehetra sy amin'ny fotoana mety. Ankoatra izany, ao anatin'ireo mampiavaka ahy izany, toy ny maha karazana pitta Ayurveda (izay vao fantatro izao) ahy.

Inona no fomba hampiasainao hanombohana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amin'ny fomba mahomby amin'ny ambaratongan'ny fitantanana ?

I'll have all my means of communication open: e-mail, Slack, my GV profile page, phone, IM, social networks. Well, let's say Twitter, as I don't have Instagram or Facebook account. All those or any other that I might get to know in future times. I'd say I'm very “reachable”.

Hosokafako avokoa ny fomba ahafahako mifandray rehetra: mailaka, Slack, ny pejiko GV, telefônina, fandefasan-kafatra, tambajotra sosialy. Eny, aleo lazaiko hoe ny Twitter, satria tsy manana kaonty Instagram na Facebook aho. Ireo rehetra na hafa izay mety ho fantatro amin'ny hoavy dia afaka milaza aho hoe tena “hamaly ny hafatra hatrany aho”.