- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Tsy maintsy fanondranana tany tsy fahita firy sa tsia ?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktôbra 2010, ary raha tsy misy fanamarihana manokana, dia rohy mankany amin'ny teny anglisy ny ato anaty lahatsoratra)

Ireo tany tsy fahita firy [1] dia ilaina amin'ny: fanamboarana ireo fitaovana ilain'ny teknolojia avo lenta, toy ny finday, ny vatoaratra, ny fàfana amin'ny fahitalavitra sy ny solosaina ary maro hafa tsy àry ho tanisaina. Raha ny tarehimarika tamin'ny 2009, i Shina no manana ny 36% amin'ny tarihy erantany amin'ny tany tsy fahita firy (36 tapitrisa taonina), nefa miantoka ny 97% amin'ny fitrandrahana manontolo ataony.

Hatramin'ny Septambra, rehefa injay i Shina nampiato vonjimaika [2] ny fanondranany ireo tany tsy fahita firy nankany Japàna, vokatry ny ady tany [3] ao amin'ireo nosy Diaoyu, niakatra ny fihenjanana momba ny tolotra tany tsy fahita firy, ary dia niditra tamin'ilay resaka ny firenena hafa. Nanamafy ny Federasiônan'ny Indostria Alemàna fa “lasa resaka jeopolitika” [4] ireo tany tsy fahita firy, na teo aza ny fanambaràna nataon'ny governemanta shinoa fa “tsy ho atao fitaovana fanambàzana izy ireny [5]“. Fivoarana faramparany tamin'io raharaha io [6], omaly ny sekreteram-panjakana amerikàna dia nilaza tao anaty antsafa iray ho an'ny mpanao gazety fa manantena an'i Shina hanohy tsy misy sakantsakana ny tsenambarotry ny tany tsy fahita firy.

Izay ny eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Fa ao anatin'ny firenena kosa, miaraka amin'ny fitomboan'ny fihetsehampo miaro tanindrazana, betsaka amin'ireo shinoa ao amin'ny tanibe no mankasitraka ny fameperana nataon'ny governemanta amin'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy.

Ny tantaran'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy

Raha ny marina dia tamin'ny taona 2009 no nanombohan'ny adihevitra momba ireo tany tsy fahita firy. Tamin'izany fotoana izany sahady, efa resaka fiarovampirenena [7] no hitan'ilay bilaogera SMPB  tao anatiny. Ampahatsiahivin'io bilaogera io ny tantaran'ireo fanondranana tany tsy fahita firy nataon'i Shina :

在2002年的一份有关中国“入世后稀土产业的六大趋势”的官方报告里,中国对稀土资源的认知还普遍停留在对一般矿产资源的认知里,在那种全面拥抱WTO的开放心态作祟下,如何让国有的稀土资源赚更多的钱、如何掌握定价权,以及如何拓宽销售渠道及使其开放模式现代化是那时中国稀土贸易的主导话语权。

Tamin'ny 2002, taorian'ny nidirany ho ao anatin'ny OMC, tsy dia nisy zavatra fantatr'i Shina loatra momba ny tena lanjan'ireo tany tsy fahita firy, ary namoaka tatitra iray momba ireo fironana 6 goavana amin'io sehatra io izy. Manaraka ny fotokevitry ny OMC ilay tatitra ary nataony ho tanjona ny haka tombontsoa amin'ny fifehezana ny vidiny sy amin'ny famoronana fantsona fanondranana, hahatonga an'i Shina ho hery mibahana toerana eo amin'ny resaka varotra tany tsy fahita firy.

但2009年4月,中国国土资源部发布新的《稀土矿开采总量控制指标》,并进一步降低了国内的产能,并继续冻结新的开采许可证,与此同时,中国更针对包括稀土在内的工业原材料… 实行限制出口和加收出口赋税及费用,这 一决定在欧盟、美国和日韩都引起强烈反弹,6月22日欧盟与美国将在正式要求与中国针对此事进行协商,若协商破裂,下一步将是要求世界贸易组织(WTO) 小组受理申诉。欧盟消息人士还称:“中国已经对这些原材料施加了不公平的出口配额和关税,这样做扭曲了全球市场并损害了欧洲和美国企业。”

Saingy tamin'ny Aprily  2009,  nambaran'ny minisitry ny harena ankibon'ny tany tao Shina ny rafitra iray mametraka fatra amin'ny fitrandrahana ireo tany tsy fahita firy. Io fanapahankevitra io dia nampihena ny habetsahan'ny famokarana ireo tany tsy fahita firy sy nampiato koa ny fanomezandàlana ireo tetikasa vaovao fitrandrahana harena ankibon'ny tany. Sady koa, napetraky ny governemanta shinoa ireo fameperana amin'ny fanondranana, tamin'ny alàlan'ny fametrahana haba. Nanaitra ny Fiombonambe Eorôpeàna, Etazonia, Japàna ary i Korea io politika vaovao io . Ny 22 Jona 2009, nanapaka hevitra ny hifampiraharaha amin'ny governemanta shinoa ny Fiombonambe Eorôpeàna sy Etazonia. Raha sanatria tsy hahomby ny fifampiraharahàna, dia mety hitondra ny raharaha eo anoloan'ny OMC ry zareo. Raha ny voalazan'ny loharano avy ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, “hiteraka fikorontanan'ny tsena erantany sy hanimba ireo orinasa eorôpeàna sy amerikàna ilay haba napetraka amin'ny fanondranana ataon'ny shinoa amin'ireo akora fototra”.

Resy lahatra ilay bilaogera hoe resaka fiarovampirenena no anton'ireo fameperana:

这次被欧美拖去WTO仲裁的20余种工业原材料与澳大利亚的铁矿石相比还有另一重更深刻的意义:国家安全―― 尤其是世界储量最巨的稀土资源,更是人类现代高科技武器最重要的原材料之一,而之前中国在此方面的大量出口失控从某种意义上说,已经造成了帮助国外的高科 技武品进步而危害自身战略安全甚至全球战略稳定的坏局,所以,中国限制其出口和欧美反对中国限制出口都有WTO所无法备述的重要战略原因。

Manana dikany lalina be ireo akora fototra miisa 20 fampiasan'ny indostria ka nentin'ny Fiombonambe Eoropàna sy Etazonia ho eo ambony latabatry ny OMC : ny fiarovam-pirenena. Singa tena ilaina amin'ny famokarana ireo fitaovampiadiana avolenta mampiasa teknolojia ireny tany tsy fahita firy ireny. Ny fanondranana nataon'i Shina tany aloha tany dia manozongozona ny fiarovam-pirenena azy manokana ihany koa, amin'ny fanampiana ireo firenena any ivelany ho afaka mitrandraka sy mamokatra fitaovam-piadiana avo lenta mampiasa teknolojia. Io paika stratejika io no tsy ambarambara ao anatin'ilay adihevitra.

Fandementsaina iraisampirenena ve?

Amin'izao dingana vaovao misy ny adihevitra izao, ity bilaogera ity, miaramila tranainy, dia mahita koa ao anatin'ilay raharaha [8] ny fisiana tsindry iraisampirenena atao amin'i Shina. Ity no lohatenin'ny bilaoginy “Manao tsindry amin'i Shina ireo hery vahiny mba hanondranany ireo tany tsy fahita firy”. Tatitra iray no tanisain'ilay bilaogera, Singa tany tsy fahita firy : ny rojom-pamatsiana erantany [9] (pdf [amin'ny teny anglisy]) nosoratan'i Marc Humphries, mpandalina ny politika momba ny angovo, ary tsipihany ny hoe :

按人均储量算,美国和俄罗斯都要高于中国。而因为处于产业下端,中国以全世界三分之一的储量生产出占世界97%的稀土,储量和产量之间的关系出现了严重不 对等。而美国坐拥全球稀土资源的13%,却分文不动,百分之百地“依赖”进口。所谓中国限制稀土出口引起了一些国家稀土供应短缺的说法并不真实,应该说, 它们短缺的不是稀土,而只是中国生产的廉价稀土。

Raha ny tahiry isam-batanolona no jerena, ny an'ireo tany tsy fahita firy no betsaka indrindra ao Etazonia sy Rosia raha miohatra amin'ny any Shina. Kanefa, i Shina ery amin'ny zanatohatra farany ambany indrindra amin'ny rojom-pamokarana no mamokatra ny 97% amin'ireo tany tsy fahita firy vokarin'izao tontolo izao. Mitanila tanteraka mihitsy ny fifandanjan'ny tahiry sy ny vokatra. Ao Etazonia ny 13% amin'ny tahiry erantany amin'ny tany tsy fahita firy, saingy tsy mitrandraka mihitsy zareo fa miankina 100%  amin'ny fanafarana. Tsy marina araka izany ny filazàna hoe ireo fameperana ataon'ny shinoa amin'ny fanondranany ireo tany tsy fahita firy dia mitondra ho amin'ny tsy fahampian'ny famatsiana. Tsy misy mihitsy tsy fahampian'ny tany tsy fahita firy, fa ireo tany tsy fahita firy amidy amin'ny vidiny mora avy any Shina fotsiny ihany no misy.

Misy akony any amin'ireo sehatra fifampiresahana anaty aterineto ireo kabary nasiônalista mandresy lahatra. Ao amin'ny Baidu Tieba, ampangain'ny betsaka ho mpamadika tanindrazana ireo mpanao risoriso ny tany tsy fahita firy. Raha naneho hevitra tamin'ireo vaovao vao haingana momba ny fanondranana an-tsokosoko ireo tany tsy fahita firy, nanoratra [10]i Dandelion (成长的蒲公英a) hoe:

为了自己利益,你们就可以出卖国家利益?中国现在是个发展中国家,距离发达国家还有很遥远的距离,这最关键的问题,自然是经济!那些发达国家说中 国人爱占小便宜,不尊重中国人可他们呢,净占大便宜!不想让自己的资源流失,不想破坏自己国家环境,就来买中国的稀土!别看那一点稀土卖1亿多,在国际市 场上,稀土远远超出这个价,黄金当作白菜卖!就算你现在富可敌国,那又怎样呢,在外国谁会晒你?只有让我们的综合国力增强,经济迅速发展,我们在可以真正 地在外国人面前抬起头,可以骄傲地说:我是中国人!那就让我们从现在做起吧,不要再为了一点私利而破坏了国家整个政策,我们13亿人一起努力,团结的力量 才有凝聚力和战斗力,相信中国的明天会更加辉煌!(另外,鄙视美国人.日本人….鄙视为私利贩卖稀土的,你买的不仅是稀土,还有中国人的尊严,中国的 发展!青岛那人你真有病,忘记南京大屠杀了,还买给日本人,你不怕它发展原子弹第一个炸的就是你?)

Afaka mivarotra ny firenena ve ianao ho an'ny tombontsoanao manokana ? Firenena anaty firoboroboana i Shina ary mbola betsaka no tokony hatao. Mazava loatra fa n  toekarena no olana fototra. Rehefa miteny ireo firenena manankarena hoe tia maka tombony kely fotsiny ry zareo Shinoa, dia tena tsy manaja tsotra izao ny vahoaka shinoa ry zareo. Naka tombony be taminay ry zareo! Tsy tiany ho very ny tahirina akora fototra azy ireo manokana, tsy tiany ho simba ny tontolo iainana any amin'ny fireneny. Izany no antony ahatongavany mividy ireo tany tsy fahita firy ananan'ny shinoa. Na lafo sy ahitam-bokany be aza ireo tany tsy fahita firy, mbola avo lavitra noho ny vidiny ny sandan'izy ireny. Raha ny marina, amin'ny vidin'ny anana no amarotantsika ny volamena. Na mpanankarena aza ianao izao, tsy misy dikany amin-dry zareo akory ianao. Tsy misy afa-tsy ny hoe rehefa matanjaka ny firenentsika sy hoe hitohy hitombo ny toekarentsika, izay isika vao afaka hizotra tsy mitanondri-doha sy hiteny amim-pireharehàna hoe: Shinoa izahay ! Aza simbàna noho ny tombontsoan'ny tena manokana ny politikan'ny firenena. Tsy maintsy miray hina ireo 1,3 lavitrisa eto amintsika mba hananan'i Shina hoavy mamiratra. (Ankoatra izay, ndao hohamavoina ny Amerikàna, ny Japoney…. ndeha hohamavoina ireo manao fanondranana an-tsokosoko ireo tany tsy fahita firy ho amin'ny tombontsoany manokana. Tsy ireo tany tsy fahita firy no amidinareo fa ny maha-izy azy ny vahoaka shinoa sy ny hoavin'i Shina. Olona marary saina ilay mpanondrana an-tsokosoko tao Tsingtao. Tsy tsaroany ny famonoana faobe tao Nankin. Sahiny mihitsy aza ny mivarotra amin'izany amin'ireo Japoney. Tsy atahoranareo ve hoe mety ho andarohana anareo ny baomba atomika manaraka eo?)

Fa iza loatra no nandray tany am-boalohany tany ny fanapahankevitra hivarotra ireo tany tsy fahita firy? Tao amin'ny Baidu Teiba, YierYier Wei manome tsiny mafy an'ireo mpandray fanapahankevitra, [11] ary tsy taraiky tamin'ny fikendrena ireo tomponandraikitra mpanao kolikoly ireo fihetsehampo nasiônalista :

唉呀咿呀喂: 中国的当权者,你们不会知道稀土有多重要

124.231.90.*: 他们只知道花天酒地,大贪特贪!

思念szy: 毕竟官员不是直选的,所以民意没太大作用

欧古利斯: 他们卖完之后都移民都国外去了,哪管我们的死活,所以不止要封锁稀土,官员也必须封锁,不准他们移民

YierYierWei: Fitantanana shinoa, tsy ho takatrao velively ny lanjan'ireo tany tsy fahita firy.

124.231.90.*: Ny hany fantatr'ireo, aiza no azo hihinanana sy hanararaotana ny fiainana, ary mameno ny paosiny isaky ny afaka manao izany.

Missing szy: Tsy olona nofidiana ireo manampahefana ao anatin'ny governemanta. Tsy misy dikany izay fanehoankevitry ny vahoaka.

Aukulisi: Rehefa lafon-dry zareo daholo ireo tany tsy fahita firy ananantsika, hifindra any amina firenena hafa ry zareo. Tsy misy iraharahian-dry zareo antsika, na ho faty na ho velona. Ankoatry ny kenda roroka atao amin'ireo tany tsy fahita firy, tsy maintsy sakanana tsy hifindra monina ireo manampahefana ao anatin'ny governemanta.