Nahoana no nila taona 3 ireo manampahefana ao Pero mba hanadihadiana momba ny famonoana ity ramatoa ity?
Dikandahatsoratra

Solsiret Rodríguez Aybar. Pikantsary avy aminà lahatsary YouTube.
Taona telo sy tapany lasa izay i Solsiret Rodríguez Aybar, 23 taona, no nanjavona tao amin'ny toeram-ponenany tao El Callao, tanàna akaikin'i Lima renivohitr'i Pero niarahany nipetraka tamin'ny vadiny Brian Villanueva. Niteraka roa izy, ary nianatra ny sosiôlôjia tao amin'ny oniversite nasiônaly Federico Villarreal no sady mpikatroka tao anatin'ny hetsika “Ni una menos” (“Tsy hisy na vehivavy iray aza ho tavela”).
Tamin'izany fotoana izany,, na nameno tatitra milaza fanjavonana aza ireo ray aman-dreniny, tsy nanao fanadihadiana velively momba izay nanjo azy ireo manampahefana. Tena tsy noraharahian'ireo fampahalalambaovao ihany koa ilay izy.
Vao tamin'ny Febroary 2020, teo ambany fitarihan'ilay mpampanoa lalàna vaovao, vao nisy fisamborana voalohany natao mifandraika amin'ny raharaha Solsiret. Fotoana fohy taorian'izay, hitan'ireo manampahefana fa maty i Rodríguez ary nafenina tao ambanin'ny tranony taloha ihany ny taolambalony nandritra izay fotoana ela izay.
Nanomboka teo ireo fianakaviana akaiky an'i Villanueva dia nanaovana fanadihadiana momba ilay vono olona, taorian'ny taona maro tsy nanelingelenan'ny polisy azy ireo ho alaina am-bavany sy ho vavolombelona. Tsy nosavaina mihitsy ny tranon'izy ireo.
Hatreo dia nipoapoaky ny hatezerana ireo media sôsialy peroviàna. Nahoana no nila taona 3 mahery ireo Peroviàna manampahefana vao nanomboka nikatsaka ny rariny ho an'ny fianakavian'ity vehivavy tanora ity?
Ilay raharaha
Ny 24 Aogositra 2016, nametraka taratasy tany amin'ny polisy i Brian Villanueva nitatitra hoe nandao ny tokantranony i Solsiret. Andro roa taty aoriana, nanandrana nametraka taratasy fanambaràna ny fanjavonan'ny zanany vavy ireo ray aman-drenin'i Solsiret, saingy tsy neken'ny polisy ilay izy noho ilay tatitra efa napetrak'i Villanueva tany aloha.
Nisy tantara vao haingana momba ilay raharaha nilaza hoe:
El superior Dante Pastor se negó a admitir la denuncia aduciendo que por su “amplia experiencia”, seguramente Solsiret se había ido de la casa, probablemente con otro hombre y estaba “con la cabeza caliente”.
Nolavin'ny lehiben'ny polisy, Dante Pastor, ny fitarainan-dry zareo, tamin'ny filazàna fa, raha ny “traikefa betsaka ananany”, betsaka ny mety hisian'ny hoe nandao ny tokantranony i Solsiret, angamba nanaraka lehilahy hafa ary mety sipa “mazan-doha”
Farany, vitan'ireo ray aman-dreny ihany ny nametraka ny taratasiny tamin'ny 1 Septambra tamin'izay taona izay, saingy nampahafantarina azy ireo fa ny mpampanoa lalàna, Lucila Aliaga, niandraikitra ilay raharaha tamin'izany fotoana izany, tsy nandray fepetra mihitsy na kely aza hikarohana ilay vehivavy tanora io.
Tamin'ny 2018, noraisin'ny mpampanoa lalàna, María Quicaño, avy eo ny raharaha. Sady koa, araka ny tenin'ireo ray aman-drenin'i Solsiret Rodriguez Aybar, tsy nitondra fivoarana mihitsy ny fanadihadiana. Fa rehefa ny mpampanoa lalàna Jimmy Mansilla Castañeda no nandray an-tànana ilay raharaha tamin'ny Janoary 2019 vao nanomboka nitsimbadika ny zavatra rehetra.
Tena hita fa niankinan-javatra be ny fitadiavana ny toerana misy ny findain‘i Rodríguez: hitan'ireo mpanadihady fa nesorina tao anatin'ny findainy ny karatra SIM ary natsofoka tamina finday an'i Andrea Aguirre Concha, zaobavin'i Villanueva.
Ny 18 Febroary 2020, nosamborina i Aguirre sy ny vadiny Kevin Villanueva, kambana tsy misy hafa amin'i Brian, ary fotoana fohy taorian'izay dia fantatra fa nafenina any amin'ilay trano niarahany nipetraka tamin'i Brian ny taolambalon'i Solsiret Rodríguez.
Araka ny fijoroana vavolombelona avy amin'i Aguirre, maty teo am-pianjerana i Rodríguez rehefa nidona be ny lohany taorian'ny ady nifanaovan'izy roa vavy. Ireo valin'ny fitiliana anefa toa tsy mifanaraka tamin'io tantara io. Nolazain'ny Talen'ny polisim-pirenena peroviàna, José Luis Lavalle, tao anaty antsafa niarahana tamin'ny gazety fa:
Aquí se ve que habrían ejercido violencia sobre la víctima y esto nos trae a las posibilidades de un homicidio calificado; es decir, un asesinato, y que el móvil gira alrededor de un conflicto al interior de este grupo familiar.
Hitantsika eto fa niharan'ny herisetra ilay niharan-doza, ary io dia mahatonga anay hieritreritra fa nisy famonoana olona niharo habibiana, izany hoe vono olona, ary ny antony dia mifandray aminà disadisa teo anivon'io fianakaviana io.
Carlos Basombrío, izay minisitry ny atitany tamin'izany fotoana nanjavonan'i Rodríguez izany, ary nametraka fialàna noho ny antony tsy misy ifandraisany velively amin'ilay raharaha, dia nibitsika ny alahelony noho ny ninoany ny tatitra nataon'ny polisy nanamafy fa hoe nandao an-tsitrapo ny tokantranony, ny vadiny sy ireo zanany i Solsiret:
Si pudiera renunciar de nuevo lo haría de nuevo.
Asumo toda la responsabilidad política. pic.twitter.com/SXDyXSB1fP— Carlos Basombrio (@CarlosBasombrio) February 19, 2020
Raha mbola afaka nametraka fanindroany ny fialàko aho dia nataoko.
Raisiko ny andraikitra politika manontolo.
Hatezeran'ny media sôsialy
Mabel Huertas, mpanao gazety, no mamintina ny raharaha:
2 fiscales, uno tras otro, renunciaron a investigar el caso de Solsiret, no les dio la gana, faltaron a su principal función, defender a una ciudadana y perseguir el delito. Un tercer fiscal en el 2019 hizo su trabajo y finalmente la justicia está cerca. @FiscaliaPeru vergüenza.
— Mabel Huertas (@mabel_huertas) February 19, 2020
Roa ireo mpampanoa lalàna, samy vehivavy, no tsy nanohy ny fanadihadiana ny raharaha Solsiret, tsy tian-dry zareo mihitsy ny hanadihady momba ilay izy, tsy nohajainy ny tena fototrasan-dry zareo: miaro ny olompirenena ary manasazy ny heloka. Tamin'ny 2019, fanintelony tamin'ny mpampanoa lalàna no nanao ny asany ary farany dia efa an-dàlana ny hahitàna ny rariny. Henatra ho an'ireo mpampanoa lalàna eto Pero.
Carlos León Moya, mpikirakira vaovao eny amin'ireo famoahambaovao marobe, no nametraka fanontaniana vitsivitsy:
Sobre el caso Solsiret. Su cuñado, Kevin Villanueva, siempre fue el principal sospechoso. Entonces, ¿cómo así NO registraron la casa de su pareja? ¿Cuándo lo hicieron, tres años y medio después? Además, la Fiscalía estuvo meses sin hacer la denuncia. Les importó un pito.
— Carlos León Moya (@contracultural) February 19, 2020
Momba ny raharaha Solsiret. Ny zaodahiny, Kevin Villanueva, no voalohany ahiahiana. Araka izany, nahoana ny trano iarahany mipetraka amin'ny sipany no tsy savaina? Oviana no nanaovan-dry zareo azy io, taona telo sy tapany taty aoriana ve? Etsy ankilan'izay, volana marobe ny biraon'ny fampanoavana no tsy namoaka tatitra. Tsy nisy niraharahian-dry zareo an'izany na kely aza.
Kathe Soto, naman'itompokovavy Rodríguez, nanoratra ny alahelo niainany nandritra izay telo taona sy tapany izay:
Hace 3 años, 5 meses y 26 días recibí una llamada qe marcaría mi vida.
Llamaban para decirme qe Sol, una d mis mejores amigas, no había llegado a casa, estaba desaparecida.
Hicieron “investigaciones” y decían q ella se había ido.
Sol nunca se fue, hoy sabemos q la desaparecieron. pic.twitter.com/toDUJfGm7G— Kathe Soto (@kateSotoT) February 18, 2020
Taona telo, volana dimy ary andro 26 lasa izay, no naharaisako antso iray nanova ny fiainako.
Nolazaina tamiko fa tsy nody an-trano i Sol, iray amin'ireo namako akaiky indrindra, fa hoe tsy hita.
Nanao “fanadihadiana” ry zareo dia nanambara fa hoe nilefa izy.
Tsy nilefa velively i Sol, nataon-dry zareo izay tsy hahitàna azy.
Tranga iray amin'ireo anjatony maro
Tamin'ny 2019, nisy 168 ireo vehivavy niharan-doza vokatry ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy ao Pero, nefa sazy efatra fampidirana am-ponja no hany noraisina ho an'ireo famonoana vehivavy tao Pero. Tamin'ny Oktôbra 2019, sambany nanameloka lehilahy iray hifonja mandra-maty i Pero, noho izy namono vehivavy.
Saira Luján, mpikatroka avy amin'ny Paro Internacional de Mujeres, nilaza tamin'ny Salto Diario fa:
Las mujeres víctimas de violencia no solo se enfrentan a sus agresores y a la sociedad machista sino también al sistema judicial que, lejos de garantizar protección de acuerdo a una normativa nacional aún deficiente, duda de ellas, las revictimiza y obtienen sentencias arbitrarias que incluso llegan a la absolución de la pena del agresor.
Tsy hoe ireo nanao herisetra taminy sy ny fiarahamonina manavakavaka monja ihany no atrehan'ireo vehivavy niharan'ny herisetra. Atrehan-dry zareo ihany koa ny rafi-pitsaràna izay tsy mahavita miantoka fiarovana azy araka ireo lalàna nasiônaly tsy sahaza, sy mbola misalasala ny amin'izy ireo ihany koa, vao mainka mandetika azy, ary mamoaka didy tsy voahevitra izay mazàna no manàfaka ireo nanao herisetra tamin-dry zareo.
Hatramin'ny 20 Febroary 2020, 25 ireo vehivavy maty nisy namono noho ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na vavy tao Pero.
Ny dimy amby valopolo isanjaton'ireny famonoana ireny dia mitranga mandritry ny “fisipàna, fiaraha-mipetraka, fifandraisan'ny mpifankatia, sipa fahiny na vady fahiny” hoy i , Eliana Revollar, mpitondra tenin'ny mpiaro ny zon'ny vehivavy ao amin'ny birao peroviàna mpanelanelana. Araka ny lazain'ilay psikôlôgy Martha Rondón hoe:
… el hombre cree o hace creer que es el jefe de la familia y que debe “sancionar” a la mujer por no obedecer. Por eso la cela, por eso la controla y por eso en muchos casos, le quita la vida.
… ry zareo lehilahy mihevitra, na manao izay hinoan'ny hafa, fa ry zareo no lehiben'ny ankohonana, ary dia tsy maintsy “manafay” vehivavy iray raha toa ka tsy manaiky izy. Izany no antony mahatonga azy hanjakazaka amin'ny vehivavy, hifehy azy ary izany no antony, amin'ny tranga marobe, analàny ny ain'ny vavy.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...