- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Milazalaza ny fihoaram-pefy any am-ponjan'i Vietnam ny renin'ny bilaogera migadra Le Anh Hung

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Bilaogera Vietnamiana Le Anh Hung nosamborina fa “manararaotra ny fahalalahana demaokratika manitsakitsaka ny tombontsoan'ny fikambanana sy ny tsirairay.” Pikantsarin-dahatsary YouTube.

Ny lahatsoratra [2] dia avy amin'ny The 88 Project (tetikasa 88), tranonkalam-baovao miahy tena iray mitantara an'i Vietnam, ary navoaka ato amin'ny Global Voices indray araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Iray amin'ny endrika fihoaram-pefy ara-toetsaina any am-ponja Vietnamiana ny fandefasana gadra any amin'ny toeram-pitsaboana ara-tsaina tsy araka ny sitrapon'ireo gadra, na dia tsy nahitana soritr'aretin-tsaina toy izany aza ry zareo nandritra ny androm-piainany. Ohatra iray amin'izany ny raharaha [3] Le Anh Hung. Nohazonina [4] tany amin'ny toeram-pitsaboana marary saina nandritra ny folo andro [5] rehefa nosamborin'ny polisy tany amin'ny toeram-piasany i Hung tamin'ny taona 2013.

Nosamborina indray i Hung tamin'ny 8 Jolay 2018, araka ny Andininy 331 amin'ny Lalàna famaizana (heloka bevava) taona 2015 [6], fa hoe “manararaotra ny fahalalahana demaokratika manitsakitsaka ny tombontsoan'ny fikambanana sy ny tsirairay”. Nogadraina mialoha ny fotoam-pitsarana izy nanomboka tamin'io fotoana io.

Tamin'ny 1 avrily 2019, namindra tampoka an'i Hung tany amin'ny Hopitaliben'ny Fitsaboana marary saina ny antokon-draharahan'ny famotorana [7] ao amin'ny filaminam-bahoaka ao Hanoi. Tamin'ny 24 Avrily, rehefa nanao fizahana ny fahasalamany ara-tsaina ny toeram-pitsaboana, dia nafindran'ny manampahefana tany am-ponja indray i Hung, saingy mbola nalefa tany amin'ny hopitalin'ny marary saina indray izy tamin'ny volana mey. Mbola manjavozavo [8] ny antony hamezivezena azy hatrany toy izany.

Araka ny nolazain'ny fianakaviany [9], tao anatin'ny fizotran-draharaha, hita ho reraka dia reraka, kaozatra, ary tsy salama izy amin'ny ankapobeny, saingy nandrisika ny olona hihetsika amin'ny anarany ary hitaky amin'ny manampahefana hampitsahatra ny fanerena azy hotsaboina ara-tsaina.

Tamin'ny Jona 2019, nandefa [10] taratasy fangatahana tany amin'ny manampahefana ny renin'i Hung mangataka ny hamotsorana azy mba ahafahany mitsabo azy ao an-tranon'ny fianakaviana. Nilaza ramatoa fa niharatsy ny toe-pahasalaman'ny zanany ary latsaka ambany ny herin-tsainy rehefa noterena hotsaboina ara-tsaina ao am-pigadrana izy. Talohan'ny fanagadrana azy (anefa), nilaza ramatoa fa salama sy tomady i Hung, na ara-batana na ara-tsaina. Tsy hay hoe nanao ahoana izay ny nandraisan'ny manampahefana ny taratasy [11] saingy mbola migadra aloha i Hung.

Vao haingana ny The 88 Project (Tetikasa 88) no nitafa tamin-dRtoa Tran Thi Niem, renin'i Hung, amin'ny mahazo ny zanany amin'izao fotoana sy ny faniriany hitsabo azy ao an-trano. Niantso ny firaisamonina iraisampirenena izy hiteny hampamotsotra an'i Hung. Jereo [1] ny antsafa eto ambany:

Tamin'ny herinandron'ny 8 marsa 2020 ny namany mpiara-mikatroka, namoaka [12] fa niantso an-dreniny i Le Anh Hung hampahafantatra fa mbola nakarin'ny manampahefana indray ny daozin'ny fitsaboana saina omena azy, izay terena hohaniny tsy araka ny sitrapony. Voalaza fa noresahan'i Hung tamin-dreniny fa tena mamparary azy mafy ny fanafody, saingy tsy manana safidy afa-tsy ny mandray azy izy, ary niangaviany ny reniny hiantso ny firaisamonina iraisampirenena hampahafantatra ny mahazo azy.