- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanidy ny sisintaniny i El Salvador mba hisorohana ny tranga COVID-19 ary mety hisy ny fanambarana ‘hamehana’

Sokajy: Amerika Latina, El Salvador, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina

Pikantsarin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'i Nayib Bukele tamin'ny 11 Martsa 2020. Nalaina tao amin'ny: El Diario de Hoy [1].

Tamin'ny 11 Martsa [1], nanambara ny fanokana-monina ny firenena mandritra ny 21 andro [2], izay mety hohitarina ny filohan'ny El Salvador Nayib Bukele [3] mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina COVID-19 [4] any amin'ny firenena kely ao Amerikana Afovoany. Tsy mbola nahitana trangana COVID-19 voamarina tao El Salvador na dia nanontany momba ny maha-marina ity isa ofisialy ity aza ny mpanao gazety [5].

Naato avy hatrany ny fampianarana rehetra ary tsy fantatra mazava ny fomba hiatrehan'ny ray aman-dreny sy ny mpikarakara ny fampiatoana ny rafi-pampianarana. Etsy andaniny, mbola mitohy ny varotra iraisam-pirenena. Nambaran'ny governemanta fa hanokatra ivontoerana [6] izy ireo hanangonana sakafo sy kojakoja ho an'ny vahoaka atoka-monina .

Nanondro an'i Italia tao anatin'ny lahateniny i Bukele, izay nanidy trano ihany koa mba hisorohana ny fiparitahana any ivelan'ny sisintaniny. 17.660 eo ho eo ny olona tratran'ity viriosy ity hatramin'ny fotoana nanoratana ny teny anglisy [7] ary 1.266 no maty tany Italia.

“Ry rahalahy Salvadoreana, araka ny nolazaiko, ho tsikerain'ny maro ity fanapahan-kevitra ity, saingy averiko indray hoe: Inona no homen'i Italia mba ho eo amin'ny toerantsika?” hoy ny filoha Nayib Bukele.

Nanohy izy: “Tsy mitovy amin'ny an'i Italia ny rafi-pitsaboantsika, tsy mitovy amin'ny ambaratonga misy any Korea Atsimo.”

Notaterina [11] matetika tao amin'ny gazety noho ny tsy fahampian'ny fanafody, ny famatsiam-bola ary ny mpitsabo ny rafi-pitsaboana ao El Salvador.

Ny teratany, ny monina maharitra ary ny diplaomaty ihany no mahazo miditra ao amin'ny firenena androany (14/03) tany El Salvador. Tsy maintsy natoka-monina mandritra ny 30 andro [12] ny mpandeha izay noheverina fa avy any amin'ny firenena tandindonin-doza. Tamin'ny 12 Martsa lasa teo, nisy ny fifanjevoana tao amin'ny seranam – piaramanidina [13] iraisam-pirenena tany San Salvador, El Salvador satria voalaza fa nikasa niditra an-keriny tao amin'ny firenena ny olona.

Tamin'ny 13 Martsa, nanolotra didy hitsivolana miisa roa tamin'ny Antenimiera mpanao lalàna ny governemanta, izay, raha lany, dia hametraka ny Hamehana ho an'ny Firenena sy ny Fomba Fitondrana Manokana ao El Salvador, izay mametra [14] ny fahalalahana hivory malalaka sy ny fahalalahana mivezivezy.

Fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra sosialy

Nanohana ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ilay mpaneho hevitra Salvadoreana tao amin'ny YouTube, José Valladares, sy ireo Salvadoreana maro hafa tao amin'ny Twitter ihany koa .

Eny, tsara ny fanapahan-kevitry ny governemanta.
Ankehitriny, anjarantsika ny manaraka ny fepetra raisina amin'ny fahadiovana fa tsy misahotaka.
Aleo mivavaka mba hiverina amin'ny laoniny ny zava-drehetra.

Nasongadin'ilay mpandinika, Tiziano Breda, avy amin'ny ICG Vondrona Krizy Iraisam-pirenena fa miankina betsaka amin'ny fifampiraharahana ara-barotra [16] ny toekarena ao Amerika Afovoany, na izany aza mihevitra izy fa vahaolana tsara indrindra [17] ny fanapahan-kevitra noraisin'i El Salvador.

Ankehitriny raha efa saika tsy voasakana hiditra ao Amerika Afovoany ny Coronavid19 dia samy manana ny fomba famaliny ireo firenena ao amin'ny faritra, mandanjalanja ny fihazonana ny toekaren'izy ireo marefo amin'ny fisorohana ny fihanaky ny aretina.

Nidera ny fanapahan-kevitr'i Nayib Bukele ilay mpanao gazety Nikaragoiana nahazo loka ary mampitaha izany tamin'ny tsy fandraisan'andraikitr'i Nikaragoà tamin'ny fisorohana ny fiparitahana. Nokianiny ihany koa ny fomba nandavan'ny [21] Mnisiteran'ny Fahasalamana tao Nikaragoà ny fikarakarana ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny governemanta tamin'ny taona 2018.

Mitombina ny fepetra noraisin'i Nayib Bukele tao El Salvador, tsara kokoa ny misoroka toy izay mitomany  fahafatesana. Any Nikaragoà, toa tahaka ny manana soratra lehibe ny governemanta milaza hoe “TONGASOA RY CORONAVIRUS.”  Efa namela ny olona naratra ho faty nandritra ny famoretana tamin'ny 2018 ny rafi-pitsaboana, ary ankehitriny?

Etsy andaniny, nametra-panontaniana ny tanora Salvadoreana hoe ahoana ny fomba hanarahana ny torolàlana ara-pahasalamana raha toa ka tsy manana rano mandeha sy madio izy ireo. Nandalo krizin-drano [25] nandritra ny taona maro ny vahoaka tao El Salvador ary vao naika niharatsy izany tamin'ny volana Janoary 2020 [26].

Tian'izy ireo hanasa tànana matetika aho kanefa na ny rano mandeha aza tsy misy eto amin'ny manodidina anay.

Na izany aza, nahita fihetsika fandrendreham-bahoaka tamin'ny fanapahan-kevitra izay noraisin'i Bukele avy hatrany ilay mpampianatra sady mpikaroka mpiara-miasa ao amin'ny Oniversite Dartmouth, Jorge Cuéllar:

Mbola mieritreritra momba ilay didim-panjakana fanairana nataon'i Bukele mandritra ny 21 andro ihany aho izay manoka-monina an'i El Salvador ‘avy hatrany’. Vao maika nampisavoritaka ‘avy hatrany’. Tsy fomba tsara indrindra hiatrehana ny olana ny hamehana. Fampisehoana mandrendri-bahoaka ny ankamaroan'izany.

Mbola hitohy [28] ny fampodiana ireo mpifindra monina sy ireo mpitady fialokalofana avy any Etazonia sy Meksika, ka manjary miteraka ahiahy eo amin'ireo mpanandrateny sy manampahefana.

“Niantso ho amin'ny fampiatoana ny fandroahana an-keriny ny tompon'andraikitra iray ao amin'ny Ivontoeran'ny Mpifindra Monina Salvadoreana [29] raha eo am-piomanana amin'ny fiatrehana ny viriosy ny governemanta”, hoy ny tatitra [30] nataon'ny Latin America News Dispatch.

Miahiahy ireo mpisolovava sy ny manampahefana fa mety hanasarotra ny fahafahan'ny faritra hamehy ny coronavirus ny fahatongavan'ireo olona tsy tapaka nampodiana avy any Etazonia sy Meksika ho any Amerika Afovoany.

Namaly tamin'ny vazivazy ny Salvadoreana sasany.

View this post on Instagram

Gracias por protegernos presi @nayibbukele ?? [34]

A post shared by Humor Guanaco [35] (@humorguanaco) on

El Salvador amin'izao fotoana izao.

Zahao ny fitantaran'ny Global Voices manokana momba ny fiantraikan'ny COVID-19 manerantany [36].