- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava
[1]

Mpikambana ao amin'ny Altermidya sy ireo vondrona fampitam-baovao hafa nandritra ny fametrahana fitoriana ara-pitsarana ireo orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera. Loharano: Facebook

Vondrona fampitam-baovao maro no nametraka fitoriana ireo orinasan-teknolojia voampanga ho manome sehatra ahafahana manao fanafihana an-tserasera. Efa nanasonia fifanarahana ahitana filazana hiaro ny fahalalahan-gazety ireo orinasa ireo.

Tamin'ny Desambra 2018 ireo tranonkalam-baovao mahaleotena Bulatlat, Altermidya, Kodao, ary ny Pinoy Weekly no nitatitra [2] [mg] fa lasibatry ny fanafihana [3] (DDoS) ry zareo. Ampangain-dry zareo ny vondrona tohanan'ny fanjakana ho niaingan'izany fanafihana izay lazainy fa natao hanindriana sy hampangina ny vondrona fampitam-baovao izany. Nampifandraisin-dry zareo ny fikatonan'ny tranonkalan-dry zareo vokatry ny fanafihana sy ny fitotongan'ny [4] fahalalaham-pitenenana nandritra ny governemantan'i Rodrigo Duterte izay lasa filoha tamin'ny taona 2016.

Qurium, orina mpanasoa media miorina ao Soeda, no nanampy [5] tamin'ny fampitsaharana ny DDoS sy ny famantarana ny orinasan-teknolojia IP Converge sy Suniway ho niavian'ny fanafihana an-tserasera. Ny IP Converge dia Mpanome servisy Cloud miorina ao Filipina, raha manolotra [6] “fanohanan-tambajotra ho an'ireo orinasa shinoa sy filipino ao Filipina’’ kosa ny Suniway Group avy ao amin'ny Companies Incorporated, izay samy voasoratra ao Hong Kong sy ao Filipina.

Tamin'ny marsa 2019, nisy fitoriana [7] ady madio napetrak'ireo tranonkalam-baovao tratran'ny fahirano tamin'ny IP Converge sy Suniway.

Notohan'ny [8] Sendikà Nasionalin'ny Mpanora-gazety ao Filipina ny famenoana ny fitoriana [9]:

This civil action sends a clear message to those who seek to silence the independent Philippine media: Not only will you fail, we will fight back. We will fight back because we cannot allow you to deprive our people of their right to the information they need to chart their individual and collective futures, we cannot allow you to deprive them of their voice. We will fight back because no less than democracy and our basic freedoms are at stake.

Mandefa hafatra mazava ho an'ireo mitady hampangina ny fampitam-baovao mahaleotena ao Filipina izao hetsika ara-pitsarana izao: tsy hoe tsy nahomby ihany ianareo, fa hamaly izahay. Hamaly izahay satria tsy ho avelanay ho esorinareo ny zon'ny vahoaka hahalala ny vaovao ilainy mba hizorany mankany amin'ny hoaviny tsirairay sy iraisana, tsy ho avelanay ho esorinareo ny feon-dry zareo. Hamaly izahay satria tsy ny demaokrasia sy ny fahalalahana fototra ihany no mikatso.

Tsipahin'ireo orinasa ny filazana ary dia nametraka fitoriana ireo nitory ireo mpiampanga azy ireo ho manimba ny lazany koa ry zareo.

Nandritra ny kaoferansa mialoha ny fitsarana tamin'ny Septambra, nanaiky [10] ny IP Converge fa namoaka adiresy IP miisa 64 ho an'ny Suniway, izay notsongoin'ny Quirium ho niavian'ny fanafihana.

Tamin'ny In Febroary 2020, nivaha tamin'ny alalan'ny fanehoan'ny ankolafy rehetra andraikitra hiaro ny fahalalahan-gazety ny raharaha. Indro ny tsonga [11] avy amin'ny fanambaràna iombonana nataon-dry zareo nivoaka tamin'ny 24 Febroary:

[The parties] express their utmost respect and full support of press freedom as a constitutional guarantee and a tenet of a democratic society.

…..defendants commit to support a free press. Effective mechanisms to combat such attacks shall further be improved to prevent a repeat of this kind of situation.

Ambaran'[ny andaniny sy ankilany] ny fanajany tanteraka sy ny fanohanany feno ny fahalalaham-pitenenana ho fiantohan'ny lalampanorenana sy hevitra fototry ny fiarahamonina demaokratika… [ireo] voampanga hiadidy hiaro ny gazety afaka. Hohatsaraina ny fomba fiasa hiadiana amin'ny fanafihana tahaka itony hisorohana amin'ny fiverenan'ny toe-javatra tahaka izao.

Namoaka [12] fanambaràna mamariparitra ny vokany ho fandresen'ny fahalalahan'ny gazety ny Bulatlat:

This is a small victory in our fight for press freedom. We call on all tech companies not to allow their infrastructure to be used by enemies of the truth.

We will remain vigilant in countering cyber attacks and other forms of violations to our right to publish news and analyses relevant to the Filipino people.

Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana.
Mbola ho mailo izahay amin'ny fanoherana ny fanafihana an-tserasera sy ireo endrika fanitsakitsahana ny zonay hafa hamoaka vaovao sy hanao fanadihadiana mifandraika amin'ny vahoaka Filipino.

Tao amin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Global Voices i Ronalyn Olea, tonian'ny Butlatlat nanondro ny fifandraisan'ny raharaha amin'ny fanentanana iadiana amin'ny fanafihana antserasera mifandraika amin'ny fampitam-baovao.

The civil case filed by alternative media groups is the first case filed in relation to cyber attacks against the media. The parties to the case have pledged commitment to uphold press freedom and ensure mechanisms to prevent their infrastructure from being used by enemies of the truth. This also serves as a warning to cyber attackers that they cannot hide behind their VPNs forever.

Ity raharaha ady madio napetraky ny vondrona fampitam-baovao mahasolo ity no raharaha voalohany mifandraika amin'ny fanafihana antserasera nihatra tamin'ny fampitam-baovao. Nanonona ny adidiny hanandratra ny fahalalahangazety sy hiantoka ny fomba fiasa hisorohana ny fotodrafitrasany tsy ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana ireo ankolafy tafiditra amin'ny raharaha. Natao ihany koa ity ho fampitandremana ho an'ireo mpanafika an-tserasera fa tsy ho afaka hiafina ao ambadiky ny VPN mandrakizay ry zareo.

Nampian'i Olea fa manana fanafany ara-pitsarana ry zareo hiantohana ny fanajana ny fisorohana ny fanafihana an-tserasera:

The joint agreement is a binding agreement and we have submitted it to the court handling our case. It does not tie our hands from filing future cases if similar incidents happen again.

Fifanarahana mampifamatotra ny fifanarahana niraisana ary nametraka izany tamin'ny fitsarana misahana ny raharahanay izahay. Tsy mamatotra ny tananay tsy hametraka fitoriana izy ity raha misy indray ny tranga mitovitovy amin'izao.

“Endrika iray amin'ny fanentanana fotsiny ny fitoriana eny amin'ny fitsarana,’’ hoy i Olea talohan'ny nitenenany hoe:

The overwhelming support from press freedom watchdogs, digital rights advocates, fellow journalists, among others greatly helped in our campaign to uphold our right to publish

Nanampy betsaka anay tamin'ny fanentanana hanandratra ny zo hanao famoahana ny fanohanana safononoka avy amin'ireo mpiambina ny fahalalahan-gazety, mpanandra-tenin'ny zo nomerika, mpanora-gazety namana.

.