- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antsary: #8M Ny valo marsa nanerana an'i Amerika Latina

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

“Ary tsy ahy ny fahadisoana, na hoe taiza aho, na ny fiakanjoko,” tamin'ny sora-baventy iray nandritra ny #8M tao Quito, Ekoadaoro, 8 Marsa 2020. Saripikan'i Belén Febres, nahazoana alalana.

Nanao fihetsiketsehana ho fitandroana ny ainy sy ny zony ny vehivavy manerana ny gilaoby nandritra ny Andro Iraisampirenena ho an'ny vehivavy taona 2020. Nifantoka tamin'ireo diabe tany Amerika Latina, izay nahavory vehivavy an'hetsiny—raha misy manombana fa iray tapitrisa ny mpanao fihetsiketsehana [1] tao Santiago, Shily, fotsiny—ny lohateny nanerana izao tontolo izao [2]. Toherin'ny vehivavy ny famonoana (fandripahana) vehivavy, ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ny tsi-fitoviana (fiangarana) ary naborany ihany koa ny fanohanan-dry zareo ny zo hanala zaza.

Ireto sary eto ambany ireto dia nopihan'ny mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices.

Ekoadaoro

Vehivavy ao Quito, Ekoadaoro, manao tantara tsangana maneo sariohatry ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

#8M ao Quito, Ekoadaoro, 8 Marsa 2020. Saripikan'i Belén Febres, nahazoana alalana.

Brezila

Nifantohan'ny vehivavy ao Brezila ny taha avo amin'ny famonoana vehivavy misy ao amin'ny firenena, ny zo hanala zaza, ny zon'ireo te-hiova ho vehivavy, ny fanoherana ny fanorisorenana ara-nofo ary, mazava loatra—ny fanoherana ny filoha Jair Bolsonaro. Nialoha ny nifidianana azy tamin'ny taona 2018, nanao fanoherana ny vehivavy teo ambanin'ny teny tigetra hoe “(fa) tsy izy” [3] (“ele não,” amin'ny teny Paortiogey). Vao haingana i Bolsonaro nanao fanamarihana (manambany vehivavy) [4] hamelezany ilay vehivavy iray mpanora-gazety [4] nahazo loka raha niatrika fanentanana ankarihary (fanaratsiana) avy amin'ny mpanohana io filoha io ravehivavy.

Lasibatry ny mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny 8M ihany koa ny fampihenana (fanesorana) [5] ny politikam-panjakana nanampy ny niharam-boinan'ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ary maro ireo nanome voninahitra nahatsiaro an'i Marielle Franco—vehivavy mainty iray, mpikatroka sy politisiana izay maty nisy namono tamin'ny taona 2018. Hatramin'ny mason'andro androany mbola tsy voavahan'ny manampahefana ny raharaha momba azy [6] [mg].

#8M tao Belo Horizonte, Brezila. Hoy ny sora-baventy: “zon'ny vehivavy ny miaina tsy misy herisetra.” Saripikan'i Fernanda Canofre, nahazoana alalana.

#8M tao Belo Horizonte, Brezila: nanao amboradara ny anaran'ireo vehivavy nisy namono tamin'ny taona 2019 ny vondrona feminista iray. Saripikan'i Fernanda Canofre, nahazoana alalana.

#8M tao Belo Horizonte, Brezila: Marielle Franco, ilay vehivavy mpanolotsaina nisy namono efa ho roa taona lasa  izao, nahazo fahatsiarovana avy amin'ireo vehivavy nanao diabe. Saripikan'i Fernanda Canofre, nahazoana alalana.

#8M tao Belo Horizonte, Brezila. Hoy ny sora-baventy: “Aza atao voninkazo fa fanajana, fahamendrehana, fitenenana (feo) no tadiavinay!” Saripikan'i Fernanda Canofre, nahazoana alalana.

Shily

Tao Santiago renivohitr'i Shily, mihoatra ny iray tapitrisa ny vehivavy [7] nanao diabe an-dalambe tamin'ny 8 marsa.

Tany amin'ny faritra sasany tao an-drenivohitra, nanao famoretana tamin'ny diabe ny polisy, araka ny nolazain'ny naka ity sary ity. Nolazainy fa nandefa baomba mandatsa-dranomaso sy tafondro rano ny polisy taoriana kely monja nakany ity sary izay nopihana teo akaikin'ny Oniversiten'i Shily ity.

“Mamono mihoatra ny coronavirus ny herisetra atao amin'ny vehivavy,” #8M tao Santiago, Shily, 8 Marsa 2020. Sary nomen'ny mpandray anjara iray tsy te-ho fantatra, nahazoana alalana.

Na tao Shily na tany an-toerankafa tao Amerika Latina, toherin'ny vehivavy amin'ny alalan'ny nono voahosikosina mena sariohatry ny ra ny famonoana vehivavy.

#8M tao Santiago, Shily, 8 Marsa 2020. Saripikan'i Gabriela Mesones Rojo, nahazoana alalana.

Goatemalà

Tao Goatemalà ihany koa, nidina an-dalambe ny vehivavy. Toy izao ny fivakin'ny sora-baventy etsy ambany: “Faniriako mihitsy ny haha-rindrina ahy ka ho tohina ianao rehefa mikasika ahy tsy mahazo alalana ry zareo”.

#8M tao Guatemala City, Guatemala, 8 Marsa 2020. Saripika natolotry ny mpandray anjara iray tsy te-ho fantatra, nahazoana alalana.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Kolombia

Tao Kolombia, tamin'ny alalan'ny vatany ihany koa no nanaovany fihetsiketsehana.

#8M tao Bogota, Kolombia, 8 Marsa 2020. Saripikan'i Cacería Violeta, nahazoana alalana.

Meksika

Vehivavy ao Meksika manohitra ny taha avo amin'ny famonoana vehivavy sy ny filazana ho tsy fihontsonan'ny fanjakana [8].

#8M tao Mexico, Meksika, 8 Marsa 2020. Saripikan'i Anette Eklund, nahazoana alalana.

Vehivavy vazimba tao Meksika manohitra ihany koa ny herisetra, toy ireto vehivavy Otomi [9] ireto.

#8M tao Mexico, Meksika. Saripikan'i Giovanna, nahazoana alalana.

Bolivia

Tamin'ny 7 marsa ny vehivavy tao Santa Cruz de la Sierra, Bolivia no nihaona nanao diabe. Hoy ny sora-baventy aoriana hoe: “Arahabaina i Bolivia, isika no voalohany amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy noho ny machisme [fanjakazakana arahin-kerisetran-dehilahy].”

#8M tao Santa Cruz de la Sierra, Bolivia, 7 marsa 2020. Saripikan'i Belén Pereira, nahazoana alalana.

Fanohanana iraisampirenena

Tao Bruxelles, Belzika, naneho ny fanohanany ihany koa ny vehivavy Amerikana Latina. Hoy ny fivakin'ny teny aoriana: “Ho fanohanana ny fitokonam-pirenena avy aty Bruxelles #onedaywithoutus [Andro iray tsy misy anay].” Tamin'ny 9 marsa, nanao fitokonana ihany koa ny vehivavy avy ao Meksika [10]. Hoy ny fivakin'ny sora-baventy amin'ny ankavanana hoe: “Vehivavy iray miady. Miova ny hoavin'ny vehivavy rehetra.”

#8M tao Bruxelles, Belzika. Vondrom-piarahamonin'ny vehivavy Amerikana Latina. Saripikan'i Melissa Vida, nahazoana alalana.