- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena

Sokajy: Azia Atsimo, India, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Voina, Zon'olombelona
Locals in New Delhi protest against CAA CAB NRC [1]

Mponina nanao fihetsiketsehana nanohitra ny Fanitsiana ny Lalànan'ny Zom-pirenena sy ny Rejisitry ny Olom-pirenena. Sary tao amin'ny Wikipedia avy amin'ny DoiplomatTesterMan. CC BY-SA 4.0

Nivadika nahery vaika ny fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny ankilany niady hevitra momba ny zom-pirenena nanomboka ny 23 Febroary 2020 tany amin'ny distrika avaratra-atsinanan'ny renivohitr'i India. Mbola mitohy ny fihetsiketsehana ary nanomboka nivadika ho korontana [2] nanomboka tamin'izay. Nifanandrify tamin'ny fitsidihan'ny Filoham-pirenena Amerikana Donald Trump tao amin'ny firenena ny fifandirana ary nitarika [3] ny fahafatesan'ny sivily Miozolomana sy Haindò miisa 17 farafahakeliny [4], anisan'izany ny polisy iray. Maherin'ny 150 ny olona naratra, maro tamin'izany no naratra tamin'ny tifitra izay nolazain'ny mpanao fihetsiketsehana [5] fa avy amin'ny mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny CAA. Fiantsonan'ny metro miisa dimy sy sekoly vitsivitsy no mbola mikatona any Avaratra Atsinanan'i Delhi. Mbola mitohy ity fihetsiketsehana manohitra ny Fanitsiana ny Lalànan'ny Zom-pirenena (CAA) [6] izay nanomboka ny volana Desambra 2019 ity eo amin'ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.

Hatrany Shaheen Bagh ka hatrany Jaffrabad

Tamin'ny 22 Febroary, manodidina ny 200 ny vehivavy nivory [8] teo akaikin'ny garan'ny metro Jaffrabad any Avaratra Atsinanan'i Delhi ary nanomboka nanao fitokonana manohitra ny Lalanan'ny Rezisitry ny Olom-pirenena [9] (NRC) sy ny (Fanitsiana) ny lalànan'ny Zom-pirenena (CAA) [10]. Nosakanan'ny mpanao fihetsiketsehana ny fidirana tao amin'ny garan'ny metro sy ny làlana mifanakaiky teo, hetsika izay nampitoviana [11] tamin'ny fihetsiketsehana am-pilaminana Shaheen Bagh [12] izay mitranga any amin'ny faritra hafa any Delhi. Nitondra sainam-pirenena ary niantsoantso [13] ny teny faneva hoe “Azaadi (fahafahana) avy amin'ny CAA, NRC ” teo anoloan'ny polisy ireo vehivavy tao Jaffrabad.

Nakatona ny fidirana sy ny fivoahana tao Jaffrabad. Tsy afaka hijanona ao amin'io gara io ny lamasinina.

Nihabetsaka ny vahoaka tamin'ny 23 Febroary raha nisy fihetsiketsehana avy amin'ny mpanohana ny lalàna vaovao momba ny zom-pirenena notarihan'i Kapil Mishra, mpitarika ny antokon'ny fitondrana Bharatiya Janata [16] (BJP) ao an-toerana. Voalaza fa [13] nanome “fe-potoana farany” ho an'ny polisy tao Delhi i Misra mba hanokatra ny lalana nosakanan'ny mpanao fihetsiketsehana.

Namoaka fampitandremana ny mpitarika ny antoko eo amin'ny fitondrana narahin'ny polisy iray. Tsy nisy nanohitra azy – na ny polisy na ny antokony. 24 ora aty aoriana, nitombo ny herisetra tany atsinanan'i Delhi, toa reraka ihany ny polisy.

Nanomboka ny fifandonana rehefa nodarohana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny CAA ka samy nifampitoraka vato ny andaniny roa. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso [13] ny polisy mba hifehezana ny fifandonana.

Na izany aza, nitohy ny fifandonana ny ampitson'iny satria nisy tranganà [20] herisetra vaovao tany amin'ny faritra be mponina Miozolomana [2] teo akaiky teo.

LAHATSARY: #Chandbagh
Mirehitra i Delhi, izany no tadiavin'ny governemanta.

Nataon'ny elatra havanana ho faritry ny ady i Delhi!

Nitoraka cocktail molotov manerana ny arabe misy ny tranon'ireo Miozolomana ao Kabir Nagar ireo vahoaka Haindò.

Nitantara [28] ny zava-misy tamin'ny herisetra tao amin'ny lahatsoratry ny First Post ilay mpanao gazety Vijayta Lalwani:

As a shop was set ablaze in Delhi’s Maujpur area on Monday afternoon, a middle-aged man with a saffron tikka on his forehead repeatedly asked reporters to stop filming the arson. “Bade dinon ke baad Hindu jaaga hai,” he said. “Hindus have woken up after long.” He did not want to identify himself, other than as a supporter of the Citizenship Amendment Act. [..]

“Five police officials were filling stones in a battery rickshaw and sending it there [towards Maujpur Chowk],” said Kazim, a 30-year-old resident of Jaffrabad. “This is a conspiracy.” He alleged the police were on the side of the CAA supporters and were arming them for a future clash.

Rehefa nirehitra ny fivarotana iray tao amin'ny faritr'i Delhi ao Maujpur, ny alatsinainy tolakandro dia nisy lehilahy lehibe iray nitondra sora-baventy nosoratana jaky teo amin'ny handriny ary namerimberina nitaky ny mpanao gazety mba tsy haka sary intsony ny fandoroana fananana. “Bade dinon to baad Hindu jaaga hai,” hoy izy. “Nifoha ny Haindò rehefa afaka fotoana ela.” Tsy nampiseho ny endriny izy fa niseho ho mpanohana ny Fanitsiana ny Lalànan'ny Zom-pirenena fotsiny. [..]

“Polisy dimy no nameno vato tao anaty bajaj ary nandefa izany tany [Maujpur Chowk],” hoy i Kazim, 30 taona monina ao Jaffrabad. “Firaisana tsikombakomba.” Nilaza izy fa miandany amin'ny mpanohana ny CAA ny mpitandro filaminana ary nanome fitaovam-piadiana azy ireo ho an'ny fifandonana manaraka.

Nanadihady [29] ny mpanao fihetsiketsehana iray mpanohana ny CAA/NRC izay niaiky fa nandoro fasan'ny maherifo i  Srishti Srivastava ao amin'ny The Wire.in:

They (meaning the Muslims) have entered (India) only through the barbed wires. Just make a count of them. You know about Census; they should not be so many here. At least half of those who have been sitting (at the protest sites) have entered (India) through the barbed wires (meaning illegally).

Tamin'ny alàlan'ny fefy tariby ihany no nidiran'izy ireo (izany hoe ny Miozolomana) tao (India). Isao fotsiny izy ireo. Hainao ny momba ny fanisam-bahoaka; tsy tokony ho maro izy ireo eto. Farafahakeliny ny antsasak'ireo izay nipetraka (tany amin'ny toerana nisy ny fihetsiketsehana) dia niditra tao (India) tamin'ny alàlan'ny fefy tariby (izay midika fa tsy ara-dalàna).

Tamin'ny 25 Febroary, nitatitra ny Al Jazeera fa nisy namotika [31] ny moskea iray. Nodorana [32] ihany koa ireo magazay sy fiara anisan'izany ny kamiao mpamono afo tao Jaffrabad sy Maujpur .

Vaovao farany Ashok Nagar, Delhi tamin'ny 6 ora hariva: norobain'ny mpampihorohoro Hindutva ny moske raha niverina nijery indray ny tetikadiny tamin'ny fanapotehana tsy nisy henatra izy ireo. Nahita izahay fa tsy nisy na inona na inona nataon'ny polisy tao Delhi, ny HMO India, ny PMO India sy ny arvindkejriwal.

Tena tsy milamina ny toe-draharaha ao Yamuna Vihar. Hitanay ny fihetsik'ireo andian-dehilahy nirongo hazo sy vato. Nisy ny fandoroana fananana. Nosakanana tsy haka sary izahay. Renao any amin'ny faran'ny lahatsary ny olona miteny izany.

Nanome fialofana ho an'ireo fianakaviana Miozolomana izay nandositra ny vahoaka Hindutva tany NE Delhi ny Gurdwara.

(Tsy nomena ny toerana tena nisy azy ireo satria mety hampidi-doza ny Sikhs ihany koa izany. Ho lazainay amin'ny hafatra mivantana [DM] raha toa ka mila mandeha any ny olona)

Nanameloka ny herisetra ny Lehiben'ny Minisitra ao Delhi Arvind Kejriwal [43] ary nangataka [44] ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta ao an-toerana sy ny vahoaka mba hitandro ny filaminana izy. Nilaza ihany koa fa tsy ampy ny polisy ao Delhi hamehy ny herisetra.

Nizara ny heviny tao amin'ny tambajotra sosialy ny olona:

Tsy misy mpanao fihetsiketsehana mila korontana. Tsy misy mpanakorontana mila fihetsiketsehana.

Jereo ireto. Firy taona izy ireo? Ny voan'ny komonalisma sy ny fankahalana nafafin'ireo mpampihorohoro Hindutva, nitondra azy ireo teny an-dalambe niaraka tamin'ny vata-kazo! Ity taranaka maty eritreritra ity no hanapa-kevitra hoe iza no hitondra ny firenentsika! Diovy amin'ny fanapoizinana izy ireo, esory izy, fa raha tsy izany ho ratsy fiafara isika.

Ity no horonantsary mampatahotra indrindra hitako androany. Ratsy noho ny famonoan'olona tena izy rehefa nangataka ny vahoaka hitifitra ao anaty korontana ny parlemantera voafidy tao amin'ny antokon'ny fitondrana.
Eny izy no parlemantera BJP4India MLA abhay verma mpikambana ao amin'ny Laxmi Nagar

Mampalahelo fa tsy misy fahasambarana eny an-dalambe any ivelany, satria mankatoa ny herisetra ataon'ny mpanohana azy ny governemanta foibe ary mijery fotsiny ny fanjakana ary milaza fa mbola zava-dehibe kokoa ny rano sy herinaratra mora vidy noho ny aina, ny fitsipika na ny firindran'ny fiarahamonina.

Manavao mivantana ny vaovao momba ny fihetsiketsehana ny First Post [53] sy ny The Times Of India [54].

Vakio ny fitantaranay manokana Iza no hizaka ny vokan'ny demokrasia mitotongana ao India? [55] raha mila fanazavana fanampiny momba ny fihetsiketsehana manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena ao India.