- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lalao Olaimpika, sambany nandefa “gymnaste” i Trinité-et-Tobago saingy tsy ilay noeritreretinao

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanatanjahantena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2015)

Screenshot of a YouTube video of Trinidadian gymnast, Thema Williams, practising at her coach John Geddert's gym in the United States. [1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube iray mampiseho ilay Trinidadiàna vavy, Thema Williams, manao fanazarantena ao Etazonia miaraka amin'i John Geddert, mpanazatra azy.

(Fanamarihana avy amin'ny mpandika: ny fanatanjahantena rehetra resahana ato anaty lahatsoratra dia ny “gymnastique”)

Tsy nijanona ho amin'ny sehatry ny fanatanjahantena fotsiny ihany fa nahitàna fiovan-javatra tsy nampoizina [2] ilay resabe [3]manodidina iilay vehivavy hisolo tena an'i Trinité-sy-Tobago amin'ireo taranjam-panatanjahantena mandritra ny Lalao Olaimpika ho atao ao Brezila.

Famintinana fohy : tampoka teo ilay vehivavy trinidadiàna Thema Williams, nolazaina tany am-boalohany fa hisolo tena ny fireneny [4] amin'ilay JO hoavy, mandritra ny Rio Test Event,  dia nosoloina an'i Marisa Dick, izay sady manana zom-pirenena kanadiàna ihany koa. Tombontsoa ambony ho an'i Williams, noho ny ratra mahazo azy, no fomba nentin'ny Federasionan'ny fanatanjahantena ao Trinité-sy-Tobago (TTGF) nanohana io fanapahankeviny hanolo an'i Willimas io. Raha ny marina, io fanapahankevitra io dia noho ny  sariny iray mampiseho nono [5], hita tao amin'ny Instagram, izay niteraka fampiantsoana azy hiatrika ny kaomisionan'ny fitondrantena, herinandro vitsivitsy monja talohan'io fiovan-javatra io. Fa ny nahatsikaiky, fotoana fohy taorian'izay dia nivoaka tao amin'ny Snapchat ny sarin'i Dick, ilay mpifaninana aminy, tsy mitafy ny tapany ambony.

Marobe ireo niampanga [6] ilay fanesorana an-tery an'i Williams ho tsy ara-dalàna ; raha ny marina, nanandrana nanohitra io fanapahankevitra io ny mpisolovava azy talohan'ny nahatongavan'i Dick tao Rio, fa tsy nahovoka. Hatramin'ny fiverenany maimaika, nampitain'i Williams sy ireo miaraka aminy ny eritreritr [7]‘izy ireo hitory eny amin'ny fitsaràna ny TTGF ho fitakiana « fanoneram-pahavoazana sy fialantsiny noho ireo zavatra tsy nety rehetra » nataon'ny federasiona.  Manamarika [7]ny Wired868, ilay tranonkala miresaka fanantanjahantena sady nandrakotra betsaka momba ireo fivoaran'ity raharaha ity, hoe:

According to Williams’ contract with the local gymnastics body, she could only have been removed from the competition by the head of delegation after consultation with her coach, Geddert, and relevant medical personnel.
Marquez [the TTGF president] confirmed at a press conference […] that the TTGF did not tick all those boxes but countered that the body was forced at act swiftly in the interest of the sport, after concerns about Williams’ health.

Araka ny fifanarahana mampifamatotra an'i Williams sy ity sampana mpiadidy ny fanatanjahantena ao an-toerana ity, tsy afaka manilika azy tsy ho amin'ilay fifanintsanana ny lehiben'ny delegasiôna raha tsy efa avy naka ny hevitry ny mpanazatra azy, Geddert, sy ireo mpitsabo mahefa.
Marquez [filohan'ny TTGF] nanamafy nandritra ny tafa iray ho an'ny gazety […] fa tsy nahafeno ny masontsivana rehetra ny federasiona, saingy tsy maintsy nanao hetsika malaky ry zareo mba ho tombontsoan'ny fanatanjahantena, noho ny ahiahy manodidina ny fahasalaman'i Williams.

Nanaovan'ilay tranonkala sarinteny ihany koa ny momba ny fifandroritana tombontsoa [7]:

A posting on the International Gymnastics Federation (FIG) website, which was last updated in 2015, listed Dick’s coaches as Ovidiu Serban and Ricardo Lue Shue with Anita Pelletier as choreographer.
Lue Shue, who is the TTGF second vice president, and his wife, Donna Lue Shue, who is the assistant treasurer, were involved in the decision to replace Williams with Dick.

Nisy hafatra iray nivoaka teo amin'ny tranonkalan'ny Federasiona iraisampirenena ho an'ny fanatanjahantena, navaozina farany tamin'ny 2015, mamoaka an'i Ovidiu Serban sy Ricardo Lue Shue ho toy ny mpanazatra an'i Dick, ary Anita Pelletier ho toy ny mpiandraikitra ny soradihy hataony.
Lue Shue, filoha lefitra faharoa ao amin'ny TTGF, sy ny vadiny, Donna Lue Shue, lefitry ny mpitahiry vola, dia samy nandray anjara tamin'ny fandraisana ilay fanapahankevitra hanoloana an'i Williams amin'i Dick.

Amin'ny hetsika ataony eny amin'ny fitsaràna, ampangain'i Williams, ankoatra ny zavatra hafa, ny fanitsakitsahana ny fifanarahana nifanaovana tamin'ireo atleta, ny fitondràna mitanila, ny haratsian-toetra, ny fanomezana tombondahiny, ary ny fahavoazana aterak'ireny fanararaotana ireny. Nangatahan'ny mpisolovava azy ny hanamafisana ny fandraisany anjara amin'ireo lalao hoavy mandritra ny Lalao Olaimpika, ny hanambaràn'ny Kaomity Olaimpika ao Trinité-sy-Tobago ny maha-tsy araka ny lalàna ny hetsika nataon'ny TTGF, ary ny handraisany ny tambiny noho ireo fahavoazana naterak'izany, mifanaraka amin'ny vatsy natolotry ny Oniversite Michigan (izay nolavin'i Williams mba hahafahany manenjika ny nofinofy olaimpikany).

Nandritra izany fotoana izany, ny filohan'ny Kaomity Olaimpika ao Trinité-sy-Tobago, Brian Lewis, dia nanambara fa voarain'ny mpikarakara tsara mihitsy ilay fanamafisana nataon'ny Federasionan'ny fanatanjahantena ao an-toerana milaza hoe toerana iray ihany ho an'izay mendrika no anjaran'i Trinité-sy-Tobago any amin'ny JO. Hatramin'ny nanilihana an'i Williams tsy hanao ny Test Event, ny hany mpanao fanatanjahantena azo eritreretina sisa dia i Dick. Manana hatramin'ny 9 Mai ny federasiona hisafidianany vehivavy iray hisolo tena azy.

Androany , anefa, tao anaty fanambaràna iray izay tsy nampoizin'ireo rehetra mpisera ety anaty aterineto velively, nambaran'ny [8] Komity Olaimpika ao Trinité-sy-Tobago fa i Dick no hiatrika ireo lalao ao Rio.

Iarahan'ny rehetra mahafantatra fa izay mpanao fanatanjahantena mahazo ny isa tsara indrindra mandritra ny Lalaon'ny Commonwealth, ao Glasgow, no hisolo tena ny fireneny any Rio. Ary i Williams io atleta io. Mba tonga saina ve i  [9]Dick hoe mbola manana vintana izy ny handray anjara aminà JO ? Tafiditra [10] amin'izao fanapahankevitra izao ve ny Federasiona Iraisampirenen'ny fanatanjahantena, na amin'ny fomba ahoana na ahoana [11]? Mbola manana vintana ihany ve i  [12] Williams hisolo tena ny fireneny any Rio ?

Izay vintana hahatontosan'i Williams ny nofinofy olaimpikany izay no tena vao mainka mampiasa misimisy kokoa ny sain'ireo mpampiasa aterineto – mety mbola misy tara-panantenana kely ihany. Ny Wired868 nanontany [12]an'i Emir Crowne, ilay kanadiàna mpisolovava momba ny fanatanjahantena, izay nanambara fa:

‘There does exist a chance of Thema still going to the Olympics. There is a committee called the Tripartite Commission; and in every sport they deal with exceptions to the rule…The deadline to file that application was January 15. But they do allow late applications in exceptional circumstances. And I think it is safe to say that this is nothing short of exceptional circumstances.’

Mbola misy vintana azo ieritreretana ny handehanan'i Thema hiatrika ny Lalao Olaimpika. Misy kaomisiona iray antsoina hoe kaomisiona iraisan'ny telo tonta natao hisahana, amin'ny taranjam-panatanjahantena rehetra, ny tranga maningana tsy manaraka ny fepetra…Ny 15 Janoary no andro voafetra hanaovana fampakàrana, saingy io kaomisiona io dia afaka manaiky ny handraisana ireo fangatahana tara fotoana, ao anatinà trangan-javatra manokana. Ary mino aho fa azo atao ny milaza hoe trangan-javatra manokana no misy izao.

Ny kaomisiona iraisan'ny telo tonta ao anatin'ny Kaomity Olaimpika Iraisampirenena (FIG), afaka idirana avy amin'y alàlan'ny Komity Olaimpikan'i Trinité-sy-Tobago, no fanantenana farany ho an'i Williams, mandra-pilazan [8]‘ny filohan'ny rantsana trinidadiàna fa hoe :

The FIG [the international gymnastics body] has confirmed today that no name change or replacement is possible at this stage […] Any approach to the Tripartite Commission can only be made through the auspices of the TTOC with the endorsement of the Trinidad and Tobago Gymnastics Federation.

Nohamafisin'ny FIG androany fa tsy misy fanovàna na fanoloana azo atao intsony […] Ny Kaomity Olaimpika ao Trinité-sy-Tobago sisa no hany sisa afaka manao fampakarana any amin'ilay kaomisiona iraisan'ny telo tonta, miaraka amin'ny faneken'ny federasionan'ny fanatanjahantena ao Trinité-sy-Tobago.

Misy bilaogera vitsivitsy, anefa, mbola very fanantenana ihany ny amin'ny mety ho fahafahan'ny TTGF hiantsoroka tanteraka ny zavatra nataony. Araka [13]ny voalazan'ny bilaogy Square Peg :

It’s clear that – at best – the TTGF misstepped all over the place in their handling of this matter. They also misstepped in their assumption that this incredibly blatant… screwup… would go unnoticed by wider society. At this point, it would be less of an embarrassment for them to step down and avoid tarnishing T&T’s fledgling involvement in Olympic gymnastics any further.
Of course, that would require them to be more concerned with protecting the sport than with pushing their own agenda.

Mivandravandra izao fa betsaka ny hadisoam-pamindra vitan'ny TGFF tamin'ny fandraisana an-tànana ity raharaha ity. Solafaka ihany koa ry zareo raha nisaina fa hisosa tsy ho voamariky ny fiarahamonina manontolo io fihitsohany mibaribary be io. Hatreo, zavatra bitika tokony hataon'ireo ny mametraka filàna mba hisorohana ny tsy haharatsy endrika ny fanombohan'i Trinité-sy-Tobago mandray anjara amin'ireo taranjam-panatanjahantena olaimpika.
Mazava loatra, zavatra ilaina avy amin-dry zareo ny hiasa loha misimisy kokoa amin'ny fiarovana ny fanatanjahantena fa tsy ny tombontsoany manokana.

Vakio ny fandrakofanay manokana (amin'ny teny anglisy): Joy, Disappointment and Injustice at the Rio Olympics [14]