Miblaogy nofinofy : Fahasalamàna ara-tsaina sy vondrompiarahamonina salama
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktôbra 2009)
Any amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao, ny fanafody no mamaritra ny fahasalamana ara-tsaina. Tsy mivadika ho rarintsaina ny alahelo raha tsy izy efa ‘tsaboina’ aminà fanafody fitsaboana rarintsaina (antidepressants), ary ny ahiahy dia tsy afa-misaraka amin'ny fiainana; mandra-pisian'ny hoe misy pilina asaina hanina noho ny fikorontanana ateraky ny ahiahy sosialy, ary izany mihitsy, izay “ny aretin-tsaina mateti-pitranga indrindra ao Amerika, mahavoa olondehibe eo amin'ny 40 tapitrisa eo”, araka ny tatitra vao haingana navoakan'ny gazetiboky New York Times.
Eto Câmpulung Moldovenesc, tanàna kely iray ao avaratra-atsinanan'i Romania, manamorona ny Renirano Moldova, misy andianà mpikatroka mandrisika fanahy te-hifantoka amin'ny fahasalamany ara-tsaina fa tsy ny aretin-tsaina. Mandresy lahatra izy ireo mba hisian'ny fomba fijery iray mitodika mankamin'ny vondrompiarahamonina izay mampiaty ireo mpampiasa ny tolotra fahasalamàna ara-tsaina ho ao anatin'ny fiarahamonina, fa tsy ilay fanavankavahana sy fitsaratsarampoana mahazatra. “Meteza ho liana sy mifankahalàla amin'ny mpiray vodirindrina aminao,” hoy ny ambaran'ny pejy fandraisana eo amin'ny tranonkalan-dry zareo, “aza odiana tsy hita izy, aza ampitahorina, ampio.”
Ny fampahafantarana ny fahasalamàna ara-tsaina – ary tsy latsa-danja amin'izany ny fahasalamana ara-tsaina mifamatotra amin'ny fiarahamonina – dia vao eo am-panombohany miparitaka ao Romania amin'ny maha-firenena miaina tetezamita azy niala tamin'ny lasany Kaominista ho any amin'ny fidirany ho isan'ny Firaisambe Eoropeàna tamin'ny 2007.

Mpikambana ao anatin'ny tetikasa Mibilaogy nofinofy miaraka amin'ny tale mpanatanteraky ny Orizonturi, Gabriela Tanasan ary ilay mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny Peace Corps, Betsy Rowley.
Isaky ny Alakamisy tolakandro, ao anaty efitrano kely iray nomen'ny mpiadidy ny tanàna, mifamory hiasa hanatontosa ny gazetiboky momba ny haisoratra famoakan-dry zareo isambolana, A Fi, na “To Be” ireo mpikambana ao amin'ny Orizonturi Foundation. Nandritra ny taona lasa no nanarahan-dry zareo ihany koa ny fampiofanana nataon'i Ovidiu Marginean – psikôlôgy sady mpahay teknolojia avy ao an-toerana – mba hitantanana ireo bilaogy sy hampiasàna ireo tambajotra sôsialy hahafahana mizara ny tantarany ary hamolavolàna ny maha-izy an-dry zareo ety anaty serasera. Efa notaterin'i Juhie tany aloha tany ny fivoaran'ilay tetikasa arakaraky ny nandrosoany avy amin'ny hevitra mikatsaka ny lafatra ka lasa atrikasa fanofànana mpampiofana tao Bucharest sy kliobana fihaonana bilaogera isakerinandro, ary hatramina tetikasa fanohanana sy fanamafisana ilay tetikasa mihitsy aza. Noraketin'i Beth Kanter ireo zava-boalazan'i Gabriela tao amin'ny kaonferansa 2.0 iray tsy ikatsahana tombontsoa, nokarakarain'i Soros Romania.
Ireo mpandray anjara tena navitrika tamin'ny tetikasa “Mibilaogy nofinofy”, Ovidiu Loy, Geta, sy Olga Oana. Ovidiu Loy – izay niteny tamim-pahasahiana tany amin'ireo sekoly tao an-toerana momba ny tolona nataony hiatrehana ny fibobohana alikaola sy ny rarintsaina – dia namoaka lahatsoratra iray am-bilaogy tany am-piandohan'ity taona ity, nomeny lohateny hoe “Afaka!”.
Izaho dia lehilahy iray nokikisan'ny alikaola hatramin'ny fahatanoràko. Tena nankafy alikaola aho. Fantatro ankehitriny ny fiainana lavitry ny alikaola. Raisiko ho toy ny zavamahadomelina ny alikaola. Taona maro tany aloha, niezaka ny nijanona aho ary nanandrana namerina ny fiainako ho amin'ny toerana nisy azy fahiny.
Inona no nataoko? Nahita asa aho ary niezaka ny nampiroborobo ny tanànanay niaraka tamina ivontoerana iray: Academy Catavencu! Niezaka aho ny hamita fianarana mamily fiara. Nianatra nampiasa solosaina sy aterineto. Im-betsaka aho no efa nahavita namily samirery namonjy ny toerana fianarana mamily. Somary mikinangananga ihany izany hoe miala amin'ny alikaola izany! Betsaka ny olona nitsahatra tsy nandray anao intsony araka ilay maha-ianao anao fahiny. Vetivety ianao dia manova ny fomba fiainanao sy ny fitondrantenanao. Marobe no tsy hahafantatra anao.
Antenaiko hiova ho ahy ny zavatra rehetra ary ho vitako ny hanoratra zavatra tsara sy hampiseho ny mahatsara sy mahafinaritra ny fialàna amin'io zavamahadomelina io!
Ny alakamisy teo aho nahavitra nanatrika ny fihaonana isankerinandron'ny “Mibilaogy nofinofy”. Nanao famelabelarana fohy momba ny Global Voices sy sasantsasany amin'ireo tetikasa mahazo famatsiambola kely avy amin'ny Rising Voices. Avy eo izahay nanapaka hevitra ny hiaraka hamokatra lahatsary iray. Nanome sosokevitra ireo mpandray anjara ary nifidy tamin'ireo lohahevitra marobe mety ho azo raisina, toy ny hoe “ahoana no fahitàn'ireo Romaniàna zokiolona sy ny tanora ny firenen-dry zareo” ary “ny tantaran'ny tsena ao an-toerana.” Farany izahay dia nanao fifanakalozana hevitra momba ny “Orizonturi Foundation” sy ny mety ho dikan'izany ho an'ny tsirairay amin-dry zareo. Namorona takelaka tantara iray izahay ary nanao vangovango ankapobeny momba izay tian-dry zareo horesahana ao anatin'ilay lahatsary.
Cristiana Anca avy amin'ny ARET no nanao tamin-pitiavana ny dika amin'ny teny anglisin'ny lahatsary.
Na dia ny “Mibilaogy nofinofy” ao Romania aza no voalohany nampiasa ny media vaovao ho fampiroboroboana sy fampahafantarana ny fahasalamana ara-tsain'ny vondrompiarahamonina, nanomboka teo dia efa niparitaka lavitra ilay tetikady. Marihan'ny lahatsoratry ny New York Times Magazine fa misy “vondrompiarahamonina iray miroborobo ahitàna bilaogy miresaka ny rarintsaina,” isan'ireny ny vondrona bilaogy We Worry. Apetraky ny About.com ho anaty lisitra ireo tranonkala sy fitahirizana hafa miresaka bilaogy momba ny fahasalamàna ara-tsaina.
Araka ny nambaran'i Ovidiu Loy tamiko, afaka manome habaka ho an'ny olona tsirairay manana olana amin'ny fahasalaman'ny saina sy handraisana tsara an-dry zareo ireo bilaogy, tsy ahitàna ilay fanavankavahana atrehan-dry zareo isanandro ivelan'ny aterineto. Saingy, nampitandrina izy, ny aterineto dia mety koa ho lasa habaka iray fandosirana izay hanidy anao bebe kokoa tsy hifandray amin'ny fiarahamonina manodidina anao. Ambaran'i Loy fa nisy fotoana izy lasa diso niraikitra loatra tamin'ny aterineto ka nanadino ny tontolo ivelany. Ny dingana manaraka, raha ny fahitàna azy, dia ny mampiasa ny fandeferana sy ny fanekena hita ety anaty aterineto ho toy ny fitaovana iray sy tetikady entina hiatrehana ireo fitsaratsarampoana sy fanavankavahana izay mbola hita mameno ny tontolo ivelan'ny aterineto.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...