Lazaina ho nanitsakitsaka ny visa ny tonian'ny sehatra fampitam-baovao ara-tontolo iainana Mongabay dia nosamborina tao Indonezia

Philip Jacobson ao amin'ny tobin'ny polisy iray. Saripika avy amin'ny lahatsoratra Twitter an'i Andreas Harsono (@andreasharsono).

Nosamborina tao Indonezia tamin'ny 21 janoary 2020 noho ny lazaina fa fanitsakitsahana visa i Philip Jacobson, tonian'ny fikojakojana sy ny siansa ara-tontolo iainana ao amin'ny sehatra fampahalalam-baovao Mongabay.

Na izany aza dia mino ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny ny vondrona mpampita vaovao fa mifandraika amin'ny asany miaraka amin'ireo tantsaha tompotany izay nanao fanangonan-tsonia hangataka amin'ny governemanta hitsapa ireo orinasam-pambolena amin'ny anjara toerany mahatonga ny fahamaizan'ny ala ao Borneo izao fisamborana azy izao.

Tamin'ny 16 Desambra 2019 i Jacobson nanatrika fihaonan'ny vaomiera mpanao lalàna ao amin'ny faritanin'i Kalimantan Afovoany sy ny Fikambanan'ny Vahoaka Tompotany ao amin'ilay Vondronosy (AMAN), vondrona mpanandrateny amin'ny fiarovana ny zon'ny vahoaka tompotany lehibe indrindra ao Indonezia. Ady heloka bevava mahatafiditra ny tantsaha sy ny orinasa iray ity fihaonana ity.

Notazonin'ny polisy i Jacobson ny ampitson'io, noraofina ny pasipaorony, ary nilazana izy tsy hahazo hiala fa mbola eo am-pamotorana ny raharaha momba azy. Nosamborina tamin'ny fomba ofisialy izy ary voampanga ho nanitsakitsaka visa tamin'ny 21 Janoary. Raha meloka izy dia mety hiatrika fanasaziana am-ponja hatramin'ny dimy taona.

Gaga ny mpanorina ny Mongabay sady Filohan'ny Filakevi-Pitantanana rahateo, Rhett A. Butler, hoa nahoana no misy hetsika famaizana amin'ny lazaina ho raharaha ara-taratasy:

We are supporting Philip in this on-going case and making every effort to comply with Indonesia’s immigration authorities. I am surprised that immigration officials have taken such punitive action against Philip for what is an administrative matter.

Manohana an'i Philip izahay amin'ity raharaha ity ary manao ny ezaka rehetra nanaraka ny takian'ny manampahefana misahana ny fifindramonina ao Indonezia. Gaga aho raha nandray izao hetsika fanasaziana an'i Philip noho ny resaka ara-taratasy izao ireo tompon'andraikitry ny fifindramonina.

Nilaza ny Klioban'ny Masoivohon-gazety vahiny ao Jakarta fa tsy tokony heverina ho fanitsakitsahana ny visa ny fanatrehana fihaonana ao amin'ny toerana iray:

While we of course urge all foreign journalists visiting Indonesia to ensure they follow immigration rules, if a journalist is simply attending meetings or happens to be present during a news event this should not be cause for punitive action or detention.

Raha mandrisika ny vahiny mpanora-gazety mitsidika an'i Indonezia tokoa izahay mba hanarahany ny lalànan'ny fifindramonina, raha misy mpanora-gazety iray manatrika fihaonana na hita ho manatrika trangam-baovao iray dia tsy tokony hiteraka hetsika fanasaziana na fihazonana izany.

Ao Indonezia, efa hatramin'ny 17 Des no nohazononina noho ny lazaina ho raharaha mifandraika amin'ny visa i Phil Jacobson, tonian'i Mongabay. Nosamborina tamin'ny fomba ofisialy izy tamin'ny 21 janoary ary nogadraina tao Palangkaraya, Kalimantan Afovoany.

Miahiahy ny Fikambanan'ny Mpanoragazety tsy miankina (AJI) fa ny asan'i Jacobson teo aloha nandrakitra ny tolon'ireo tantsaha tompotany no mety ho antony anaovan'ny manampahefana hetsika tafahoatra aminy izao:

What the immigration office did showcases Indonesia’s reputation in a bad light abroad. Especially after treating a journalist excessively like this over administrative issues.

Mampiranty laza ratsy aty ivelany ny nataon'ny biraon'ny fifindramonina ao Indonezia. Indrindra raha manao zavatra tafahoatra tahaka izao amin'ny resaka ara-taratasy.

Fanambaràna ofisialy avy amin'ny tambajotran-tompotany “Rumah AMAN”. Mametraka “fandrahonana henjana amin'ny fahalalahan-gazety, demaokrasia ary ny zon'olombelona ao Indonezia” izao fisamboarana ny mpanangom-baovaon'ny Mongabay, Philip Jacobson, izao… Mitaky izahay ny hamotsorana azy avy hatrany.

Nampian'ny AMAN fa mifandraika amin'ny asan'ny Mongabay ao Indonezia ihany koa ny fisamborana an'i Jacobson:

Mongabay has helped raised our Indigenous “voice’ in Indonesia and throughout the world. In Indonesia, Mongabay is very consistent in uncovering corporate crimes including corruption regarding forest licenses, forest, and land burning by corporations. We presume that the arrest of Jacobson is related to Mongabay reporting on cases of environmental crime and criminalization of Indigenous Peoples.

Nanampy tamin'ny fanandratana ny “feon'ny (vazimba) tompotany ao Indonezia sy manerana izao tontolo izao ny Mongabay. Tena nahombiazana tokoa ny Mongabay tamin'ny famoahana ireo heloka bevava ataon'andian-jiolahy ka ao anatin'izany ny kolikoly amin'ny fanomezana lisansa amin'ny ala, sy ny fandoroan-tanety sy ala ataon'ny orinasa maro. Mihevitra izahay fa mifandraika amin'ny fitateran'ny Mongabay ireo heloka ara-tontolo iainana ireo sy ny fametrahana ny vahoaka tompotany ho jiolahy izao fisamborana an'i Jacobson izao.

Miresaka tokotanin-tsehatra bebe kokoa amin'ny tolona ataon'ny tantsaha tompotany ao Kalimantan ny Orina Mpanasoa Ranu Welum. Efa hatramin'ny Septambra 2019 ny tantsaha no nanao taratasy fangatahana tamin'ny governemanta mba tsy hitezitra amin'ny fomban'ny tompotany mandoro ala (isika Malagasy mahafantatra avy hatrany fa tavy izany) ao Borneo. Fa mandrisika ny manampahefana kosa ry zareo hanadihady ny asam-pandravana atao amin'ny fambolena voanio fakana menaka.

Let’s unite to make sure the authorities do what is necessary and not act in opposite. This way the issue of Indigenous Peoples Rights in Indonesia, especially Kalimantan, will be heard, and also to help Philip Jacobson released.

Andao hivondrona mba hahazoana antoka fa hanao izay tokony atao ny manampahefana fa tsy hanao izay mifanohitra amin'izany. Amin'izay no handrenesana ny olana amin'ny zon'ny vahoaka tompotany ao Indonezia, indrindra fa ny ao Kalimantan, ary mba hanampy amin'ny famotsorana an'i Philip Jacobson koa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.