Nitarika ny fieritreretan’ny firenena iray manontolo ary nanintona ny sain'ny governemanta ny fihetsiketsehana iray notarihin'ny vehivavy tao amin'ny vohitr'i Shaheen Bagh tao New Dehli, India. Haingana dia lasa fihetsiketsehana naharitra 24 ora izay nandraisan'ny faritra maro tao an-toerana sy vondrona mpikatroka maro hafa anjara ilay hetsika izay nipoitra avy taminà vehivavy silamo vitsivitsy nanohitra ny Rejisitra Nasionalin'ny Olompirenena (NRC) sy ny Didy (Fanovàna) Mikasika Ny Maha-olompirenena (CAA) tamin'ny 15 Desambra 2019.
Taorian'ny nametrahana ireo fitarainana momban'ny mpanao fihetsiketsehana sasany izany niteraka fitohanan'ny fifamoivoizana, tamin'ny 17 Febroary ny Fitsarana Avo tany India dia nanendry mpanelanelana mba hifampiraharaha mikasika ny famindràna ny toerana anaovana ny fihetsiketsehana . Kanefa, tsy vonona ny hilefitra ireo vehivavy avy tao Shaheen Bagh ary, nanontany ny vahoaka kosa hoe : “Raha toa ka afaka manao sorona be toy izany ho an'ity fihetsiketsehana ity isika, tsy afaka ny mba handefitra fanelingelenana kely mihitsy ve ny olona?”
Inona marina ilay atao ho Hetsipanoherana Shaheen Bagh?
Tamin'ny 12 Desambra 2019, navoaka ho lalàna ilay Didy (Fanovàna) Mikasika ny Maha-olompirenena (CAA). Manome zom-pirenena ho an'ireo mpitsoa-ponenana sy ireo mpifindra monina avy amin'ireo firenena manodidina izay ao anatin'ireo vondrom-pivavahana voafaritra manokana ny CAA; na izany aza, ahilik'izany lisitra izany ireo silamo. Heverina ho toy ny antambo ho an'ireo vondrompiarahamonina silamo vitsy an'isa ny CAA miaraka amin'ny fanolorana fanavaozana ny Rejisitra Nasionalin'ny Olompirenena (NRC) izay mitaky porofon'ny razambe amin'ny alalan'ny taratasy toy ny fanamarinam-pahaterahana. Raha toa ka tsy afaka ny manamarina ny maha-olom-pirenena azy ny silamo iray, izay mety ho sarotra noho ny tsy fahatomombanan'ny fotodrafitrasa mitahiry ireo antontan-taratasy, dia atahoran'ny maro ho very ny zom-pireneny ary, tsy toy ireo antokom-pivavahana vitsy an'isa sasany, tsy hanana fanomezandàlana hijanona eo amin'ny firenena.
Mamakia bebe kokoa: Mahatratra 27 ny tahàn'ny fahafatesana nandritra ireo hetsi-panoherana mikasika ny maha-olompirenena tany India
Mamakia bebe kokoa: Any India-n'i Modi, ampiasaina mba hanamarinana ireo fiovàna amin'ny lalàna mikasika ny maha-olompirenena ny kabary tsara lahatra manohitra ireo Bangladesh mpifindramonina.
Natosiky ny tahotra izy ireo hoe ho very ny trano sy ny zom-pirenena noho ireo fepetra vaovao ireo, vetivety dia lasa sehatra fanehoana ny tsy hafaliana manoloana ireo olana mamotika ny firenena ilay hetsipanoherana Shaheen Bagh. Lohahevitra vitsivitsy nisongadina nandritra ireny hetsipanoherana ireny ny tsy fananana asa, fahantrana, kolikoly sy ny fahasosorana amin'ny governemanta ankehitriny.
Hentitra nanoloana ny fahavononany ireo vehivavy nanao hetsipanoherana tany Shaheen Bagh ary nandà ny hiala teny an-toerana. Nanainga hetsika maro nitovy tamin'izany tany amin'ny faritra maro tao amin'ny firenena ireo fihetsiketsehana ireo noho ny fanehoan'ireo olom-pirenena voakasika tamin'izany ny firaisankinany tamin'ireo namany tao Delhi. Lasa ivontoerana fanaovana hetsipanoherena vaovao i Pune, Bangalore, Ludhiana, Prayag Raj ary toerana maro any India.
Hatreto aloha, nahazo ny fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana ary koa fanesoana avy amin'ireo sampana ao anivon'ny antoko eo amin'ny fitondràna ankehitriny izay nitazona ny hoe tsy hanimba ny tombontsoan'ireo vitsy an'isa ny CAA.
Dilip Ghosh, West Bengal BJP Chief on Delhi's Shaheen Bagh protest: During demonetisation, a lot was said about people dying in queues. Now,when women are sitting with children where the temperature is 4-5 degrees celsius, nobody is dying. What amrit (nectar) did they take?(28.1) pic.twitter.com/RN7UaNsYRN
— ANI (@ANI) January 28, 2020
Dilip Ghosh, Lehiben'ny BJP Bengal Andrefana tao amin'ny fihetsiketsehana Shaheen Bagh any Delhi: Nandritra ny fanafoanana ny fikirakirana vola, betsaka ny zavatra nolazaina nikasika ireo olona maty teny am-pilaharana. Ankehitriny, rehefa mipetraka miaraka amin'ny zanany ny vehivavy eny amin'ny toerana misy 4-5 °C ny maripàna, tsy misy ny maty. Amrit (nektara) inona no nosotroin'izy ireo? (28.1) pic.twitter.com/RN7UaNsYRN
— ANI (@ANI) 28 Janoary 2020
Na izany aza, olona maro no nivoaka mba ho fanohanana ireo vehivavy tao Shaheen Bagh.
This Shaheen Bagh !!
Protestors At Shaheen Bagh Donating Blood !
This Is Humanity & This Mass Revolution Is Against Every Machinery That Goes Against Humanity !
Shaheen Bagh Stand For Every Indian !
Shaheen Bagh The New Definition Of Humanity !!#शाहीनबाग_से_डरा_शाह pic.twitter.com/IRSTZ9X6ca
Famaritana Vaovao Ny Atao Hoe Maha-olombelona Ny Shaheen Bagh !!#शाहीनबाग_से_डरा_शाह pic.twitter.com/IRSTZ9X6ca
— Sanwar Ali (@AdvSanwar) February 18, 2020
Shaheen Bagh ity !!
Mpanao fihetsiketsehana any Shaheen Bagh Manome Rà !
Izany No Maha-olombelona & Ity Hetsika Lehibe Ity Dia Manohitra Ireo Fomba Rehetra Izay Mandika Ny Maha-olombelona !
Mijoro Ho An'ny Indiana Tsirairay Ny Shaheen Bagh !
Famaritana Vaovao Ny Atao Hoe Maha-olombelona Ny Shaheen Bagh !!#शाहीनबाग_से_डरा_शाह pic.twitter.com/IRSTZ9X6ca
— Sanwar Ali (@AdvSanwar) 18 Febroary 2020
Ezaka fanelanelanana
Vokatry ny fanangonantsonia napetraka noho ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny akaikin'ny toerana anaovana ilay fihetsiketsehana ny fanapahankevitry ny Fitsarana Avo amin'izao fotoana izao ny hanisaka ny fihetsiketsehana Shaheen Bagh. Na dia nanamarina ny zon'ny olompirenena amin'ny fanaovana fihetsiketsehana am-pilaminana aza ny Fitsarana Avo, namaritra tsara ihany koa izy fa tsy afaka miteraka fanelingelenam-bahoaka mandritra ny fotoana maharitra ny zo hanao fihetsiketsehana. Manana blaogy mivantana manavao tsy tapaka ireo ezaka fanelanelanana ny Times of India.
#ShaheenBagh Dabang daadi, Bilkis Bano (82yrs):
“The HM says he won’t move an inch back on CAA.
We also won’t harm a hair on anyone’s head,
but we won’t move until the law is removed”“Hamne Angrezon ko bhagaya tha, tum kya cheez ho?”
(We chased the British away, what are you)” pic.twitter.com/X3TFawa3pA— Einstein ?? (@DesiPoliticks) February 20, 2020
#ShaheenBagh Dabang daadi, Bilkis Bano (82 taona):
Milaza ny HM fa, na kely monja aza, tsy hihemotra amin'ny CAA ry zareo.
Tsy hikasika na singam-bolo iray amin'ny lohan'ny na iza na iza ihany koa izahay,
fa tsy hihetsika raha tsy esorina ilay lalàna”(Nohazainay hiala ny Britanika, ary ianao?)” pic.twitter.com/X3TFawa3pA
— Einstein ?? (@DesiPoliticks) 20 Febroary 2020
The Supreme Court has granted the women of #ShaheenBagh their right to protest, but has asked them to stop blocking traffic.
But, Shaheen Bagh is much more than just a protest site or a traffic jam
Watch #MintWideAngle with @AunindyoC pic.twitter.com/srGnBsp20G
— Livemint (@livemint) February 20, 2020
Nanome ireo vehivavy ao #ShaheenBagh ny zony hanao fihetsiketsehana ny Fitsarana Avo, fa nangataka azy ireo mba tsy hanakana ny fifamoivoizana intsony.
Fa, zava-dehibe ny Shaheen Bagh, mihoatra noho ny maha-toerana fanaovana hetsipanoherana na fitohanan'ny fifamoivoizana azy.
Jereo ny #MintWideAngle miaraka amin'ny @AunindyoC pic.twitter.com/srGnBsp20G
— Livemint (@livemint) 20 Febroary 2020
Tokony hamita ireo fifampiraharahana ireo mpanelanelana ary hanao tatitra any amin'ny Fitsarana Avo amin'ny 24 Febroary 2020 farafahatarany.
Mbola tsy fantatra raha ho voatery hikisaka ireo mpanao fihetsiketsehana fa notakian'ireo vehivavy ao Shaheen Bagh ny hahazoany toerana ao anatin'ny boky firaketana ny hetsi-panoherana tao India nandritry ny taona .
Jereo ny pejy fandrakofana manokana an'ny Global Voices “Iza no mandoa ny vidin'ny demokrasia am-pitontonganana any India?“