- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary amin'ny fifaninanana mively amponga vy (steel pan) nandritra ny Fetiben'i Trinité-sy-Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

 

Ny “Renegades Steel Orchestra” teny ambony sehatra nandritra ny manasa-dàlana tamin'ny fifaninanana nasiônaly “Panorama” tao amin'ny seranan'i Espaina, Trinidad, 9 Febroary 2020. Sary an'i Maria Nunes, naverina navoaka rehefa nahazoana alàlana.

[Raha tsy misy filazàna mifanohitra dia mitondra ho aminà pejy amin'ny teny anglisy ny rohy rehetra.]

Iray amin'ireo teboka lehibe amin'ireo fankalazàna ny Fetibe [1] isantaona fanao ao Trinité-sy-Tobago ny fifaninanana mozika Panorama [2], ifanandrinan'ireo orkesitra tsara indrindra mpively steel pan [3] [zavamaneno fively foronina avy amin'ny barika vy] ao amin'ny firenena. Milalao ireo gadona calypso malaza ireo orkesitra ireo, na gadona ‘soca’, manaraka fandrindràna zavamaneno natao manokana mihitsy ho an'ilay vondrona ary isehoan'izay fiovaovàna mampiavaka azy.

Hatramin'ny nanokafana azy tamin'ny 1963 no ikarakarana ilay fifaninànana isantaona, afa-tsy tamin'ny 1979 izay nanaovana ankivy azy [4] ho endrika fihetsika firaisana hina tamin'ilay mpisava làlan'ny steelband, i Rudolph Charles [5], tamin'ny tolony hahazo ny haja sy ny fankatoavana mendrika an'ireo mpilalao steelpan.

Sokajy telo no ifaninanan'ireo tarika mpanao mozika (madinika, salantsalany, goavana) arakaraky ny haben'ilay orkesitra. Misy ihany koa sokajin'ny pan solo sy fifaninanana Panorama ho an'ireo sekoly ambaratonga fototra sy faharoa.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, raha tokony hoe nikarakara ireo dingana tsirairay amin'ilay fifaninanana ho eo aminà toerana lehibe sy tokana toy ny Queen's Park Savannah [7] ao amin'ny Seranan'i Espaina, dia tany amin'ireo pan yards – toerana any anatin'ny vondro-piarahamonina ny izay foiben-toeran'ireo orkesitra – no nalehan'ireo mpitsara mba hanomezana isa nandritra ny dingan'ny savaranonando tamin'ilay fifaninanana. Mahasarika vahoaka marobe hatrany ireny fifaninanana ireny, sy ireo mpankafy ny mozika pan mitsidika ireo pan yards marobe mandritra io vanim-potoana io, mba hanohanana ireo tarika ankafizin-dry zareo sy handrefy ny lentan'ireo mpifaninana.

Na izany aza, ny hetsika steel pan tena ihazakazahana be ny hanaraka azy dia ny manasa-dàlana amin'ny Panorama, izay ahafahan'ireo mpankafy manatrika karazana seho an-tsehatra maro karazana any anatin'ireo faritra voatokana ho an'ny mpijery, ary mifangaroharo amin'ireo tarika, amin'ilay endriny antsoina hoe “The Drag” — ilay faritra mitondra anao mankeny amin'ny sehatra fototra ilaharan'ireo tarika, arakaraky ny nandaharana azy hiseho an-tsehatra sy hanao famerenana ary hilalao ny anjarany. Ampian'ireo mpankafy ihany koa izy ireo hanosika sy hitaona ny fitaovana ho eny ambony sehatra, izay apetaka amina fitambaran-tsehatra maro afaka afindrafindra sy misy tafo. Mifaninana hahazo toerana any amin'ny famaranana ireo tarika ireo, samy manantena ny hahazo ilay loka manandaza indrindra amin'ny mozika steel pan.

Toy ny isantaona, nanatrika manasa-dàlana nasiônaly tamin'ilay fifaninanana Panorama natao tao Queen's Park Savannah tamin'ny 9 Febroary ilay mpakasary  Maria Nunes [8], manasa-dàlana izay nivondronan'ireo orkesitra steel pan salantsalany sy goavana. Ity ny topimaso tamin'ny volom-pety nanjaka tao. Miaraka amin'ny fanomezany alàlana tam-pitiavana no namerenana namoaka etoana ireo  sary mampitolagaga [9] an'i Maria Nunes :

Ramatoa iray milalao ny beso ao anatin'ny tarika steel band Trinidad All Stars nandritra ny famerenana teo amin'ny “The Drag” mialoha ny hiakarana sehatra ho amin'ny manasa-dàlan'ny Panorama. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Ny orkesitra steelpan Trinidad All Stars, teny ambony sehatra nandritra ny masada-dàlan'ny Panorama 2020 tao Trinité-sy-Tobago.  More Sokah an'i Naila Blackman no nolalaovin'ny tarika,  i Leon “Smooth” Edwards no nandrindra, ary nahazoany ny laharana fahadimy tamin'ireo 14 tao anatin'ny sokajy “orkesitra goavana”. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Desperadoes, iray tamin'ireo orkesitra goavana tena ankafizin'ny olona, niaka-tsehatra nandritra ny manasa-dàlan'ny Panorama 2020. Ireo “Despers”, araka ny fiantso am-pitiavana ataon'ny mpankafy azy, dia niangaly ihany koa ny More Sokah de Nailah Blackman ; i Carlton “Zanda” Alexander no nandrindra ny azy ireo ary toerana faharoa no azon'ilay tarika. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Ireo mpankafy ny Desperadoes manampy amin'ny famoahana ny sehatra an'ireo filanjàna nametrahana ireo steelpans tao Queen's Park Savannah, taorian'ny seho nataon'ilay tarika nandritra ny manasa-dàlan'ny National Panorama tamin'ny 9 Febroary 2020. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Len “Boogsie” Sharpe, mpandrindra, mitarika ny orkesitra “steelpan Phase II” nandritra ny manasa-dàlan'ny National Panorama 2020. Ny 2020 Vision an'i Olatunji Yearwood no nolalaovin'ilay tarika, nahazoany ny laharana fahefatra. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Ny laharana volohany amin'ireo mpilalaon'ny Phase II, ahitàna ireo mpilalao ny feo fahatelo (ténor) sy ny “double seconds”, diboky ny hafaliana teo am-pilalaovana ny anjaran-dry zareo nandritra ny manasa-dàlan'ny National Panorama 2020 tao amin'ny Seranan'i Espaina, Trinité, ny 9 Febroary. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Ny “efitranon'ny milina” an'ny tarika steelband iray, ahitàna ireo zavamaneno fively, dia sakelika kely iray mametraka ny gadona sy ny famindran'ny fampisehoana. Ireo Supernovas no resahana eto : ny Dear Promoter no hira nosafidian-dry zareo ho an'ny manasa-dàlan'ny Pan 2020, fiarahana miasa teo amin'i Voice sy Kes samy mpihira soca, narindran'i Amrit Samaroo. Tonga tamin'ny laharana fahenina ilay orkesitra. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Vehivavy iray hafa mpively ny beso, fa amin'ity indray mitoraka ity dia an'ny tarika Tropical Angel Harps, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ny manasa-dàlan'ny Panorama. Ny More Soca an'i Nailah Blackman no niantefan'ny safidin'ilay tarika, narindran'i Clarence Morris, ka nahazoan'ny tarika ny laharana fahafolo tamin'ireo orkesitra 14 goavana. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Renegades, tarika iray hafa steelband manana mpankafy marobe, niangaly ny Wrong Again an'i  Skinny Banton nandritra ny manasa-dàlan'ny National Panorama tamin'ny 9 Febroary 2020.  Duvone Stewart no nanao ny fandrindràna. Babon'ilay orkesitra ny fon'ireo mpitsara, izay nanome azy ny toerana voalohany tamin'ilay fifaninanana. Sary an'i Maria Nunes, nomeny alàlana.

Ny 22 Febroary 2020 no nanaovana ny famaranana ny fifaninanana Panorama.