- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Môzambika: YouTuber nisy naka an-kery rehefa avy niampanga ‘mpaminany’

Sokajy: Mozambika, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Saripika, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

pikantsary avy ao amin'ny pejy YouTube an'i “Beleza em pessoa.” Avy amin'ny mpanoratra

Ny 5 Febroary, nisy naka an-kery ilay Môzambikàna YouTuber, Arsénio Amós, izay heverina fa valifaty noho ny iray tamin'ireo lahatsary navoakany. Noho ny fanampian'ny polisy dia navotsotra ny ampitson'io ihany izy.

Fantatra ety anaty tambajotra amin'ny hoe “Beleza em Pessoa”, Arsénio dia fantatra amin'ny firesahany anaty hanihany ao anatin'ny fantsony [2] an'ireo olana samihafa, amin'ny fametrahana ny tsindrimpeo eo amin'ny fiainana sôsialy sy pôlitika ao Môzambika. Manana mpanjohy maherin'ny 80.000 ny fantsony “Arte & Vida” (Kanto sy Fiainana), mahatonga azy ho iray amin'ireo pejy Youtube malaza indrindra ao amin'ny firenena.

Tany anatin'ireo lahatsary vao haingana, nanehoan'i Arsénio hevitra ny fomba fanangonana harena nataon'ilay Môzambikàna nilaza ny tenany ho “mpaminany”, tamin'ny lainga mikasika ny fampianaram-pinoana ataon-dry zareo. Ifantohan'ny [3] iray amin'ireny ny tsy fetezan-javatra amin'ny hetsika ara-pinoana ataon'i Joe Williams, môzambikàna iray mpaminany, izay voarohirohy amin'izao fotoana izao tamin'ilay fakàna an-kery an'ity Youtuber ity.

Ny 6 Febroary, taorian'ny fakàna an-kery an'i Arsenio, nifampizaràna nameno ireo tambajotra sôsialy ny rakipeo [4] iray voalaza ho an'i Williams izay andrenesana azy manao ramatahora an'ilay tanora Youtuber.

Ao anaty lahatsary iray hafa, asongadin'ilay Youtuber ny zavamisy hoe tsy tian'ny sasany amin'ireo milaza azy ho “mpaminany” ny fantsony” ary naharay fandrahonana ho faty izy.

[5]

Pikantsary tamin'ny gazety Notícias, 7 Febroary

Andro vitsy taorian'io, nanomboka niely ireo sary nahitàna an'i Arsénio Amós nifatotra rojovy tao amin'ny biraon'ny polisy tao Maputo. Any anatin'ireo sary no afaka nahitàna an'i Joe Williams tonga niresaka tamina manamboninahitra iray ao amin'ny polisy.

Ny 7 Febroary, nitatitra ny Notícias, gazety lehibe ao amin'ny firenena, hoe noho ny resaka fikasàna haka an-kery dia nosamborin'ny polisy ilay “mpaminany”. Nambaran'ny polisy fa efa narahan-dry zareo ireo fihetsika rehetran'ilay “mpaminany”, ary nisy ireo mpanome vaovao tsy notononina anarana nampandre azy ireo fa ao anaty fiara iray no misy an'ilay “mpaminany” sy ilay Youtuber nalainy an-kery.

Tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity, mbola voatazona tao amin'ny biraon'ny polisy i Williams. Izy no voalohany ahiahiany ho tao ambadik'ilay fakàna an-kery, ary koa ho hadihadiana mikasika ny kolikoly sy ny fanangonana harena amin'ny fomba tsy ara-dalàna.

Tsy tranga manokana ho an'i Môzambika io resaka “mpaminany” io, satria misy ihany koa tatitra avy any amin'ireo firenena afrikàna marobe [6]. Mampanantena fanasitrànana aretina sy fitsanganana amin'ny maty ry zareo, ary amin'ny ankapobeny dia mifandray aminà fiangonana tsy fanta-piaviana.

Fotoana fohy taorian'ilay tranga, asehon'ireo sary niely ilay Youtuber voatampina taratasy fandraikitra (ruban adhésif) ny vavany, izay nahatonga fanehoankevitra [7] avy amin'i Zarito Mutana, mpampiasa Facebook:

Muito triste que fizeram com o Blogueiro “Beleza em pessoa” recebi muitas fotos que nao dignifican [sic] a nossa polícia, aquilo parece se, ser um rapto que uma detenção, espero estar errado porém, acho que trata-se de uma vingança do Joe William contra o jovem.

Alguém deve parar esse mostro, alguém deve parar de chamar este mostro nas TV`s, alguém deve dizer basta ao Joe William…

Tena mampalahelo ny nanaovan-dry zareo an'ilay Youtuber ” Beleza em pessoa”…Enga anie aho ka ho diso, fa hevitro ny hoe valifatin'i Joe William amin'ilay tovolahy io.

Tokony hisy olona hisambotra an'io olondoza io, tokony hisy olona hanakana ny fiantsoana io olondoza io tsy hiakatra fahitalavitra, tokony hisy olona hiteny fotsiny izao amin'ny Joe Williams hoe “ampy izay”…

Nokianin'ilay politisiana sady mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalaivitra, Domingos Gundana [8], ny fomba nitazonana ilay Youtuber.

NÃO ALGEMEM A LIBERDADE DE EXPRESSÃO!

Bom dia amigos meus e amigos de meus amigos, espero que esteja tudo bem com cada um de vocês, onde estiverem.

Estou postando as imagens abaixo desta escrita com profunda indignação, apesar de não ter todos os detalhes dos contornos que levaram ao tal Profeta a sair da essência do ser homem de Deus para o mundano.

Mas porque as imagens já rodam o mundo, torna dificil, ficar indiferente. Já se previa que o jovem tal Profeta, disso não é, mas pelo menos se sabe que ele conhece a palavra de Deus, e se isso for verdade, então se esqueceu do dito, ” PERDOAI A QUEM VOS TEM OFENDIDO, PARA QUE O VOSSO PAI DO CEU, POSSA PERDOAR AS VOSSAS OFENSAS” ou a outra ” AQUELE QUE NUNCA PECOU, ATIRE A PRIMEIRA PEDRA”.

Imagine se o Nyusi, Guebuza, Chisaano, Dhlakama ou Ossufo, saissem por ai a processar ou mandar prender todos os que lhes falam cada coisa, as cadeias ja nao tinham espaços .

Imagine se os Bispos da Universal fossem assim, saindo por ai a processar cada pessoa que os fala contra ou contra suas acções e de suas Igrejas.

Este tal de Profeta, vai calar a boca de todos nesta pátria? Mas ele é o primeiro que chama os irmaos de futxeka, de pobres, e faz videos estupendos.

Libertem o jovem Beleza em pessoa e deixem ele fazer o seu trabalho de informar.

Viva a liberdade e abaixo ignorância.

Lord bless

AZA FATORANA NY FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA

Alaivo sary an-tsaina hoe tahaka izany ireo mpitondra fivavahana rehetra eto an-tany, mandeha mitety manenjika ireo rehetra miteny manohitra izay lazainy na ny ataony sy ireo ao amin'ny fiangonan-dry zareo.

Ity lazaina ho mpaminany ity, handeha hanakombona ny vavan'ny tsirairay ao amin'io firenena io ve lery ? Nefa izy no voalohany miantso ireo rahalahiny hoe “futxeka”, olona mahantra, ary manao lahatsary mipoapoaka.

Avotsory ilay tovolahy Beleza em Pessoa dia avelao hanao ny asany mampahafantatra [ny vahoaka].

Ho ela velona ny fahalalahana maneho hevitra, matesa any ny tsy fahalalàna.

Fanehoankevitra [9] iray mitovitovy amin'izay no nataon'ny mpanao gazety sady mpahay tantara, Euclid Flavio:

ÁPICE DO ANADMISSIVEL

Penso que o Profeta joel williams [10], já esta a exagerar. Nestas imagens podemos ver o Blogueiro DA BELEZA EM PESSOA, submetido a situações de tortura antes de chegar nas autoridades de Justiça, supostamente porque o Blogueiro, terá manchado a HONRA E BOM NOME do nosso Profeta.

Isto não podemos admitir. Que se faça algo. É preciso compreender que Da Beleza não é assassino, é um profissional “Honesto”. Isto não. Repito: não.

NY FARATAMPONY AMIN'NY TSY AZO EKENA

Izaho mihevitra fa diso manao tafahoatra sahady ity mpaminany Joel Williams ity. Any anatin'ireny sary ireny isika dia afaka mahita ilay Youtuber BELEZA EM PESSOA, ampiharana fampijaliana talohan'ny nahatongavan'ireo manampahefana avy amin'ny Fitsaràna, heverina ho noho ilay bilaogera voalaza fa nandoto ny VONINAHITRA SY NY ANARANA TSARAn'ilay mpaminantsika.

Tsy azontsika avela hisy ny toy io. Misy zavatra tsy maintsy atao. Mila fantatrao fa tsy mpamono olona i Beleza, matianina mijoro amin'ny “fahamendrehana” izy. Tsy ilaina izao. Averiko indray, tsia.

Be ny resaka mandeha momba ny fiavian'ny haremben [11]‘i Williams, izay mbola tsy fantatra foana.

Ny hafa manosoka ny hevitra hoe ho valifaty, tsy noho ireo kiana nataon'ilay Youtuber, fa noho ny tsy fahatontosan'ny voalaza fa fifanarahana nisy teo amin'ilay “mpaminany” sy Arsenio mba hilaza zavatra tsara momba azy ao amin'ny fantsony, no nahatonga ilay fakàna an-kery, na dia resaka mandeha fotsiny aza aloha izany. Ilay mpanao gazety, [12] Virgílio Conjo, no nampivoitra ny mety hisian'io:

Contractar serviços de acessória de imagem é normal. Mas, tal deve ser feito dentro de um contracto com as cláusulas bem definidas: objectivo comunicacional, Target, formatos e por aí.

Os blogueiros, apresentadores de Rádio e televisão estão a prestar um mau serviço de acessória as figuras públicas em benefício das soupinhas. O que eles não sabiam é que um dia o feitiço vira contra o feiticeiro.

Eles, durante muito tempo ajudaram JW a sair das merdinhas nem!… e, não tardou, não tendo mais espaço para tanta merda JW atacou os próprios blogueiros…

Zavatra mahazatra ny manao fifanarahana tolotrasa mba hanatsaràna ny sarin'ny tena. Saingy, tokony hatao anaty fenitry ny fifanarahana misy votoaty voafaritra tsara izany: ny tanjon'ilay fampitàna, ny lasibatra, ny endriny sy ny sisa….

Tsy dia miditra amin'ny fandraisana fanomezana mba hanaovana fanatsaratsaràna ny sarin'ireo endrika fanta-bahoaka loatra ireo bilaogera sy ireo mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra. Ny tsy fantatr'izy ireny dia, indray andro any, hitodin'ny nataony ireo mpamosavy.

Hatry ny ela ry zareo no efa nanampy an'i JW tsy ho tototry ny tay… ary, tsy misy hatak'andro, mba tsy hahabe loatra ny tay mandifotra azy, tafihan'i JW ireo bilaogera…