- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mustangs ny any Amerika Avaratra, ny soavaly dia ao Livno , Bosnia Herzegovina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara
[1]

Soavaly dia ao Livno, Bosnia Herzegovina. Sary an'i Armin Durgut/Balkan Diskurs, nahazoana alàlana ny famoahana azy.

Tany am-piandohana ity lahatsoratra nosoratan'i Sanela Tufekčić ity dia nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Balkan Diskurs [2] [angl], tetikasa iray natomboky ny ivontoerana fikarohana rehefa aorian'ny fifandonana [3] [angl] (PCRC). [4] Naverin'ny Global Voices navoaka etoana ny dika nasiam-panovàna, ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Eny am-pototry ny tendrombohitra Cincar [5], tsy lavitra ny tanànan'i Livno ao atsimo andrefan'i Bosnia Herzegovina, no toeram-ponenana ho anà soavaly dia miisa 400. Efa ho 50 taona mahery, nizatra ny toetany henjana izy ireo ary afa-bela tamin'ireo mpihaza sy ny bibidia mpiremby azy. Eo aminà kijàna midadasika be sy ala, mitambatra ho zavatra iray tokana an-tany mahatalanjona ao amin'ny faritr'i Eoropa ireo zava-mananaina ireo.

Tsy misy hafa amin'ireo mustangs [6] any amin'ny lemaka ao Amerika, ireto taranaka biby nompiana ireto dia nafaran'ireo Espaniôla mpanjanaka avy any Amerika Avaratra ary niverina amin'ny fiainana anivon'ny natiora. Raha ny marina ireo soavaly dia ao Livno dia soavaly mpihenjy [7]. Ny hany karazana soavaly tena azo lazaina fa dia ary mbola misy amin'izao fotoana izao dia ny soavalin'i Przewalski [8] [fr], na ny soavaly dian'i Mongolia, karazana iray tsy fahita firy sy an-dalam-paharinganana, avy any amin'ireo lemaka ao Azia Afovoany.

Hatrany amin'ny taona 1950 tany ho any no efa nampiasaina tamin'ny sehatry ny fambolena ny razamben'izy ireny, saingy taorian'ny namadihana ho mekanika ny asa famokarana, navelan'ny tompony ry zareo satria tsy vita intsony ny fikarakaràna azy izay lasa nihalafo be loatra.

Na dia mivangongo ao amin'ny faritra ambanin'ny tendrombohitr'i Krug aza izy ireny, ao am-pototry ny tendrombohitra Cincar, ireo soavaly dia ao Livno koa dia hita manavatsava ny tampon-tendrombohitra Borova Glava ao anelanelan'i Livno sy Kupres.

Ny fotoam-pahavaratra no fotoana ahafahan'ny olona izay mamakivaky ny tendrombohitra Cincar mahita ireny soavaly ireny mandritra ny fifindràny toerana mitady sakafo. Tsy maintsy miampita ny arabe fampiasa ry zareo satria, ao anatinà faritra iray izay tsy misy farihy sy renirano, ao no hany misy toerana roa azony isotroana rano. Noforonina manokana mihitsy izy ireo ho an'ireto soavaly ireto, nataon'ireo mpikambana ao amin'ny Fikambanana mpiaro tontolo iainana sy an-tendrombohitra ao Borova Glava [9] [hr], mba hanentsenana io tsy fahampiana io.

[10]

Soavaly dia ao Livno miala hetaheta eo aminà toerana iray misy rano. Sary an'i Armin Durgut/Balkan Diskurs, famoahana nahazoana alàlana.

[11]

Amin'ny ankapobeny, tsy misy rano ny lempona fonenan'ireo [12] soavaly. Noho izany dia mitangorona eny amin'izay toerana misy rano azony aleha ry zareo, izay noforonina sy karakarain'ireo ekolojista mpikatroka. Sary an'i Sanela Tufekčić, nampiasàna lisansa CC BY 3.0.

Na izany aza anefa, tsy hoe ieren-doza ny fiampitàny io arabe fampiasa io. Tamin'ny Jolay 2015, nisy fiaran'ny kaominina nitondra ny ben'ny tanànan'i Knin, tanàna kroaty iray ery ampitan'ny sisintany, nahadona iray tamin'ireny soavaly dia ireny [13] [hr], ka nahatapaka ny tongony iray. Tena sarotra ho an'ny soavaly ny ho sitrana aorian'ny ratra tahaka izany, ka toy ny efa fanao mazàna amin'ny tranga tahaka ireny, voatery notsindronina ho faty ilay biby.

Saingy, nitondra vokatra miabo io trangan-javatra nampalahelo io. Taorian'io loza io, niteraka fahalinana be teny anivon'ny vahoaka ireo andian-tsoavaly, ary ny fikambanana mpiaro tontolo iainana sy an-tendrombohitra ao Borova Glva dia nandray fepetra fanampiny mba hiantohana ny fiarovana sy ny fikarakaràna azy ireny.

A brown-white-black foal standing in the foreground, with a white horse in the back, on a mountain near Livno in Bosnia and Herzegovina. [14]

Zanaka saovaly dia ao Livno. Sary an'i Sanela Tufekčić, nampiasàna lisansa CC BY 3.0.

Tamin'ny 2013, nandany didim-pitondràna mandràra ny fihazàna ireny soavaly ireny ireo manampahefana ao [15] [bs] Livno. Fahazaran'ireo mpihaza ny mamono ireo soavaly mba hakàna hena, saingy hatramin'ny nampiharana io fepetra vaovao io, tsy nisy intsony asa fihazàna naharaisana tatitra. Etsy ankilan'izay, mbola marefo hatrany ireo soavaly manoloana ireo biby mpiremby azy, araka ny hita tamin'ireo fanafihana maromaro nozakain'ilay andiany noho ny nataon'ny amboadia.

Natsahatra vonjimaika tamin'ny Desambra 2017 [16] [bs] ilay didim-pitondràna, rehefa nangataka tamin'ny Fitondrana ny ao amin'ny fiadidiana ny tanàna mba hamatsiana vola ny fiarovana ireo soavaly ireo. Noraisina io fanapahankevitra io taorian'ny fitomboan'ireo fangatahana onitra [17] [bs] nataon'ireo mpamily niharan-dozam-pifamoivoizana noho ny amin'ireo andiam-biby ireo. Vao mainka be kokoa ny mety hitrangan'ny loza rehefa ririnina, satria mandeha eny amin'ny arabe ireo soavaly mba hilelaka ny sira ampiasain'ireo mpiasan'ny làlana hanempoana ny ranomandry.

286 no isan'ireo soavaly dia tao Livno tamin'ny 2013, lasa 418 tamin'ny 2019, nisy zanany vaovao niisa 65 ho an'ny taona 2019 monja. Manana 145 kilaometatra toradroa izy ireo amin'izao fotoana izao ahafahany miraoka ahitra an-kalalahana, izay ampy tsara hitazonana ny isany amin'izao fotoana izao, miampy toerana iray fisotroana rano eo an-dalam-panamboarana eo am-pototry ny tendrombohitra Cincar.

[18]

Soavaly dia miraoka ahitra eo am-pototry ny tendrombohitra Cincar, akaikin'i Livno, ilay tanàna manantantara. Sary an'i Sanela Tufekčić, nampiasàna lisansa CC BY 3.0.

Horse silhouettes with a background of blue sky and white clouds on Mount Cincar, near Livno in Bosnia and Herzegovina. [19]

Soavaly dia ao Livno miraoka ahitra eny amin'ny tendrombohitr'i Cincar, eny akaikin'ny rahona. Sary an'i Sanela Tufekčić, nampiasàna lisansa CC BY 3.0.

Lasa fisarihana  tena ankafizina ho an'ny fizahantany ao amin'ny faritra ireo soavaly dia ao Livno, ary marobe ireo mpitsidika avy amin'izao tontolo izao no mandeha any mba hijery sy haka sary ireo karazana soavaly dia efa tsy fahita firy mbola miaina amin'izao fotoana izao ao Eoropa. Andiany fito samihafa no voamarina, ary koa saovaly dia mitokantokana nanapa-kevitra ny hivenjivenjy samirery any amin'ireny faratazana ao an-tendrombohitra ireny.

[20]

Soavaly dia iray ao Livno eny an-tendrombohitr'i Cincar, ao Bosnia Herzegovina. Sary an'i Armin Durgut/Balkan Diskurs, nahazoana alàlana.