- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afaka mianatra anaty sekoly an-tsambo ireo vondrom-piarahamonina dibo-drano any Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Voina
A Shidhulai Swanirvar Sangstha floating school boat. Screenshot from YouTube video by Great Big Story. [1]

Sambo fampianarana Shidhulai Swanirvar Sangstha. Pikantsary avy amin'ny horonantsarin'ny Great Big Story YouTube.

Fandaharan'asa vaovao nataon'ny FTMF (ONG) BRAC ny Shikkha Tori [2], adika ara-bakiteny hoe ‘sambo fampianarana’ ary ahafahan'ny ankizy monina any amin'ny faritra sasany tratran'ny tondra-drano betsaka indrindra sy ny faritra iva any Bangladesh [3] hanatrika lakilasy anaty sekoly an-tsambo .

Iray metatra monja no elanelan'ny haavon'ny ranomasina amin'ny iray ampahatelon'ny faritra ao Bangladesh, indrindra ny faritra any avaratra-atsinanana. Lasa rano be midadasika mandritra ny vanim-potoanan'ny orana sy ny rivotra ireo faritra mando ireo izay antsoina hoe haor any an-toerana [4] ary mijanona ho tondradrano mandritra ny 7 ka hatramin'ny 8 volana isan-taona. Mandritra io vanim-potoana io, difotra ny lalana ka tsy ahafahan'ireo mpianatra avy amin'ny fianakaviana mahantra manatrika ny sekoly mahazatra.

Na izany aza, nanomboka nampiditra ny sekoly an-tsambo ho fomba iray hitondrana an-dakilasy ireo ankizy ny fikambanana tsy mitady tombontsoa toa ny Shidhulai Swanirvar Sangstha [5], ary taty aoriana, ny BRAC [6]. Natao ho mpitatitra rano ihany koa ireo sambo ireo izay maka ireo mpianatra [7] mivantana avy any an-tranony.

I Mohammed Rezwan, mpanorina sady tale mpanatanteraka ao amin'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha no nahita ny hevitra tamin'ity sambo fampianarana ity [8] noho ny fahatsiarovany ny fahazazany. Nihalehibe tao amin'ny faritra iray tratran'ny tondra-drano matetika izy ary tamin'ny alàlan'ny sambo fampianarana izay an'ny fianakaviany no hany mba nahafahany nianatra nandritra ny vanim-potoanan'ny orana sy ny rivotra. Na izany aza, maro tamin'ny namany tamin'ny fahazazany no tsy afaka nisitraka izany.

I thought, if the children cannot come to school because of floods, then the school should go to them by boat.

Nieritreritra aho fa raha tsy afaka mankany am-pianarana ireo ankizy noho ny tondra-drano dia tokony hanatona azy ireo ny sekoly an-tsambo.

Tamin'ny taona 2002 no nandray fivoy [9] ny sekoly an-tsambo voalohany niaraka tamin'ny fanampiana avy amin'ny fikambanana toy ny Orina Mpanasoa Global Fund for Children sy ny Orina Mpanasoa Bill sy Melinda Gates.

Maherin'ny 9 tapitrisa ny isan'ny mpianatra mandeha amin'ny sekoly fanabeazana fototra [10] ao amin'ny firenena, raha manodidina ny 110.000 kosa ny isan'ny sekoly fanabeazana fototra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana. Manodidina ny 20 tapitrisa ireo mponina monina amin'ny faritra mando ao amin'ny firenena ary latsaky ny 1% -n'ny mponina monja ao amin'ny faritra no mahavita ny fampianarana ambaratonga faharoa.

Nanomboka ny sekoly an-tsambo [11] voalohanyihany koa ny BRAC, FTMF=ONG lehibe indrindra any Bangladesh, tamin'ny taona 2012 ho ampahany amin'ny tetikasan'izy ireo ho an'ny fanabeazana [12].

Nahatratra 80.000 mahery ireo mpianatry ny sekoly an-tsambon'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha hatramin'ny nanombohan'ny tetikasa, ary nahatratra 14.000 mahery [13] ny sambon'ny BRAC. Samy nampiakatra ny tahan'ny fidirana an-tsekoly ireo hetsika roa ireo.

Sekoly an-tsambo any Bangladesh. Efa ho 80.000 ireo ankizy nahazo fampianarana (fanabeazana fototra) nanomboka hatramin'ny taona 2002 hatreto. Tena mavitrika any amin'ny distrikan'i Pabna, Natore ary Sirajganj ity sekoly an-tsambo misy karazany 25 ity amin'ny renirano miisa 8  noho ny SSS- Shidhulai Swanirvar Sangstha.

Na dia tsy ao anaty rindrina efatra toy ny ny efitrano fampianarana mahazatra aza no hanaovana ny fampianarana dia voaporofo fa tsy mena-mitaha amin'ny mpianatra hafa [13] ao amin'ny firenena ireo mpianatra avy amin'ireo tetikasa ireo.

Ahitana trano famakiam-boky kely, zoro-trano hianarana momba ny siansa ary solosaina enti-tànana misy aterineto ny sambo Shidhulai Swanirvar Sangstha sasany raha manana takela-masoandro izay mamatsy herinaratra ny sambo amin'ny alina mba ahafahan'ny [16] mpianatra miasa amin'ny atoandro manatrika ny fampianarana [16] kosa ny sambo hafa sasany [17].

Avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana no nangalana ireo mpampianatra ary nofanina hiresaka amin'ny mpianatra izy ireo ny momba ny fitomboan'izy ireo ara-tsaina sy ara-batana, ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro ary ny fomba samihafa hiarovana ny tontolo iainana.

Nisy ny mpanao asa soa tao an-toerana nanapa-kevitra ny hitondra an-dakilasy ireo mpianatra amin'ny endrika sekoly an-tsambo. Ity sambon'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha ity, vondrona tsy mitady tombontsoa ao an-toerana dia iray amin'ireo sekoly miisa 23 mavitrika mandritra ny taona any amin'iny faritr'i Bangladesh [18] iny.

Nizara lahatsoratra momba ny sekoly an-tsambo ny HundrED.org:

“Teraka avy amin'ny hevitra tsotra nefa matanjaka ny Sekoly an-tsambo BRAC: manatona ny ankizy mipetraka any amin'ny faritra mitoka-monina ny sekoly raha tsy afaka mandeha any an-tsekoly izy ireo.” Nanova ny fiainan'ny ankizy any amin'ny faritra lasibatry ny tondra-drano ny @BRACworld !

Nisioka i Jennifer Feeney:

Hevitra Tsara: Any amin'ny faritry ny tondra-drano any Bangladesh no hiasan'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha amin'ny sekoly mihevaheva sy toeram-pitsaboana miisa 54 sady miara-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'ny fananganana toeram-pambolena mitsingevana.

Nalain'ny firenena an-dalam-pandrosoana hafa tahaka toa an'i Filipina [28], Kambodza [29], Nizeria [30], Vietnam [31] ary Zambia [32] ny foto-kevitry ny sekoly an-tsambo.