- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanantenana ny amin'ilay fiteny Nepali andalam-pahafatesana rehefa nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-85 taonany ny olona farany nahay ity fiteny ity

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Teratany, Vehivavy sy Miralenta

Gyani Maiya Sen miaraka amin'i Uday Raj. Saripikan'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alàlana.

Tsy dia fantatry ny maro i Gyani Maiya Sen Kusunda saingy izy no feon'ny fanantenana ho an'ireo mpandala ny fiteny izay manantena ny hamelon'aina indray ny fiteny Kusunda [1] mitoka-monina sy andalam-pahafatesana. Nodimandry [2] tamin'ny 25 Janoary 2020 tao an-tranony tao amin'ny tanànakely Kulmor any amin'ny distrikan'ny Dang any amin'ny faritra andrefan'i Nepal teo amin'ny faha-85 taonany izy.

Iray amin'ireo olona roa mahay miteny tsara ny fiteny Kusunda izy, izay fiteny am-bava fa tsy misy soratra. Na dia nametraka ny mponin'i Kusundas ho miisa 273 aza ny fanisam-bahoaka tamin'ny taona 2011,  [3]ny fanadihadiana teny ifotony kosa dia nahita fa 150 fotsiny ny isan'ny Kusundas mipetraka any amin'ireo distrika andrefan'i Nepal.

Vakio teny malagasy: Fifampiresahana Tamin'i Gyani Maiya Sen, Iray Amin'ireo Mpandahateny Farany Mampiasa Ilay Fiteny An-dalam-pahaverezana ao Nepal [4]

Nisioka i Gagan Thapa, mpikambana ao amin'ny Antenimiera:

Mandalo fotoan-tsarotra tsy hay honerana ity fiteny ity noho ny fahafatesan'i Gyani Maiya Kusunda, iray amin'ireo olona roa mahay miteny tsara ny fiteny Kusunda. Miondrika am-panajana eo anoloan'ny fahafatesan'i Gyani Maiya Kusunda.

Mivelona mirenireny amin'ny fihazana sy ny fiotazana ny Kusundas [6] ary vao am-polo taonany vitsy lasa izay no nanombohan'izy ireo nanorim-ponenana tao amin'ireo tanànakely, indrindra tany amin'ny faritra andrefan'i Nepal. Vao haingana i Gyani Maiya no nanampy ilay mpikaroka Uday Raj Aaley tamin'ny fanatontosana ny dingana voalohany [7] tamin'ny fampianarana ny fiteny Kusunda ho an'ny vondron'olona miisa 20 maniry ny hianatra ilay fiteny. Tsy niara-niasa tamin'i Uday ihany izy tamin'ny fameloman'aina ilay fiteny fa niara-niasa tamin'ireo mpikaroka toa an-dry Brian Houghton Hodgson, Johan Reinhard, David Watters, BK Rana ary Madhav Prasad Pokharel ihany koa ankoatra ireo hafa.

Vako teny malagasy: Fiteny Tompotany Nepali Iray Manokatra ny Pejim-Panantenana Noho ny Fivoahan'ny Rakibolana Vaovao [8]

Nanoratra tao amin'ny Facebook [9] i Uday Raj Aaley, mpikaroka:

देशले एउटा अमूल्य निधि गुमाएको छ । ज्ञानी मैयाँ सेन कुसुण्डामा अद्भूत भाषिक क्षमता थियो । मैले उनीसँग कुसुण्डा भाषाको विविध पक्ष, संरचना, शब्दावलीका बारेमा एक दशकभन्दा बढी काम गरेँ । जीवनका अधिकांश समय गुमनाम बिताएका उनलाई अन्तिम चरणमा मात्र देशले सम्झियो । यसबीचमा स्वदेश र विदेशका प्राज्ञिक व्यक्तित्वहरुले सम्झिए पनि उनीसँग काम गरेका महत्वपूर्ण सामग्रीहरु व्यवस्थित गर्नु पर्ने देखिएको छ । उनले कुसुण्डा भाषाको विकासका लागि पु¥याएको योगदानलाई म सम्मान गर्दछु …

Tsy azo visavisaina ity fahaverezana ho an'ny firenena ity. Manana fahaiza-miteny mahavariana i Gyani Maiya Sen Kusunda. Niara-niasa taminy aho tamin'ny lafiny, rafitra, rakibolana isankarazany tamin'ny fiteny Kusunda nandritra ny folo taona mahery. Tamin'ny fotoana farany vao hany nahalala azy ny firenena rehefa nandany ny ankamaroan'ny fiainany tsy fantatr'olona izy. Nandritra izany fotoana izany, tsy maintsy nilana fankatoavana ihany koa ireo antontan-taratasy manan-danja novokarina tamin'ny fiaraha-miasa niaraka taminy na dia nankatoavin'ny akademia nasionaly sy iraisam-pirenena aza izy. Tiako ny fandraisany anjara tamin'ny fampandrosoana ny fiteny Kusunda…

“Ankehitriny, tsy misy olona hifanakalo hevitra amin'ny fiteny Kusunda,” hoy i Uday nitaraina. “Saingy mbola manana fanantenana kely ihany izahay. Mahay ny fiteny Kusunda tsara ny rahavaviny Kamala Sen Khatri, 50 taona. Mila ny fanampiany izahay mba hameloman'aina indray ity fiteny ity. ”

Sangnaan wein (mandria am-piadanana amin'ny fiteny Kusunda), Gyani Maiya!