Tokony hanosika amin'ny fanesorana ny sazy amin'i Sodàna ny orinasan-teknolojian'i Etazonia

Tanora sodaney mankalaza amin'ny fanakantonana ny Global Entrepreneurship Week Sodàna tamin'ny taona 2016. Saripikan'ny Global Entrepreneurship Week (CC BY-NC-SA 2.0)

Tamin'ny herintaona ny olompirenena sodaney nanaisotra fitondrana tsirefesimandidy nanjaka nihoatra ny 30 taona. Ho an'ny mpandray anjara tao anatin'ny hetsi-panoherana tamim-pilaminana, ny sehatra media sosialy no fitaovana lehibe nanomanana sy nampitana ny hafatry ry zareo tamin'ny tontolo ivelany. Kitro nifaharan'ny fampiroboroboana ny toekarena sodaney, izay nanomboka niankina tamin'ny aterineto hiroboroboany ireny sehatra novokarin'ny orinasan'i Etazonia ireny. Ary manana tombontsoa lehibe ireo orinasan-teknolojia ao Etazonia ireo amin'ny fanosehana fanesorana ny sazy mihatra amin'i Sodàna.

Tamin'ny Oktobra 1997 i Etazonia no nametraka ny sazy ara-toekarena tamin'i Sodàna. Ny Executive Order 13067 [baiko fanantanterahana 13067] an'i Etazonia no mandrara fifanakalozana amin'ny governemanta sodaney. Araka ny Office of Foreign Assets Control (OFAC) [Ôfisy fanarahamaso ny Hoentimanan'ny Vahiny], Ny antony nahatonga ny fanapahan-kevitra dia hoe “manohy manohana ny fampihorohoroana iraisampirenena, miezaka manozongozona ireo governemanta mpiray vodorindrina, ary ny fahabetsahan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ao anatin'izany ny fanandevozana sy ny fitsipahana ny fahalalahana ara-pivavahana, izay mandrafitra fandrahonana tsy mahazatra sy miavaka amin'ny filaminam-pirenena sy ny raharaham-bahinin'i Etazonia” ny governemanta sodaney”. Tsy ilaina ny miteny, nandrava ny ankamaroan'ireo fepetra ireo ny revolisiona.

Niezaka mafy ny fiarahamonim-pirenena sodaney nanohitra ny fanasaziana nomerika sy teknolojika. Tamin'ny taona 2014, vokatry ny ezaka maharitra notohanan'ireo vondrona amerikana mpanandratra ny zo ara-teknolojika tahaka ny Electronic Frontier Foundation, dia mba nivaha ny sasantsasany amin'ireo fanasaziana tamin'ny famoahana ny lisansa Ankapobeny D [mg] — dingana iray nankasitrahan'ny Sodaney maro, ary manana fiantraikany tena tsara teo amin'ny sehatry ny teknolojia sodaney.

Toekarena an'aterineton'i Sodàna

Maro ny fomba ahatakarana ny halalin'ny toekarena an'aterineto ao Sodàna. Araka ny Digital 2019 Sudan, tatitra iray narafitry ny sampanasa mpanao dokambarotra Kepios Pte. Ltd, sampanasa mpanao zava-baovao We Are Social Ltd, ary ny Hootsuite Inc., orinasa tompon'ny sehatra media sosialy Hootsuite, mahatratra 28% ny taham-pidirana aterineto ao Sodàna, ka 11,82% ny an-tserasera. Milahatra ao amin'ny dimy voalohany be mpitsidika indrindra ao amin'ny firenena ny sehatra tahaka ny Facebook, Google, ary YouTube, ary lasa tafiditra fiainana andavanandron'ny tanora tia manao zava-baovao ao Khartoum renivohitra sodaney ny sehatra co-working [iasana miaraka], ny vondrom-piarahamonina tia zava-baovao, kaoferasa momba ny fandraisana ho eo an-tànana ny fandraharahana, ary ireo lanonana iraisampirenena mitovitovy amin'izany.

Tany am-piandohan'ny desambra 2019, nanatontosa fitsidihana tao Etazonia maharitra enina andro ny praiminisitra sodaney, Abdalla Hamdok, hiresahana ireo lohahevitra mifandraika amin'ny fifandraisan'i Sodàna sy i Etazonia, ka ao anatin'izany ny fanesorana ny sazy. Iray amin'ny vokatra azo avy amin'izany ny famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana ara-diplaomatika nahitana fifanakalozana ambasaraoro tao anatin'ny 23 taona.

Tokony hanao tosika matanjaka ao Washington D.C. amin'ny fanesorana ny sazy amin'i Sodàna ny orinasan-teknolojia amerikana, tahaka an'i Google, Twitter ary Facebook. Tsy ny politikam-panasaziana tsy ara-drariny ihany no ho afaka amin'izany — fa hiteraka tsena vaovao mahavelom-panantenana ho an'ireo orinasa voalaza ireo ihany koa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.