Tamin'ny 26 Janoary, tamin'ny fetin'ny Repoblikan'i India [2], olona an-tapitrisany maro no nanangana [3] rojo olombelona mirefy 620 km niainga avy any avaratra ka nankany atsimon'i Kerala mitaky ny hanesorana ilay lalàna mampiady hevitra Citizenship Amendment Act [4] (CAA na Lalàna Fanitsiana fahazoana ny Mahaolompirenena).
Manome lalambe hahazoana mahaolompirenena ho an'ireo mpifindramonina tsy miozolomana avy amin'ireo firenena manodidina avy ao Pakistan, Bangladesh ary Afghanistan ny Citizenship Amendment Act 2019 [4] (CAA na Lalàna Fanitsiana fahazoana ny Mahaolompirenena), nampiharina tamin'ny Desambra 2019. Na izany aza dia nahazo tsikera avy amin'ny fikambanam-piarahamonim-pirenena sy ny fanoherana izy ity noho ny fanilihany tsy ara-drariny ny miozolomana. Heverina ho mitera-bokadratsy [5], tsy ho an'ny vitsy an'isa miozolomana ihany, fa ho an'ireo Indiana hafa rehetra ny Lalàna Fanitsiana fahazoana ny Mahaolompirenena, ampiarahana amin'ilay National Register of Citizens [6] (NRC na Rejisitra Nasionalin'Olompirenena).
Ny lanonan'ny rojo olombelona dia nomanin'ny Left Democratic Front (LDF na Manda Demaokratika Ankavia) [8], vondron'antoko politika elatra ankavia tarihan'ny Antoko Komonista an'i India (Marxista) [9] sy ny mpitarika azy, ny lehiben'ny minisitra ao Kerala Pinarayi Vijayan [10].
Another Human chain is going to be created by the Malayalis in Kerala on our Republic Day,2020.
This human chain will be 620 km long to show the protest against #CAA_NRC_NPR [11] and other unconstitutional activities of Sanghis.
From Kasaragod to Thiruvananthapuram.#CAA_NRCProtests [12] pic.twitter.com/Rb0MANTJXc [13]— Debasish Paul (@ComradeDebasish) January 25, 2020 [14]
Rojo olombelona iray hafa natsangan'ny Malaylalis [15] (vahoaka avy ao Kerala mpiteny Malayalam) tao Kerala nandritra ny fetin'ny Repoblikantsika taona 2020. Hirefy 620 km miainga ao Kasaragod ka hatrany Thiruvananthapuram io rojo olombelona io hanoherana ny CAA sy NRC ary NPR ary ireo hetsika hafa manitsakitsaka ny lalampanorenena ataon'ny Sanghis (mpanjohy ny Rashtriya Swayamsewak Sangh [16] (RSS), fikambanana mpanolotena milisy nasionalita haindò, elatra havanana.
Amin'ireo vahoaka ireo no ahitana [17] politisiana, mpikatroka ara-kolontsaina, mpitari-pivavahana, artista ary olompirenena feno ahiahy. Henika sary sy lahatsary marevaka avy amin'ny hetsi-panoherana ny kaonty media sosialy:
A view from the 620 km long human chain in Kerala to protest against the anti constitutional CAA, NRC & NPR and ‘Hum Dekhenge’ in Malayalam in the background.
Let our PM identity all these people by their dresses 🙂
pic.twitter.com/N9exiGsooa [18]— Ravi Nair (@t_d_h_nair) January 26, 2020 [19]
Topimaso amin'ilay rojo olombelona mirefy 620 km ao Kerala ho fanoherana ny CAA, NRC & NPR manitsakitsaka ny lalampanorenana sy ny “Hum Dekhenge” (hahita isika amin'ny teny Malayalam) ao aoriana.
Aleo ny PM hamantatra ireo olona ireo amin'ny fiakanjony 🙂
Nanatevin-daharana ny hetsika ny Sefon'ny minisitra ao Kerala, Pinarayi Vijayan, ary niteny toy izao tao amin'ny fanambaràna [20] iray :
The citizenship law will endanger the Constitution and destroy peace in the country since their (the ruling Bharatiya Janata Party’s [21]) intention is to destroy secularism. We have already declared that Kerala is not the place to accept the new citizenship regime.
Hampididoza ny Lalampanorenana ny lalàna mahaolompirenena ary hamotika ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena hatramin'ny nikasan-dry zareo Bharatiya Janata Party [21] hamotika ny laisisma. Efa nanambara izahay fa tsy toerana hanaiky ny fitondrana mahaolompirenena an-dry zareo i Kerala.
Nizara ity sioka ity ihany koa izy:
Kerala, in essence, is an argument for equality. The people of this land are unapologetically secular. The #KeralaHumanChain [22] of today is yet another example for our unity. This battle, we will not rest and we shall overcome.#HumanChain [23] pic.twitter.com/W3Hprr7E8t [24]
— Pinarayi Vijayan (@vijayanpinarayi) January 26, 2020 [25]
Tohankevitra manohana ny fitoviana i Kerala. Lahika tsy azo hozongozonina ny vahoaka amin'ity tany ity. Ohatra iray hafa amin'ny firaisankinanay ny roho olombelona notanterahan'i Kerala androany. Tsy handrihandry izahay amin'ity tolona ity ary handresy.
Stand up in any way you can. It's necessary#NoCAANoNRC [26]
PHOTOS: Newlyweds, Young Children Take Part In Kerala's Human Chain Against CAA https://t.co/fhGy6zEAm3 [27]
— Riddhi Doshi (@riddhi09) January 29, 2020 [28]
Mijoroa amin'ny fomba rehetra ahafahanao manao izany. Tena ilaina izany
SARIPIKA: Tanora vao manambady, Tanora mandray anjara amin'ny rojo olombelona ho fanoherana ny CAA
From their Wedding to the 620 km human chain —-
formed in Kerala demanding withdrawal of CAA.#शाहीन_बाग_से_हिलती_सरकार [29] pic.twitter.com/4rHfwRA3EA [30]— FAISAL ALAM?? (@FAISALALAM832) January 27, 2020 [31]
Miainga avy amin'ny mariaziny mankany amin'ny rojo olombelona mirefy 620 km
Voaforona tao Kerala mitaky ny hanesorana ny CAA.
The Kerala human chain was not allowed to break even in backwaters. Such is the devotion towards constitution. pic.twitter.com/TASApYuqIk [32]
— Ramesh_India (@CommonManInd65) January 28, 2020 [33]
Tsy navela ho tapaka ilay rojo olombelona na dia eny an-drano aza. Tahaka izany ny fankatoavana ny lalampanorenana.
Olona an'arivony no nanangana rojo olombelona mirefy 11km tao Kolkata [34], renivohitry ny fankalana West Bengal [35] tamin'io andro io ihany.
#Kolkata [36] . This human chain goes 11 kms to Golpark from Shyambazar Against NRC/CAA/NPR. pic.twitter.com/Yj40ArgKFd [37]
— Dibyendu (@Dibyend48970765) January 26, 2020 [38]
Nahatratra 11 km nankao Golpark avy ao Shyambazar ity rojo olombelona ity ho fanoherana ny NRC/CAA/NPR.
Ny fetin'ny Repoblika [2] dia manaja ny daty (26 Janoary 1950) izay nampanankery ny Lalampanorenan'i India sy nahatonga ny firenena ho repoblika vao niforona. Tamin'io andro io i India no nahita fanoherana manerana ny firenena izay miampanga ny CAA ho manimba ny fototra iray amin'ny rafitry ny lalampanorenana [39] — mitsinjo an'i India lahika.
Protest against CAA/NRC/NPR in india in 56 cities on Republic Day #शाहीन_बाग_से_हिलती_सरकार [29] pic.twitter.com/XqtXuNRent [40]
— Aamir Siddiqui (@AamirSi11033884) January 27, 2020 [41]
Fanoherana ny CAA/NRC/NPR tao India tany amin'ny tanàna miisa 56 tamin'ny fetin'ny Repoblika
?Lakhs in a Human Chain in Kerala
?11km Human Chain in Kolkata
?Republic Day celebrations in Shaheen Bagh
?Dalit & Adivasi march in Bengaluru
Anti-CAA-NRC movement grows bigger & bigger. Modi would be tired of seeing pics & identifying crores of people by their clothes ? pic.twitter.com/9wxWADKlW0 [42]
— Srivatsa (@srivatsayb) January 27, 2020 [43]
Lakh ao amin'ny rojo olombelona ao Kerala
Rojo olombelona mirefy 11 km tao Kolkata
Fankalazana ny fetin'ny repoblika tao Shaheem Bagh
Diaben'ny Dalit sy Adivasi tao Bengaluru
Mihalehibe hatrany ny hetsika anti-CAA-NRC. Ho leo mijery sary sy mamantatra ireo karazan'olona amin'ny akanjony avy i Modi
Vakio ny pejy manokana: Who is paying the cost of India’s declining democracy? [44] [Iza no hizaka ny fijotson'ny demaokrasia ao India] raha hijery ny antsipirihany kokoa momba ny hetsika fanoherana ny lalànan'ny fizakàna mahaolompirenena ao India.