- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanavahana ireo vondrom-piarahamonina anjorom-bàla ao India tsy hahazo torohay natao ho an'ny rehetra

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona, Rising Voices
Field documentation in Goa, India (Veethika Mishra, CC-BY-SA 4.0) [1]

Fakàna torohay eny ifotony ao Goa, India (Veethika Mishra, CC-BY-SA 4.0)

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Yoti [2], ampahany amin'ilay Digital Identity Fellowship [3] an'i Subhashish Panigrahi. Navoaka ho an'ny Global Voices.

Natolotra ho isan'ireo làlana iray ho an'ny governemanta ilay tetikasa Digital Identity [4] hanamoràny ireo dingana sy hamatsiany tolotra ho an'ny vahoakany amin'ny fomba mahomby kokoa. Na izany zany aza anefa, ao India ary manerana izao tontolo izao, mampirongatra fanontaniana maro momba ireo zo nomerika sy ny fanilihana ara-tsosialy ireny fandaharanasa ireny noho ny mety hisian'ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiainan'ny vahoaka.

Aadhaar ao India [5] dia tarehimarika 12 tokana natao ho famantarana dizitaly, ka mba hahazoan'ny olona mahazo izany dia tsy maintsy omeny ireo ny rakitra ara-biometrikany sy ara-demografikany. Na dia tsy mbola namoahan'ny fitsaràna antampony didy ao anatin'ny lalam-panorenana ho tsy maintsy ataon'ny olona rehetra aza ny Aadhaar, betsaka ireo tombontsoa samihafa ho an'ny fiahiana ara-tsosialy no efa mifamatotra amin'izany sahady ary ireo andrim-panjakana sy ny tsy miankina aza efa nanomboka nampiasa ho azy ny Aadhaar ho toy ny mari-panamarinana. Ahiana hitera-doza ho an'ny zon'olombelona ny Aadhaar, indrindra ny amin'ny tsiambaratelo sy ny filaminana [6], ary nokianina ho fitaovana fanarahamaso faobe [7]. Io no tena olana sedrain'ireo olontsotra izay nolavina ny zon'izy ireo hahazo maimaimpoana ny sakafon'ankizy any an-tsekoly [8] rehefa tsy mahavita mampiseho maripamantarana Aadhaar-ndry zareo.

Inona avy ireo dingana lalovan'ny mpikambana tsotra avy amin'ny vahoaka rehefa hiditra haka torohay iankinan'ny ain-dehibe omen'ny governemanta indiana? Ahoana raha io olona io mihitsy no tsy mahay afatsy ny fiteny nentim-paharazana izay tsy fiteny ofisialy any amin'ny faritra misy azy na tsy mahay mamaky teny, na manana olana ara-pahitana, na iharan'izao karazana famoretana ara-drafitra isan-karazany rehetra izao?

Mba hahitàna ny fidirana amin'ny torohay ho an'ny daholobe any India avy amin'ny fomba fijerin'ny fanilihana ara-piarahamonina , ny zon'ny teratany sy ny fiteny, ny kilema ary ny sakana ara-teknika, nanaovan'i Subhashish Panigrahi fanadihadiana ny amin'ireo vondrom-piarahamonina anjorom-bàla sy sy ireo mpifanome tàn-tsoroka amin'izany (amin'ny fiteny, mpikatroka ary manam-pahaizana ara-teknika) izay fanalahidin'ny adihevitra momba ny maripamantarana nomerika.

Ny fahasamihafana amin'ny fiteny ao India

India no ahitàna olona mitàna ny netim-paharazana be indrindra [9] eto an-tany. 22% amin'ny tany ao aminy no ipetrahan'ny vondron'olona teratany 705 (104 tapitrisa eo ho eo, izay ny 8,6% ny mponina araka ny fanisambahoaka 2011).
Miteny fiteny 419 samihafa ireo vondrona ireo, ary am-bava ny ankamaroan'ireo fiteny ireo. Amin'ireo fiteny 780 iresahana manerana an'i India dia 22 ihany no eken'ny lalampanorenana ho ofisialy. Manandanja io fankatoavana io satria mamela azy ireny ho azo ampiasaina any amin'ny fitantanana. Na maro amin'ireo fiteny 419 ireo aza no takatry ny rehetra, betsaka ihany koa no tsy toy izay. Amin'izao fotoana izao, ny tranonkala Aadhaar ofisialy (uidai.gov.in [10]) dia nadika tamin'ny ampahany ho amin'ireo fiteny 12 sy ireo fiteny ofisialy 22, ary tsy misy fiteny nentim-paharazana na iray aza.

Andalana faha-2 amin'ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona…nanamarika fa zo fototra ny fahazoana torohay amin'ny fiteny ampiasaina.

Andalàna faharoa ao amin'ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona [11], antontan-kevitra tramin'ny 1948 izay novolavolain'ireo solontena samy nanana ny rafitra lalàna sy kolotsaina samihafa namolavolàna azy, izay manamarika fa zo fototra ny fahazoana torohay amin'ny fiteny ampiasaina.

Tanaty antsafa iray vao haingana, nanamarika i Dr. Mandana Seyfeddinipur mpahay momba ny teny – izay mitarika amin'izao fotoana izao ny Endangered Languages Archive [12] (ELAR) (Tahitin'ireo Teny Tandindonin-doza) ao amin'ny School of Oriental and African Studies (SOAS), Anjerimanontolo ao Londona – nilaza hoe, “tsy ho afaka handefa fotsiny bokikely fampahafantarana amin'ireo fiteny be mpampiasa ianareo mandritra ny hamehana nateraky ny fiparitahan'ny valanaretina iray”. Nasian'ny tsindrimpeo misimisy kokoa tamin'ny fanomezana ohatra mahakasika ireo olona 10-12.000 miaina anaty faritra iray mirefy 10 km2 ao amin'ny faritra Lower Fungom [13] any Kamerona iza, isanandro vaky, mampiasa fiteny miisa sivy eo ho eo. Rehefa voafaritr'i Dr. Seyfeddinipur ny olana amin'ny famoronana sy fanavaozana ny torohay aminà) fiteny 7.000 iresahana manerana izao tontolo izao, itrikitrihany ny filàna mamantatra ny fiteny izay takatry ny vondrompiarahamonina tsirairay ao anaty fari-pitantanana iray — na teratany io na teny fampiasan'ny maro an'isa — rehefa mandrafitra torohay ho an'ny daholobe.

Raha lasa rafi-panamarinana tsy azo ihodivirana ny Aadhaar eo amin'ny sehatry ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina [14], amin'izao fotoana izao ny tranokala ofisialin'izy ireo dia tsy mbola manana torohay azo henoina ho fanampiana ireo miteny ny fitenin-drazana na koa ho an'ireo olona tsy mahay mamaky teny. Tsy sakana eo amin'ny fiteny fotsiny ihany no asehon'izany fa sakana amin'ny fidirana ara-nomerika ihany koa. Zava-dehibe ny manamarika fa i India no manana olona betsaka indrindra manerantany (15 tapitrisa) izay manana tsy fahatomombanana eo amin'ny maso [15] sy mpamaky efijery [16] manampy ny olona handre izay soratra eo rehefa miditra amin'ny fampahalalana mifototra amin'ny lahatsoratra izay tsy hita amin'ny ankamaroan'ny fiteny [17].

Ny tsy fahampiana loharanom-pahalalana amin'ny fiteny sy nomerika no tena isan'ny mibahana toerana betsaka amin'ny fikarohana ifotony ao India.

Ireo fanontaniana fototra apetraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina voakasik'izany

Ny azo notsoahana avy amin'ireo antsafa natao

Fari-pikarohana lavidavitra kokoa