Mitsapa ny fenitra ara-piarahamonin'i Facebook ireo tava mampihomehy ao Myanmar

Pikantsarin'ny pejy Facebook Kung Pao Kyi Kyaw.

Tsy ampy iray herinandro akory dia efa nahazo mpikambana mihoatra ny 240.000 ny vondrona Facebook iray amin'ny fitenin'i Myanmar, noforonina tamin'ny 21 Janoary 2020 — saingy maro amin'ireo mpikambana no manana ny mombamomba azy vao noforonina ora vitsy monja mialoha ny nidirana tao amin'ny vondrona. Manaraka fironana iray izy io, izay ananganan'ilay mpisera ny mombamomba azy ho olona manantantara na anarana avy amin'ireny tantara noforonina ireny mba hiresahana zava-mampihomehy na anesoan-javatra ao anatin'ny fiarahamonina maoderina.

Ny anaran'ny vondrona, ကုန်းဘောင်ကြီးကြော် (Kung Pao Kyi Kyaw), dia manondro frity shinoa iray malaza antsoina hoe Kung Pao — fa kilalaonteny ihany koa io anondroana fahefam-panjakan-taranaka Konbaung manan-tantara ao Myanmar, saingy tononina amin'ny fampiasana tarehintsoratra amin'ny alfabeta Myanmar mitovy amin'ny anononana ny Kung Pao ihany. Hitan'ny rehetra ny vondrona, ka afa-miditra daholo izay te-hiditra; ny tanjony dia ny mba hampihomehy ny olona fotsiny ihany amin'ny alalan'ny esonteny. Na izany aza, tsy maintsy manaraka fitsipika maromaro ny mpisera: voarara ry zareo tsy hamoaka zava-mamoha fady sy tenim-pankahalàna foko.

Maro amin'ireo tava vaovao no noforonina milaza ho ireo karazan-javatra maro ary tafiditra amin'izany ny teknôlôjia (finday, Facebook), entambarotra (beer), tsirinkevitra (afterlife), na ny malaza ankehitriny (Wuhan virus). Matetika no azo avy hatrany ny tokotanintsehatra amin'ny alalan'ny kolontsaina iraisana satria manondro zavatra iray misy ifandraisany mivantana amin'ny tena fiainana ry zareo. Raha olona ara-tantara ry zareo, ohatra, dia mety hiresaka zava-nitranga taloha na tontolo avy amin'ny tantara noforonina. Etsy ankilany, ny tava sasany — tahaka an'i Myanmar na Phone — mamoaka lahatsoratra tahaka ny hoe velona ny mari-panondroany ary miresaka amin'ireo mpisera Facebook. Maro amin'ireo lahatsoratra tsara voatra no manintona setriny an'arivony avy amin'ny mpisera.

Indreto ny ohatra sasantsasany malaza ao amin'ny vondrona:

Tava manana anarana Dasagiri, mpiady adalam-pitiavana amin'ny mpanjaka manana loha maro (Ravana) avy amin'ny fanaraham-bolontany Myanmar ny tantara Sanskrit iray manana ny lazany Ramayana, manoratra tahaka ny miresaka amin'ilay tiany, ny printsesy Seetham: “Raha manana karazana hetimbolo ny lohako, ho tian'i Seetha ve ny lamosiko? Ry fianakavian'ny mpanjakako, manomeza hevitra!…”

Eo amin'ny lahatsoratra farany ambony, manoratra ny tava “Myanmar”: “Miala, izay rehetra aminao, mivoaha!…” Ny farany ambany amin'ny lahatsoratra: “Izany ny fiainana, hiaina amin'ny toerako?”.

Ny tava “Finday” no manoratra, “Nahoana ianao no mikasika ahy vao maraimbe, eny fa mialoha ny hanasanao ny tavanao aza??”

Tava iray hafa manana anarana “Newton”: “Nihevitra aho fa ny manana fanintonana indrindra dia ny Tany saingy hay ny tsikin'ny zazavaviko no tena marina.”

Koa satria nahatratra ny faratampony ilay fironana, amin'ireo tava vaovao miforona isan'ora, dia tahaka ny hoe misy ny songan-kaonty manondro olona tsy tena izy ao amin'ny Facebook. Tsy mifanaraka amin'ny fenitry ny vondrom-piarahamonina amin'ilay sehatra izany, izay mangataka amin'ny mpisera hanangana tava tena izy manana ny mari-panondroany marina.

Nasehon'ny fikarohana vao haingana fa noho ny antony isan-karazany no ampiasan'ny ankamaroan'ny mpisera media sosialy ao Myanmar ny Facebook, toy ny famahanam-bilaogy bitika, fikarohana torohay, na fananganana vondrom-piarahamonina antserasera; fa tsy voatery hijanona amin'ny famelaranjotra sosialy sy fifandraisana. Avy amin'izany no ilazan'ny fikarohana fa tsy voatery hampiasa ny tena mari-panondroany ny mpisera amin'ireo fomba fampiasa azy ireo. Tsy araka ny fenitry ny sehatra, mety hanana kaonty maro ampiasaina noho ny antony samihafa ny mpisera ao Myanmar, fa tsy voatery hidika izany fa noho ny antony ratsy no anaovany izany.

Ao anatin'ireo fandisoambaovao sy tenim-pankahalana izay matetika aelin'ireo kaonty Facebook maro tsy azo hamarinina, mametraka ankamantatra saro-baliana izao fironana tsikaritra izao. Efa nanaisotra kaonty maro manampifandraisana amin'ny miaramilan'i Myanmar ny Facebook, ary nandrara ireo manam-pifandraisana amin'ny olo-malaza Wirathu nasionalista hiringiriny — fa hamela ireo tava noforomporonina heverina ho tsy manafintohina, fa mampihomehy ao amin'ny pejy Kung Pao Kyi Kyaw hahazo vahana ao amin'ny sehatra ve ry zareo, sa hibaiko ihany koa ny fanesorana azy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.