Afrika: Nanome voninahitra an'i Michael Jackson ireo bilaogera

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2009)

A Nigerian performer impersonates Michael Jackson at a concert in Abuja, Nigeria. Photo courtesy of N.R. on Flickr.

Mpanao fampisehoana Nizeriana naka tahaka an'i Michael Jackson nandritra ny fampisehoana tany Abuja. Sarin'ny N.R tao amin'ny Flickr.

Niteraka fihetseham-po maro avy any amin'ny vazan-tany rehetra manerana izao tontolo izao ny fahafatesan'ilay kintan'ny pop Amerikana Michael Jackson. Mizara ny fahatsiarovany an'i Jackson ireo mpankafy tao amin'ny tranonkalany ofisialy amin'ny fiteny efa ho am-polony, ary nanamarika ny lohatenim-pejim-baovao manerana izao tontolo izao ity vaovao ity.

Nanome voninahitra ny Mpanjakan'ny Pop tamin'ny alàlan'ny fandefasana sary sy rindran-tsary ny bilaogera taty Afrika. Nanolotra ny lisitr'ireo hiran'i Michael Jackson miisa 26 izay ankafiziny i Oluniyi David Ajao raha nanoratra avy any Nizeria, raha nanome voninahitra ny fahatsiarovana an'i Jackson kosa ilay bilaogera Ogandey Serakelz tamin'ny torolàlana momba ny fanaovana ny moonwalk na fomba fandihy izay noforonin'i Jackson.

Any Ghana, nanangona ireo fihetseham-po tamin'ny fahalasanan'i Jackson tao amin'ny Twitter sy Facebook i Kent Mensah avy ao amin'ny Africa News:

“Africa loves Michael Jackson… from birth you learn how to survive and that Michael Jackson is music… the most famous musician ever,” Rasco Patterson said on twitter @chickenwang4.

“Make this world a better place for me and you these are the words from a true legend like Michael Jackson. I will always remember you Waco Jaco,” Elton Afari, Accra, Ghana said on Facebook.

“Tia an'i Michael Jackson i Afrika … vao teraka ianao dia efa mianatra ny miaina ary i Michael Jackson no mozika fantatrao… hoy ilay mpitendry mozika malaza indrindra hatramin'izay,” Rasco Patterson tao amin'ny twitter @chickenwang4.

“Ataovy toerana tsara ho ahy sy ho anao ity tontolo ity ary izany no teny avy amin'ny angano marina toa an'i Michael Jackson. Hahatsiaro anao foana aho Waco Jaco,” hoy i Elton Afari, Accra, avy any Ghana tao amin'ny Facebook.

Raha nampatsiahy ny fihetseham-pon'ireo Afrikana mpankafy marobe i Sudanese Thinker dia nahatsiaro ilay kintan'ny pop tamim-pitiavana:

In a lot of ways Michael Jackson was my childhood. His music filled it with lots of joy and beautiful memories. It uplifted me when I was down. It made me happy when I was sad.

And as awkward and flawed as he was, I will dearly miss him and his talents.

Michael Jackson no fahazazako tamin'ny fomba maro.  Nameno izany tamin'ny hafaliana sy ny fahatsiarovana mahafinaritra maro ny mozikany. Nampitsangana ahy izany rehefa trotraka aho. Nahafaly ahy izany rehefa malahelo aho.

Ary tena malahelo azy sy ny talentany tokoa aho amin'ny maha hafahafa sy mivilambilana azy.

Manome voninahitra an'i Jackson amin'ny tononkalo ilay bilaogera Ogandey Dickson Wasake :

On the death of Michael Jackson;
The tears fill the earth,
Black or white;
The Liberian girl cries,
And so does dirty Diana,
even the stranger in Moscow,
We all scream;
“Oh it’s too bad; oh it’s too sad;
The king is gone too soon,
And I just can’t stop loving him!”

Tamin'ny fahafatesan'i Michael Jackson;
Mameno ny tany ny ranomaso,
Mainty na fotsy;
Mitomany ny tovovavy Liberiana,
Ary toy izany koa i Diana malotokely,
eny fa na dia ireo olon-tsy fantatra ao Moskoa aza
Mihiaka isika rehetra;
“Tena ratsy izany; mampalahelo loatra izany;
Aloha loatra ny nahalasanan'ilay mpanjaka
ary tsy vitako ny tsy hitia azy ! ”

Na dia maro aza ireo bilaogera nalahelo ny fahafatesan'i Jackson, ny hafa kosa manontany ny safidiny hafahafa, anisan'izany ny fanovany ny lokon'ny volon-kodiny. Tany Ghana, nitoloko ilay bilaogera Emmanuel Bensa:

….the African culture tells us that we don't speak ill of the dead–and I am not about to do so anytime soon, but what I will do is to categorically state how much of a bad decision it was to become a white man.

Black is beautiful–and it will forever be so. As a Black Man, Michael Jackson had the looks, the voice; the talent. Oh what a shame.

… .Milaza amintsika ny kolontsaina Afrikana fa tsy mety ny hitenenantsika zava-dratsy momba ny maty ary tsy hanao izany aho fa ny ho ataoko dia ny milaza tsotra izao fa fanapahan-kevitra tena ratsy ny safidiny ho lasa fotsy hoditra.

Tsara tarehy ny mainty hoditra ary ho toy izany foana izy. Manana endrika, feo, talenta i Michael Jackson amin'ny maha-Lehilahy Mainty Hoditra azy; Eh indrisy fa mampalahelo ?

Ho an'ilay bilaogera Ogandey Rosebell, niteraka fisaintsainana momba ny antony nahatonga ny vaovao hitodika bebe kokoa tany amin'ny fahafatesan'ilay kintan'ny pop fa tsy toy ny an'ireo voina hafa ity fahafatesan'i Jackson ity:

As I watched the reaction around the world to Jackson’s death I wondered if really all humans can ever be equal. Not that I don’t recognise MJ’s contribution to music and his great talent, I would be naïve to do so, but I wonder why we no longer get the shock when we see death around the world. Everyone seemed to say oh he died young at 50, and then I thought that actually in Uganda life expectancy is at 50. Do you know in many African countries dying of old age is almost history? Do you know that this shock we feel at the loss MJ’s death, many Iraqis face it everyday? The fear for the loss of their own lives and the puzzles of how their children will grow, grips people in the Democratic Republic of Congo.

Nanontany tena aho raha tena mitovy avokoa ny olombelona rehetra rehefa nijery ny fihetsik'izao tontolo izao tamin'ny fahafatesan'i Jackson. Tsy hoe tsy fantatro akory ny fandraisana anjara nataon'i MJ tamin'ny mozika sy ny talentany lehibe, vendrana aho raha manao izany, saingy manontany tena aho hoe maninona isika no tsy tohina rehefa mahita ny fahafatesana manerana izao tontolo izao. Toa milaza avokoa ny olona rehetra fa hoe maty tanora izy tamin'ny faha-50 taonany, ary tonga saina tokoa aho avy eo fa 50 taona ny taham-pahavelomana any Oganda. Fantatrao ve fa efa tantara taloha aty amin'ny firenena Afrikana maro ny maty efa zokiolona? Fantatrao ve fa Irakiana maro isan'andro no miatrika dona tahaka ity tsapantsika tamin'ny fahafatesan'ny MJ ity ? Miantraika amin'ny vahoaka any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo ny tahotry ny ho faty sy ny hoavy tsy fantatra ho an'ireo zanany.

Nandà ireo tsikera ireo i Omar Basawad avy ao amin'ny Safari Notes ary nifantoka tamin'ireo talenta manatantara an'i Jackson:

Whatever might be said about Michael Jackson, whatever one might think of him – one thing is certain: he defined an era.

Na inona na inona azo lazaina momba an'i Michael Jackson, na inona na inona mety hoeritreretin'ny olona momba azy dia zavatra iray no azo lazaina: namaritra vanim-potoana iray izy.

“RIP MJ”, hoy ny nosoratan'ilay bilaogera Kenyana, WildeYearnings. “Manana ny lanitra iray manontolo ianao izao handihizana ny moonwalk (ny dia eny amin'ny volana)  …”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.