- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mangorona mena: fankalazana ny taombaovao shinoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Taiwan (ROC), Fivavahana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Eo am-panolorana emboka manitra ao amin'ny Tempoly Grand Matsu [1] (大天后宮) ao Tainan, Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Fety mifaka ao amin'ny fombandrazana ara-pambolena izay ankalazaina amin'ny fiafaran'ireo volana amin'ny ririnina ny taombaovao shinoa. Manomboka ny 24 janoary 2020 amin'ny misasakalina ny taombaovao manara-bolana ary haharitra andro maromaro raha manamarika ny fialana amin'ny Taonan'ny Kisoa mankany amin'ny taonan'ny Voalavo ny olona avy amin'izao tontolo izao

Miovaova isa-taona ny daty fankalazana noho ny fiankinany amin'ny fanisana andro manara-bolana sy masoandro [2] ary mifanandrify amin'ny fipoiran'ny volana vaovao [3] ao anatin'ny vanim-potoana manomboka amin'ny faran'ny hjanoary ka hatramin'ny tapaky ny volana febroary. Izany ihany koa no antony hamariparitana azy amin'ny anarana samihafa sy hankalazana azy ao amin'ny kolontsaina aziatika atsinanana. Voambolana iraisana iray, ampiasaina indrindra indrindra ao Shina, ny Fetiben'ny Lohataona (春节). Ny Vietnamiana mampiasa ny voambolana Tết [4] (izay midika hoe fety ary avy amin'ny anarana feno hoe Tết Nguyên Đán na ‘Fetin'ny maraina voalohany amin'ny andro voalohany’), raha lazain'ny kolontsaina Tibetana ho Losar [5] (ལོ་གསར་, midika ara-bakinteny hoe ‘Taona Vaovao’) kosa. Ankalazaina amin'ny fomba ofisialy ao Taiwan, Japana, Korea Atsimo, Singapaoro, ary avy amin'ireo ampielezana mpiteny shinoa manerana izao tontolo izao ny taombaovao manara-bolana. 

Arendrina mampiseho ny tarehintsoratra 春 na lohataona milaza ny fetiben'ny lohataona, ao Tainan, Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny herin'ny mena: fandroahana bibidia mahomby 

Na mialoha na mandritra ny taombaovao shinoa, manjakazaka na aiza na aiza ny loko mena amin'ny varavarambe, trano, tempoly na karatra firariantsoa, ary amin'ny akanjo isafidian'ny olona hotafiana.

Tsena andalambe mivarotra firavaka amin'ny taombaovao ao Tainan ao Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Avy amin'ny angano [6] iray milaza bibidian'arirarira iray nantsoina hoe ny Nian [7] hanafika ny mponina ao an-tanànakely iray sy hihinana azy ireo no niaingan'ity fankalazana ity — rehefa nisy lahiantitra iray, izay nitafy mena indrindra, nanambara fa hiambina ny tanàna izy amin'ny alina ary namelona tsipoapoaka, izay nampandositra ilay bibidia. Avy amin'izany no nahatonga ho fomba ny mitafy sy mampiseho mena, ary tahaka izany ihany koa ny mampiasa tsipoapoaka mba hanesorana ireo ‘onja miiba’ rehetra tao amin'ny taona nialoha azy, ary avy amin'izany dia mba ho ny tsara no ho tonga rehefa avy ny (taona) vaovao. 

Akanjo taombaovao aranty ao Tainan ao Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny antokon-kintana shinoa

Ao amin'ny fomban-drazana shinoa, aseho amin'ny alalan'ny iray amin'ireo biby miavaka [8] miisa 12 ny taona tsirairay. Ny taombaovaon'ny taona 2020 dia manamarika ny fandalovana avy amin'ny taonan'ny kisoa mankany amin'ny taonan'ny voalavo, izay biby voalohany amin'ny tsingerin'ny taona miisa 12. 

Ny tarehintsoratra shinoa ampiasana dia ny shu na  [9]izay, noho ny tsy fanavahany ny totozy sy ny voalavo, miteraka ireo fandravahana maro amin'ity taona ity amin'ny endrika totozy, izay matetika lokoina mena.

Harendrina mampiseho totozy mena ao Tainan, Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ampiasaina betsaka ao Japana, Korea, Vietnam, Kambodza ary Thailandy ihany koa ireo anaran'antokon-kintana sy ny sariohatra entina anehoana azy ireo. 

Fandravahana an-tanandehibe fakana sarintava ao Tainan, Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Fiarahan'ny fianakaviana misakafo sy fitsidihana tempoly 

Ny ivombesatry ny fankalazana ny taombaovao dia ny fiarahan'ny fianakaviana misakafo izay mila ny rehetra ao amin'ny fianakaviana, tsy anavahana taranaka, hiangona amin'ny toerana iray mba hiaraka mihinana. Miavaka araka ny toetany sy ny nahandro ao an-toerana ny sakafo aroso amin'izany. Any Shina avaratra, matetika izany atao kimofomofo, antsoina hoe jiaozi [10], raha amin'ny kolontsaina shinoa atsimo kosa dia ahitana mofomamy be lakiremin'ny taombaovao antsoina hoe niangao [11]. Indreto ny sasantsasany amin'ireo nahandro nentim-paharazana avy ao avaratra:

Mitsidika tempoly ao an-toerana ihany koa ny fianakaviana ora vitsivitsy na maromaro mialoha ny taombaovao mba hivavaka hisian'ny fanambinana, fahasalamana ary fahombiazana amin'ny tetikasa sy fanadinana isan-karazany. Ahitana andro manokana izay voamariky ny fombafomba manokana ihany koa, izay matetika fitsidihan'ny fianakaviana, ny tapabolana manaraka.

Fitsidihana tempoly iray ao an-toerana mialoha indrindra sy sasakalina ao Tainan, Taiwan. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Araka ny fanarahana antokon-kitana shinoa, misariohatra sy mamariparitra izay andrasana amin'ny taona ny biby tsirairay — ary raha mino ny vintana shinoa isika [12], dia mampanantena ny hahaliana ny taona 2020: “Amin'ny maha-biby mahay sy mahatsapa tsara ny tontolo iainany sady mahafantatra ny fotoana ihetsehana, iray amin'ny marika tsara indrindra amin'ny antokon-kitana shinoa ny voalavo.”

Olona iray mahafehy tsara ny fijerena ny ho avy amin'ny felantanana, monina ao Hong Kong, no manolotra faminaniana amin'ny antsipirihany [13] ho an'ny marika antokon-kintana tsirairay: “Momba ny fikarohana ny lalàna sy ny fikorianan'izao rehetra izao izany. Rehefa hainao ny mikajy azy, dia azonao atao ny milaza mialoha ny fironan'ny zavatra rehetra.”

Na ahoana na ahoana, 新年快樂! Mifalia Taombaovao!