- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tia tanindrazana shinoa mamaly bontana tamin'ny nanaovan'ny Danoà sary viriosy tamin'ny sainan-dry zareo

Sokajy: Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana, Danemarka, Shina, Fahalalahàna miteny, Fahasalamàna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Sary avy amin'ny Stand News maneso ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina izay nanoloana ho sarim-biriosy ny sarin-kitana mahazatra ary nametrahana ny sarin'ny mpitarika Xi Jinping amin'ny ankavanana. Nahazoana alalana.

Nangatahan'ny ambasady shinoa tao Danemarka ny gazety danoà mpivoaka isan'andro be mpamaky Jyllands-Posten [2] hiala tsiny amin'ny sariitatra iray namadika ny sary kintana amin'ny sainam-pirenen'i Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (PRC) ho lasa sary viriosy. Nivoaka tamin'ny 27 janoary ny sariitatra hanasongadinana ny hetsika voalohany nataon'i PRC hanafina ny fielezan'ny coronavirus-n'i Wuhan izay efa lasa niely nanerana izao tontolo izao. Rehefa naneho hevitra tamin'ny zava-nitranga ny Praiminisitra danoà tamin'ny fanondroana ny tarazon'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena [3], dia nihaika ady an-tserasera ny Shinoa tia tanindrazana amin'ny fandrabirabiana ny sainam-pirenena danoà.

Tamin'ny 31 janoary, misy ny fanamafisana fa efa ampolony ny tranga coronavirus-n'i Wuhan ao Eoropa [4]. Ao Shina, 9.692 ny tranga voamarina [5], miisa 15.238 ny ahiahin-tranga, ary 213 no maty.  Maro ny mpitsikera no nanondro fa ny tsy nampahafantaran'i Shina ny zavamisy amin'ny olom-pireneny [6] momba ny valan'aretina tamin'ny Desambra 2019 no nitarika nankany amin'ity krizim-pahasalamana manerantany [7] ity. Nambaran'ny Fandrafetana Manerantany misahana ny Fahasalamana (OMS=WHO) ny vonjy taitra ara-pahasalamana manerantany [8] rehefa niely nanerana ny firenena nandritra ny fifindrana faobe tamin'ny taombaovao manara-bolana tamin'ny tapaky ny volana janoary ilay coronavirus vaovao.

Ho an'ny maro ao Shina, nandòna ny hambom-pom-pirenena ilay nanesoana ny sainam-pirenen'i PRC. Namoaka fanambaràna [9] mitaky fialantsiny avy amin'ny gazety androtr'iny ihany ny ambasady shinoa:

Without any sympathy and empathy, [the cartoon] has crossed the bottom line of civilized society and the ethical boundary of free speech and offends human conscience…We express our strong indignation and demand that Jyllands-Posten and [cartoonist] Niels Bo Bojesen reproach themselves for their mistake and publicly apologize to the Chinese people.

Tsy misy fangorahana na famindram-po, nihoatra ny fefin'ny fiarahamonina sivilize ilay sariitatra sy ny fetra ara-etika ny fahalalaham-pitenenana ary manitsakitsaka ny tsikalakalam-pieritreretana mahaolombelona… Maneho ny fahatafintohinanay izahay ary mitaky amin'ny Jyllands-Posten sy [ny mpanao sariitatra] Niels Bo Bojesen hanome tsiny ny tenany tamin'ny fahadisoan-dry zareo ary hanao fifonana ampahibemaso amin'ny vahoaka shinoa.

Tsy nisy fifonana nivoaka na izany aza ary gazety maro tao Eoropa no namoaka indray ilay sariitatra ho karazana fiampangana ilay fanambaràna shinoa. Ankona i Shina rehefa naneho hevitra tamin'ilay zava-nitranga ny Praiminisitra Danoà Mette Frederiksen tamin'ny fiarovana ny tarazon'ny [10] fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena:

I have nothing more to say but that we have a very, very strong tradition in Denmark not only for freedom of expression, but also for satire drawings, and we will have that in the future as well… it is a well-known Danish position, and we will not change that.

Tsy manan-javatra hafa holazaina aho fa tena matanjaka dia matanjaka ny tarazonay eto Danemarka tsy amin'ny fahalalaham-pitenenana ihany, fa amin'ny fanaovana esoeso an-tsary, ary mbola hisy hatrany ny toy izany amin'ny hoavy… Fotokevitra danoà malaza izany, ary tsy hanova izany izahay.

Mandritra izany fotoana izany ny mpiseraseran'i Hong Kong nanondro fa efa nivoaka voalohany tao amin'ny seha-baovao The Stand News miorina ao Hong Kong tamin'ny 23 janoary (jereo ny sary eo ambony indrindra) ny “sainam-biriosy shinoa”. Namoaka sary fanesoana hafa iray hafa indray io tranonkalam-baovao antserasera io tamin'ny nanaovany tatitra ny fanambaràn'ny ambasady shinoa:

[11]

Sary avy amin'ny Stand News, nahazoana alalana.

Raha ny marina dia maro ny esoeso ara-politika amin'ny sariitatra no mampiasa ny sainam-pirenena shinoa an-tserasera:

‘Maivana i Danemarka fa matanjaka i Shina’

Fa tsy eo amin'ny toerana afa-maneso an'i Shina i Danemarka ho an'ireo Shinoa tia tanindrazana antserasera. Indro ny iray amin'ny petrakevitra shinoa mivezivezy be an-tserasera:

Raha miady amin'ny coronavirus ny vahoaka shinoa, mamoaka sariitatra iray manompa an'i Shina ny gazety danoà Jyllands-Posten, manararaotra ny fahorian'ny vahoaka mba hanintonana ny fifantohana ary mampiasa ny fomba fiteny “demaokrasia” sy ny “zon'olombelona”. Fihatsarambelatsihy tanteraka sy ambany dia ambany. Fanehoan-kevitra avy amin'ireo Shinoa mpiserasera ampitan-dranomasina: nandritra ny ady lehibe faharoa, nitolo-batana tamin'i Alemaina tao anatin'ny efatra ora i Danemarka. Niady nandritra ny 14 taona i Shina [nandritra izany vanim-potoana izany]. Dombo mihitsy i Danemarka tamin'ity indray mitoraka ity.

Tao anatin'izany fomba fandresen-dahatra izany dia nipongatra antserasera ireo sary maro dia maro anesoana ny sainam-pirenena danoà. Indreto ny sasantsasany manasongadina ny tantaran'ny “4 ora dia nibaboka”:

Eh! jereo. hevitra mety ! ! !

Misy ihany koa ireo manafintohina, tahaka ity iray ity:

Miseho azy ho milay tokoa ilay firenena kely tsy haninon-tsy haninona. Mandray ny fahalalaham-pitenenana ho tena izy, samy hanonona fehezanteny iray avy ny shinoa 1,4 miliara, ary hampianatra ity firenena ity izany hoe mitomany.

Misy ihany koa ireo mampiasa ny sariohatra Nazi hanivaivana ny sainam-pirenena danoà, ohatra tena vitsy dia vitsy amin'izany mivezivezy ao amin'ny Twitter ireto manaraka ireto: