- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Lasa iraisam-pirenena ny Hip Hop 

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra nvoaka tamin'ny volana Novambra 2007)

Tamin'ity herinandro ity, tsy niresaka afa-tsy ny fivoahan'ny lahatsary fanadihadiana vaovao ny tontolon'ny bilaogy Maraokana – na tao an-toerana na tany ivelany – momba ny nampalaza vetivety ny hip hop tao Maraoka. Mitondra ny lohateny hoe “I Love Hip Hop in Morocco [1]” (Tiako ny hip hop ao Maraoka) ilay sarimihetsika ary notontosain'i Joshua Asen [2], nahazo vatsim-pianarana avy amin'ny Fulbright  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jennifer Needleman, izay nanaraka an'i Asen raha niara-miasa tamin'ireo mpanakanto teo an-toerana izy mba hikarakara ny fetiben'ny hip hop tamin'ny tanàndehibe miisa telo. Nanjary nalaza be tany Maraoka ny hip hop tato anatin'ny taona vitsivitsy; vao haingana no nipoitra tamin'ny dokambarotra lehibe nataon'i Maroc Telecom [3] i H-Kayne sy Bigg – mpanakanto roa naseho tamin'ilay sarimihetsika.

Nahita ilay horonantsary tamin'ny faran'ny herinandro ary nizara ny heviny i Laila Lalami [4]:

The picture follows several hip hop bands (H-Kayne, Fnaire, DJ Key, Bigg, Brown Fingazz, and Fati Show) as they attempt to set up a hip hop festival in three big cities: Meknes, Marrakesh, and Casablanca. They try to get funding and sponsorship, they rent space, they get permits, they print flyers, they rehearse, and as we follow them through this journey we get a rich portrait of these artists. We visit with DJ Key at home and hear about how he abandoned his work in an architecture firm to focus on hip hop. We hear about the choices they make in their lyrics. For example, the members of Fnaire refuse to use the word ‘fuck’ (“We don't talk like that”) while solo rapper Brown Fingazz defends his use of the epithet ‘nigga’ to refer to himself and his friends in the medina. They share their struggles, particularly with freedom of speech and with logistical support. They talk about their private lives. The only woman rapper in the film is a young high school girl in Fez, whose parents are extremely supportive, but who has to win the crowd when she goes on stage during the festival. If you have a chance to see this film at the festival near you, don't miss it.

Manaraka tarika hip hop maromaro (H-Kayne, Fnaire, DJ Key, Bigg, Brown Fingazz, ary Fati Show) ny sarimihetsika rehefa nikasa ny hikarakara ny fetiben'ny hip hop any amin'ny tanàndehibe miisa miisa telo: Meknes, Marrakesh, ary Casablanca izy ireo. Niezaka nitady famatsiam-bola sy fanohanana ara-bola izy ireo, nanofa toerana, nahazo fahazoan-dàlana, nanao pirinty ireny taratasy kelinà dokambarotra ireny, nanao famerenan-kira ary raha nanaraka azy ireo izahay nandritra izany fotoana izany dia nahazo sary betsaka tamin'ireto mpanakanto ireto. Nitsidika an'i DJ Key tany an-tranony izahay ary nahafantatra ny fomba nialany tamin'ny asany tao amin'ny orinasa mpanao maritrano mba hifantoka tamin'ny hip hop. Henonay ny fomba nisafidian-dry zareo ny tononkirany. Ohatra, nandà ny hampiasa ny teny hoe ‘fuck’ (“Tsy miteny toa an'izany izahay) ny mpikambana ao amin'ny Fnaire raha ilay mpihira rap Brown Fingazz kosa niaro ny fampiasany ny teny hoe ‘nigga’ mba hilazany ny tenany sy ny namany ao amin'ny medina. Nizara ny tolona nataony izy ireo, indrindra tamin'ny fahalalahana miteny sy tamin'ny fanohanana ara-pitaovana. Niresaka ny fiainany manokana izy ireo. Tovovavy tanora mpianatry ny lisea any Fez no hany vehivavy mpihira rap ao amin'ny sarimihetsika, izay tohanan'ny ray aman-dreniny, nefa tsy maintsy mandresy (mahazo ny fon’) ny vahoaka rehefa miakatra an-tsehatra mandritra ny fetibe. Raha mahita ity horonantsary ity ianao any amin'ny fetibe akaiky anao, aza adinoina ny mijery izany.

Nizara tantara vitsivitsy momba ny hip hop Maraokana ny The Morocco Report [5]:

For those of you unfamiliar with the scene, you need only look around any of Morocco’s bigger cities (and even some of the smaller towns) to see kids dressed in the latest hip-hop fashions (a phrase often taught in English language schools) and Yankees caps, imitating their favorite American, French and now Moroccan hip hop stars.

Popular Moroccan MCs include Bigg, who speaks fluent English and raps about the problems facing his country; H-Kayne, one of the oldest groups and from Meknes, where I lived for two years; and Fnaire, another group featured in the documentary.

Ho an'ireo izay tsy dia mahafantatra loatra ity karazana mozika ity dia jereo fotsiny izay tanàna lehibe any Maraoka (eny fa na dia ny tanàna kely koa aza) mba hahitana ireo ankizy mpanao akanjon-damaody hip-hop (fampiasa matetika ampianarina any an-tsekoly miteny Anglisy) miaraka amin'ny kasikety  Yankees, maka tahaka ireo kintan'ny hip hop Amerikana, Frantsay ary ankehitriny Maraokana ankafizin'izy ireo.

Anisan'ireo MCs Maraokana malaza i Bigg, izay mahay miteny Anglisy ary mihira rap momba ireo olana atrehin'ny fireneny; H-Kayne, iray amin'ireo tarika tranainy avy ao Meknes, izay nipetrahako nandritra ny roa taona; ary Fnaire, tarika iray hafa hita ao amin'ilay horonantsary fanadihadiana.

Hoy ny fanehoan-kevitra tao amin'ilay lahatsoratra:

I saw the West Coast Premiere of ‘I Love Hip Hop in Morocco’ at the Arab Film Festival–San Francisco. Josh Asen was there and took questions about the film. I really enjoyed the film and wish that more people would take the idea of “hip hop diplomacy” more serious. If you liked this film…check out the trailer for ‘Sling Shot Hip Hop’ on You Tube. It’s a similar idea, but covers the Palestinian Hip Hop groups around Gaza, West Bank, Akka, Lid, Tel Aviv and more. Director Jackie Salloum has been working on it for a few years and it’s similar to ‘I Love Hip Hop in Morocco.’ In fact, I asked Josh about it after the premiere and he said ‘Sling Shot’ inspired him to make this film.

Nahita ny fandefasana voalohany ny ‘I Love Hip Hop in Morocco’ tany amin'ny Morontsiraka Andrefan'i Etazonia aho, Fetiben'ny Sarimihetsika Arabo any San Francisco. Tao i Josh Asen ary namaly fanontaniana momba ilay horonantsary izy. Tena tiako tokoa ilay horonantsary ary manantena aho fa mbola ho maro ny olona no handray matotra ny hevitry ny “diplaomasian'ny hip hop”. Raha tianao ity horonantsary ity dia jereo ny lahatsary ao amin'ny You Tube ‘Sling Shot Hip Hop’. Mitovy ny hevitra ambarany saingy momba ny tarika Hip Hop Palestiniana manodidina an'i Gaza, Amoron'i Jordana, Akka, Lid, Tel Aviv ary maro hafa no resahana ao. Niasa tamin'izany nandritra ny taona vitsivitsy ny Tale Jackie Salloum ary mitovy amin'ny ‘I Love Hip Hop in Morocco’ izany. Raha ny marina, nanontaniako an'i Josh momba izany taorian'ny fandefasana voalohany ilay horonantsary ary nilaza izy fa nanome aingam-panahy azy ny ‘Sling Shot’ tamin'ny fanatontosana ity horonantsary ity.

Nidera [6] ny hetsika i Lalla Lydia:

These festivals, like the Slam ou Klam [7] Festival in Fes (I think it shows a lot that one of Morocco's most “traditional” Arab cities is also the home to such an innovative world music scene) featuring improv rap slamming, DJ spinning, breaking and musical performance by Morocco's most prominent artists are receiving support not only from a small number of Americans who are plugged into the scene there, but more importantly from the American government in Morocco itself. It's so cool that chose to develop this program with the support of his Fulbright scholarship.

Ahitana ny freestyle, ny slamming, ny DJ spinning, ny breaking ary ny fampisehoana mozika ataon'ireo mpanakanto malaza indrindra any Maraoka ireo fetibe toy ny Fetiben'ny Slam sy Klam [7] any Fes (iray amin'ireo tanàndehibe arabo “nentim-paharazana” indrindra any Maraoka izay ahitana ny sehatry ny mozika manerantany mivoatra be toy izao) ary nahazo fanohanana avy amin'ny Amerikana vitsivitsy izay tonga teny an-toerana sy indrindra indrindra nahazo fanohanana avy amin'ny governemanta Amerikana tany Maraoka ihany koa. Tena mahafinaritra tokoa ny safidin'izy ireo ny hanatontosana ity horonantsary ity niaraka tamin'ny fanohanan'ny vatsim-pianarana Fulbright.

Naseho tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisam-pirenena Queens [8] any Queens, New York ny I Love Hip Hop in Morocco.