- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonga hatrany Amerika Atsimo ny setroka avy tamin'ny afo tany Aostralia

Sokajy: Amerika Latina, Aostralia, Arzantina, Brezila, Orogoay, Shily, Mediam-bahoaka, Siansa, Tontolo_iainana, Voina
[1]

Raho-mainty. Saripika avy amin'ny Piqsels.com. CC0 azon'ny rehetra ampiasaina.

Gaga ireo Shiliana tamin'ny andro nandrahona teo antenatenan'ny volana Janoary – toetr'andro tsy fahita firy amin'ny fotoanan'ny asara any amin'ny firenena. Vokatry ny setroka nateraky ny «fahamaizana tsy hita pesipesenina» tany Aostralia, izay nipaka tany Amerika Atsimo tamin'ny herinandro lasa, araka ny tatitry ny BBC [2] no nahatonga ity zavatra hafahafa ity. Niharan'izany ihany koa i Shily, Orogoay, Arzantina ary Brezila .

Tany Aostralia, efa ho 6.000 km² ny tanety may taorian'ny fihanaky ny doro tanety nohamafisin'ny fiovan'ny toetr'andro [3]. Namoizana ain’olona miisa 27 ny afo ary, araka ny tombantombana iray [4], dia biby amina miliara mahery ihany koa no maty. Nahavita namakivaky 12.000 kilometatra hatrany Shily ny setroky ny lelafo vantany vao nahatratra [5] ny faritra ambany indrindra amin'ny tany (stratosphere), tsy nisy nanelingelina. Tsy nampidi-doza ho an'ny fahasalaman'ny mponina ny setroka tonga tany Amerika Atsimo, tsy toa ny tany Aostralia.

Nizara sary mampiseho ny lalan'ny setroka manerana ny Oseana Pasifika ny sarin'ny foibe mpamantatra ny toetry ny andro ao Shily:

Mampiseho ny setroka (volontany matsora) avy amin'ny fahamaizana tsy voafehy doro ala aostraliana ny sary (loko marina RGB avy amin'ny GOES-16). Nentin'ny onjan-drivotra mandra-pahatonga tany Shily sy Arzantina ny setroka.

Araka ny gazety Shiliana La Tercera [12], rakotry ny rahona ny lanitry ny renivohitra Santiago ka nahatonga ny maripana somary nidina.

Tahaka izany ny endriky ny lanitra tany Valizas, Orogoay. Nizara ity sary ity ilay mpanao gazety Alberto Siva ary nanazava fa nanova ny lokon'ny masoandro mody ny setroka, araka ny nohamafisin'ny Ivontoerana Famantarana ny Toetr'andro any Orogoay (INUMET) azy.

A totally #globalized world…
The #INUMET confirms that the special color of the sunset is due to the smoke from the #fires in #Australia.
What happened in Chile and Argentina arrived to Uruguay and was captured in this photo in #Valizas above the creek bed…

Tontolo #miaina tanteraka anaty fanatontoloana…
Nanamafy ny #INUMET fa vokatry ny setroka avy amin'ny #afo tany #Aostralia ny loko hafa kelin'ny masoandro mody.
Tonga tany Orogoay ny zava-niseho tany Shily sy Arzantina ary azo tamin'ity sary ity tao #Valizas teo ambonin'ny renirano…

Ary izao no fijery ny filentehan'ny masoandro avy any Buenos Aires sy Patagonia:

Filentehan'ny masoandro tany Patagonia.

Nizara ny heviny momba ireo toe-javatra ireo ihany koa ny olona. Nisioka momba ny fomba ifandraisan'ny olana ara-tontolo iainana manerantany i Ramiro Diez.

Nanarona an'i Shily sy Arzantina tamin'ny ampahany ny rahon'ny setroka maivana. Avy amin'ny afo mirehitra tany Aostralia izany. Amin'ny fianarana ny tontolo iainana, tsy misy zava-mitranga amin'ny “hafa”. Mihatra amintsika rehetra ny zava-drehetra amin'ny ekolojia. Tsy misy ny sisintany amin'ny ekolojia.

Nandefa sioka momba ny hakiviany mikasika ny tsy firaharahian'ny olona sasany ny fihafanana manerantany i Nano Stern, mpitendry mozika Shiliana:

Tonga tany Shily ny setroka
Avy amin'ny afo tany Aostralia…
Miaina ny valifatin'ny
planeta isika vokatry ny fitrandrahana be loatra.
Manohina ahy ny misaintsaina izany:
Mirehitra izao tontolo izao
ary mbola misy ny olona sasany mandà
fa mihamafana ny tany.
Mety hoe mbola mandainga ihany ve ireto olona ireto
raha tsy maty an-drano izy ireo amin'ny farany ?

Mandritra izany fotoana izany, olona maherin'ny 30.000 [24] tao Sidney, Aostralia no nanao fihetsiketsehana nanohitra ny fitantanan'ny governemanta ny krizy vokatry ny afo ary nandrisika hanao hetsika ara-toetr'andro bebe kokoa ny Alahady 12 Janoary 2020.