
An'arivony no nandray anjara tamin'ny hazakaza-panoherana tao Bangkok. Saripika avy amin'ny pejy Facebook ‘Hazakazaka manohitra ny jadona’
Tamin'ny 12 Janoary 2020, vahoaka tombanana any amin'ny 13.000 any ho any no nanatevin-daharana ny ‘Hazakazaka anoherana ny jadona‘ tao Bangkok, Thailandy na dia teo aza ny fandrahonana hisambotra sy ny fampitahoran'ny polisy. Lanonana hazakazaka fanalana andro maro mitovy lohahevitra aminy ihany koa no tontosaina any amin'ny faritany hafa, ary eny fa na hatramin'ny firenenkafa aza.
Ity no hetsika lehibe indrindra nanoherana ny governemanta hatramin'ny nandrombahan'ny tafika ny fahefana tamin'ny taona 2014. Nisy fifidianana notontosaina tamin'ny taona 2019 saingy nilaza ny mpitsikera fa manohy amin'ny fanjakazakana ny fanjakam-birao ny miaramila. Ny praiminisitra Prayuth Chan-ocha mitondra amin'izao fotoana izao no lehiben'ny tafika nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014.
Nomanina ny lanonana hanehoana ny fitohizan'ny fitakiam-bahoaka amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny zo ara-demaokratika. Nampitondraina ny lohahevitra hoe ‘Wing Lai Lung’ izay midika hoe ‘Hazakazaka hanesorana ny dadatoa’, milaza ny governemantan'i Prayuth izay voampanga ho manohintohina ny fahalalahan'ny olompirenena izany na dia misy filazana fa efa vita ny fitondrana ara-miaramila.
Hatramin'ny volana desambra namelomana ny lanonana, nilaza ireo mpanomana fa ilain'ny manampahefana manerana ny firenena vaniny ireo mpikambana ao amin-dry zareo. Nofoanan'ny fiadidiana isa-toerana ny fanomezana alalana any amin'ny faritany sasany. Nanaovan'ny polisy famotorana ireo mpikatroka ahiana ho nanomana ny lanonana.
Andro vitsivitsy talohan'ny lanonan'ny 12 Janoary, namoaka matoandahatsoratra mitsikera ireo valinteny mifanohi-kevitra ataon'ny manampahefana sasany ny Bangkok Post:
The reactions by the authorities and intimidation tactics are not just wrong but also absurd. Yet, it no laughing matter either. As the country has returned to democracy, no citizen should face such intimidation.
Tsy vitan'ny hoe diso fa fahadalàna ihany koa ny setriny ataon'ny manampahefana sy ny tetika fampitahorana. Ary tsy misy zavatra natao ihomehezana ihany koa. Raha miverina ho ao amin'ny demaokrasia ny firenena, dia tsy tokony hisy olom-pirenena hiatrika fampitahorana tahaka izao?
Namoaka taratasy ara-pitsarana miaro ny zon'ny mpandray anjara amin'ilay hazakazaka fanoherana ny Mpisolovava Thailandey mandala ny Zon'Olombelona:
Run Against Dictatorship is a legitimate expression approved by the Constitution. If the organizers of the event do want to arrange it in the form of rally or public assembly, they must notify the police. The police, however, have no power to prohibit the activity.
Fomba fanehoan-kevitra ara-drariny ankatoavin'ny Lalampanorenana ny Hazakazaka anoherana ny Jadona. Raha tian'ny mpikarakara ny handamina azy amin'ny endrika fivoriana na famoriam-bahoaka, dia tsy maintsy mampilaza ny polisy ry zareo. Tsy manana fahefana handrara ilay hetsika kosa anefa ny polisy.
Nirohotana ny farangoteny Twitter #วิ่งไล่ลุง (#HazakazakaAnoheranaJadona) tao Thailandy tamin'ny 12 Janoary. Indreto ambany indreto ny sasantsasany amin'ireo sarin'ny lanonana:
Thousands gather for ‘Run Against Dictatorship’ event in #Bangkok. #วิ่งไล่ลุง #RunAgainstDictatorship pic.twitter.com/oLyKEpO1CA
— Randy Thanthong-Knight (@siraphobknight) January 11, 2020
An'arivony ireo niangona tamin'ny hetsika ‘Hazakazaka anoherana jadona’ tao Bangkok
As a former protester, have to say this ‘Rid of Uncle’ event is extraordinary well run, the media access, the medical station, trash management, runners queue up door food, new generation success #วิ่งไล่ลุง #Thailand pic.twitter.com/uoM2QWgQex
— Rajprasong_News (@Rajprasong_News) January 12, 2020
Amin'ny maha-mpanao fihetsiketsehana ary taloha, tsy maintsy milaza izao, nandeha tsara tokoa ny ‘Fanesorana an'i Dadatoa’, ny fidirana amin'ny fampitam-baovao, ny tobim-pitsaboana, ny fitantanana ny fako, ny filaharan'ny mpihazakazaka mankany amin'ny varavaran-tsakafo, fahombiazan'ny taranaka vaovao.
Tank, rabbit and little kids join “#RunAgainstDictatorship” in central Bangkok #วิ่งไล่ลุง #Thailand pic.twitter.com/qsWTT2khHV
— Tan Hui Yee (@Tan_Hui_Yee) January 12, 2020
Fiara mifono vy, mandray anjara amin'ny ‘Hazakazaka anoherana jadona’ ny bitro sy ny kilonga kely ao afovoan'i Bangkok
#Chiangmai and around #Thailand today, host the #RunAgainstDictatorship. The peoples take the streets in order to call for dictator gov't , #Prayuth to go & return country to real democracy and we demanding political participation, democracy, human rights and #developmentjustice pic.twitter.com/qjhmnCq2Xh
— Matcha Phorn In (@Matcha_Phornin) January 12, 2020
Chiangmai sy manerana an'i Thailandy androany, mampiatrano ny ‘Hazakazaka anoherana jadona’. Midina eny an'arabe ny olona mba hiantso ny gov't jadona Prayuth handeha sy hamerina ny firenena ho any amin'ny tena demaokrasia ary takianay ny fandraisana anjara ara-politika, ny demaokrasia, ny zon'olombelona ary ny fampivelaran-drariny.
Mandritra izany fotoana izany ny pro-governemanta nikarakara fivoriambe tamin'io andro io ihany ary amin'ny lohahevitra hoe ‘Dern Cheer Lung’ (Mandeha manohana an'i dadatoa). Manodidina ny fito ka hatramin'ny valo arivo any no nanatevina ny fivoriana izay notanterahana ihany koa tao Bangkok fa tany amin'ny zaridaina hafa.
At the same time as the #วิ่งไล่ลุง #RunAgainstDictatorship, a crowd has also built in Bangkok to support Prime Minister Prayuth Chan-ocha with hashtag #เดินเชียร์ลุง Crowd not nearly as big as the other event but definitely over a thousand here. pic.twitter.com/sUReBCA8I4
— Matthew Tostevin (@TostevinM) January 12, 2020
Tamin'izany fotoana izany ihany koa tahaka ny tamin'ny #วิ่งไล่ลุง Hazakazaka anoherana ny jadona, niforona tao Bangkok ihany koa ny vahoaka manohana ny praiminisitra Prayuth Chan-ocha miaraka amin'ny farangonteny #เดินเชียร์ลุง
Nahazo tanjaka avy amin'ny fahombiazan'ny ‘Hazakazaka anoherana ny jadona’, nilaza ny mpikarakara fa efa eo ampanomanana hazakazaka manaraka indray ry zareo izay hotanterahana any Chiang Mai, avaratr'i Thailandy amin'ny 2 Febroary.