- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Lahatsary] Ny vahoaka tompotany sy ny fampiasana ny teknolojia ankehitriny

Sokajy: Mediam-bahoaka

Sehatra iray mora asongadina amin'ny endriky ny fampiasana, ny fampiharana ary ny fifandraisana napetraky ny vahoaka indizeny tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny teknolojiam-baovao sy ny serasera (TIC), ny aterineto ary ny tambajotra sosialy ny fanjakan'i Oaxaca. Raha heverintsika ny fombam-pifandraisana lehibe indizeny tany Oaxaca dia afaka manamarika fotoana roa isika nanamafisana sy niraisankina: ny fitroarana Zapatista tamin'ny taona 1994 sy ny hetsika tamin'ny taona 2006 tany Oaxaca.

Saingy ankoatra ny olana nateraky ny hantsana ara-teknolojia eo an-toerana, dia tianay ny hampiseho hoe aiza ho aiza ao anatin'ny fandraisana ny teknolojia no ahitana hetsika ara-politika sy ara-kolontsaina ary hatraiza ny anjara toeran'ny olona mandray anjara. Amin'izany no hahitantsika ny fampiasana ny tambajotra sosialy nomerika sy ny TIC any amin'ny tontolon'ny tompotany. Hahita tranga vitsivitsy isika izay ahitana ny fisongadin'ireo dingana toy ny fizakantena nomerika sy ny fananganana votoaty manokana.

Ny tanjon'ny lahatsary dia ny hampielezana sy ny hampahitana ny halehiben'ny fampiasan'ny vahoaka tompotany ao Oaxaca ny teknolojia nomerika, ny aterineto ary ny tambajotra sosialy. Nalaina tamin'ny volana Janoary 2018 ity lahatsary ity ary narafitra nandritra ny taona 2019. Nahazo fanohanana ara-bola avy amin'ny fandaharanasa UNAM-PAPIIT “Ny tambajotra sosialy sy ny vahoaka indizeny” IA300418 ihany koa izy io.

Créditos:

Investigación: Elena Nava

Trabajo en campo: Elena Nava y Damián López

Guión: Elena Nava y Leslie Cruz

Voz: Leslie Cruz

Cámara: Damián López

Edición: Leslie Cruz

Loharano:

Fikarohana: Elena Nava

Sehatr'asa : Elena Nava sy Damián López

Scénario: Elena Nava sy Leslie Cruz

Feo: Leslie Cruz

Fakantsary: Damián López

Famoahana: Leslie Cruz