Rakipeo miresaka ny maha-zava-dehibe ny hetsika amin'ny fameloman'aina ny fitenin'ny indizeny

Sarin'i Fabiana Condori Q.

Rakipeo natao hanabeazana sy hampahafantarana novokarina tamin'ny endriny fohy ireo rakipeo ireo ary ahitana ireo antsafa nifanaovana tamin'ireo mpikatroka nomerika toa an'i Héctor Martínez, Genner Llanes, Miguel Ángel Oxlaj, Yamanik Cholotío, Verónica Aguilar ary Jaqueline Alacán izay nanao fanentanana momba ny fameloman'aina indray ireo fitenin'ny indizeny nandritra ny Fetiben'ny Fitenin'ny Indizeny Latino-Amerikana amin'ny aterineto, natao ny 22-27 Oktobra 2019 tao Antígua sy Goatemala .

Nanomana izany fitaovana famokaram-peo izany ny mpamokatra ho toy ny fandraisana anjara ho famelomana indray ny fitenin'ny indizeny izay tafiditra ao anatin'ny Tambajotra KANQ (Kaqchikel, Kichwa, Aimará, Nasa Yuwe, Quíchua ary Q´echi´) rehefa avy nandray anjara tamin'ny hetsika telo toy ny Fetiben'ny Gabo (Medellin, Kolombia), ny Fihaonana Iraisam-pirenena momba ny Seraseran'ny Indizeny (Cusco, Però) ary ny Fetiben'ny fitenin'ny indizeny Latino-amerikanina amin'ny Aterineto (Antigua sy Goatemala), amin'ny maha-olona nasain'ny Deutsche Welle Akademie azy, izay tafiditra ao anatin'ny fiaraha-miasa Alemà sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy ao Ekoadaoro, Goatemala, Kolombia, Pero ary Bolivia, mba hizara traikefa sy hanao famokarana marobe mandritra ireo hetsika telo voalaza ireo.

Héctor Martínez (El Salvador)

Genner Llanes Ortíz (México)

Yamanik Cholotío (Guatemala)

Miguel Ángel Oxlaj (Guatemala)



Verónica Aguilar (México
)

Jaqueline Alacán (Guatemala)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.