Mpanora-gazety Thailandey voasazy noho ny lahatsoratra Twitter fifandirana arakasa nataony tamin'ny taona 2017

Ny mpanora-gazety thailandey Suchanee (Cloitre) Rungmueanpon. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube

Nomelohina higadra roa taona noho ny sioka iray nataony Twitter tamin'ny taona 2017 momba ny fifandirana arakasa teo amin'ny orinasa mpiompy akoho sy ny mpiasa mpifindramonina ao aminy ny mpanora-gazety thailandey Suchanee (Cloitre) Rungmueanpon.

Tamin'ny 24 desambra 2019 ny Fitsaram-Paritany Lop Buri no nahita an'i Suchanee ho meloka tamin'ny fanalam-baraka raha nisioka tamin'ny septambra 2017 fa nomena baiko ny orinasam-piompiana akoho Thammakaset hanome onitra ny mpiasa “noho ny fanandevozana arakasa”. Mpanangom-baovaon'ny Voice TV i Suchanee tamin'izany fotoana izany.

Voampanga ho ratsy fikarakara ireo mpiasa mpifindramonina miisa 14 tao aminy ny Thammakaset tamin'izany fotoana izany. Nametraka fitoriana maro tany amin'ireo sampandraharahan'ny governemanta ireo mpiasa, izay saika avy any Myanmar ny ankamaroany, tamin'ny filazana fa noterena ry zareo hiasa ora maro mihoatra nefa tsy nahazo tambin-karama, ary ambany noho ny karama farany ambany ny karaman-dry zareo, voafetra ny fahafahan-dry zareo mivezivezy ary noraofina ny pasipaoron-dry zareo.

Taorian'ny famotorana ny Departemantan'i Thailandy misahana ny Fiarovana arakasa sy ny fiarovana ara-tsosialy no nanome baiko ny orinasa hanome onitra ho an'ny mpiasa.

Nampita sioka avy amin'ny tsatoka Twitter avy amin'ny Tambajotran'ny Zon'ny Mpiasa Mpifindramonina niresaka ilay raharaha i Suchanee. Saingy nampangain'ny  Thammakaset ilay mpanora-gazety fa manala baraka ny orinasa tamin'ny fampiasana ny voambolana “fanandevozana arakasa” tao amin'ny fanehoan-keviny Twitter.

Manampy izany, nampangain'ny Thammakaset ireo mpiasany taloha, eny fa na hatramin'ny mpiaro ny zon'olombelona nanandrateny tamin'ity raharaha ity ho manala baraka.

Tamin'ny febroary 2019, fikambanam-piarahamonina sivily maro no nanasonia taratasy iray mandrisika ny manampahefana thailandey hitsipaka ny raharaham-pitorian'ny orinasa mpiompy akoho:

The complaints by Thammakaset appear to be reprisals brought to harass human rights defenders involved in exposing abuses. Such reprisals interfere with the work of human rights defenders and prevent the implementation of labor rights protections.

Hita ho valifaty natao hanositosehana ireo mpiaro ny zon'olombelona niditra antsehatra tamin'ny famoahana ho hitam-bahoaka ny fihoaram-pahefana ny fitorian'ny Thammakaset.  Manohintohina ny asan'ny mpiaro ny zon'olombelona ny valifaty tahaka izany ary misoroka fampiorenana ny zo arakasa.

Afaka noho ny fandoavana solofonja i Suchanee amin'izao fotoana izao. Mikasa ny hampakatra ny raharaha izy.

Ry havana,
Mankasitraka indrindra tamin'ny fanohananareo. Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny hatanjaka aho. Farafaharatsiny ho an'ny zazalahikeliko.
Suchanee Cloitre

Notabatabainy ihany koa ny toeran'ny fahalalaham-pitenenana ao Thailandy nandritra ny antsafa media iray:

There is a high level of self-censorship in Thailand…When you forbid freedom of expression… you forbid an open society.

Avo ny fanivanantena eto Thailandy… Rehefa rarànao ny fahalalaham-pitenenana… rarànao ny fiarahamonina misokatra.

Melohin'ireo mpanandra-pitenenana amin'ny media sy ny mpiaro ny zon'olombelona ny fanasaziana a,'i Suchanee. Tsikerain'ny Komity mpiaro ny mpanora-gazety ny fanapahan-kevitry ny fitsarana:

Journalists should never be jailed for their critical commentary on issues of public import. It’s high time Thailand repealed its draconian and abusive criminal defamation law.

Tsy tokony higadra mihitsy noho ny fanehoan-kevitra mitsikera amin'ny raharaham-bahoaka ny mpanora-gazety. Fotoana indrindra izao hanesorana ity lalànan'ny fanalam-baraka henjana sy mihoa-pefy ity.

Didy manafintohina amin'ny raharaha iray izay tsy tokony ilalaovan'ny fitsarana velively. Hatsikana ranoiray. Saingy ny iray izay mampisy fiantraikany iray mampihemotra amin'ny fahalalahana ara-panoratan-gazety.

Sariitatr'i Stephff amin'ny fampiasana ny lalànan'ny fanalam-baraka hamelezana ny mpanora-gazety

Jereo ity video (lahatsary) fohy ity handrenesanao ny sasantsasany amin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpiasa nitory arakasa ny Thammakaset eto ambany ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.