- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Firenena tsy ankatoavina ve i Taiwan?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Taiwan (ROC), Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Kianjan'ny Fahafahana ao Taipei nametrahana ilay fiara mifono vy nabontsina ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-30 [1] ny fandripahana tao Tiananmen naranty tamin'ny Mey 2019. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny sata ara-pitsarana an'i Taiwan no iray amin'izay ifandirana indrindra eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena. Ao Taiwan tenany, mijery ny nosiny ho fanjakana manana ny fiandrianam-pireneny ao ambanin'ny marika Repoblikan'i Shina (ROC) ny ankamaroan'ny mponina miisa 23 tapitrisa, raha misy ny ampahan'ny mponina miantso izany ho fahaleovantena tanteraka. Ao Shina, ny fijoroan-kevitry ny governemanta dia faritany i Taiwan izay ao anatin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (PRC), na dia tsy eo ambany fahefana ara-politika sy ara-pitantanam-panjakana aza amin'izao fotoana izao. Toherin'i Beijing mafy izay famariparitana an'i Taiwan ho fanjakana manana fiandrianam-pirenena na fahaleovantena. Samy manana ny heviny manoloana ny satan'i Taiwan ny olompirenena ao Shina tanibe, saingy farafahakeliny ampahibemaso, mirona hiaraka milahatra amin'ny fijerin'ny governemantany ry zareo. Iadiankevitra mafy ihany koa mandritra ny fanentanana fifidianana filoham-pirenena janoary 2020 ao Taiwan ity lohahevitra ity. 

Oviana no nitranga ny fivakisana? 

Avy amin'ny antoko politika roa izay efa niara-dia, ary avy eo niady an-trano, ary niafara amin'ny fitantanana zaratany samihafa ny niavian'ny andry roa misaraka, ny ROC sy ny PRC. 

Ny voalohany dia ny Kuomintang [2] (KMT, 中國國民黨 amin'ny teny shinoa, na ara-bakinteny dia Antoko Nasionaly Shinoa), antoko iray izay niorina tamin'ny taona 1911, raha nirodana ny fitohizan-tarana-panjakana shinoa Qing farany ary lasa repoblika [3] i Shina. Mifototra amin'ny fotokevitra telon'ny vahoaka [4] ny ideolojiany, ka raha tononina dia ny nasionalisma, demaokrasia ary ny fiainan'ny vahoaka. Zavadehibe ny manamarika fa maka ireo fotokevitra ireo ihany koa ny Antoko Komonista Shinoa (CCP) tany am-piandohan'ny tantara ary ireo antoko anankiroa ireo dia samy notohanan'i Firaisana Sovietika [5] tamin'izany fotoana izany. 

Ny antoko faharoa indray dia ny Antoko Komonista Shinoa [6] (CCP, 中国共产党 amin'ny teny shinoa), niorina tamin'ny taona 1921. Mametraka ny fototra ideolojiany amin'ny Komonisma, tamin'ny voalohany nandray ny maodely Sovietika, fa taty aoriana nandrafitra ny azy manokana. Hatramin'ny taona 1927, ny CCP amin'ny ankapobeny dia niaradia sady nanohana [7] ny KMT.  

Taorian'io daty io ny antoko roa nisaraka antaonany vitsy noho ny fahasamihafana ara-potokevitra, saingy nanapa-kevitra ny hitambatra indray tamin'ny taona 1931 tao anatin'ny fampitambarana ny ezaka hiadiana amin'ny fananiham-bohitra Japoney an'i Shina [8]. Naharitra hatramin'ny fiandohan'ny taompolo 1940 izany vanim-potoana fantatra amin'ny hoe Manda Tafaray Faharoa [9], fa samy nanana ny faniriandaza ny roa tonta ka niafara tamin'ny fivakisana izany. 

Nanomboka tamin'ny taona 1946, samy niditra tamin'ny ady an-trano tanteraka [10] ny roa tonta izany nifarana tamin'ny taona 1949 raha nahazo ny fifehezana an'i Shina Tanibe ny CCP, ary nanapa-kevitra ny handositra ho any amin'ny nosy Taiwan ny KMT, niaraka tamin'ny miaramila sy mpialokaloka miisa roa tapitrisa. Nanomboka tamin'ny taona 1949 ny roa tonta samy nilaza ho solotena ara-dalàna tokana an'i Shina. 

Ny Repoblikan'i Shina ao Taiwan 

 

Mpanohana ny ROC mandravaka ny fiarany amin'ny saina ROC ao Taipei. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Koa satria niditra tao amin'ny Ady Mangatsiaka [11] izao tontolo izao, nampizarazara ny kaontinanta sy ny firenena ho governemanta tohanan'i Moskoa na Washington sy ny Tandrefana, lasa nanana anjara toerana lehibe i Taiwan. Nametraka ny nosy ho toby miaramila sy politika stratejika ho amin'ny tombontsoan'i Etazonia ao Azia ny adin'i Korea [12], narahan'ny adin'i Vietnam [13]. Avy amin'izany no nanomezan'i Washington fanampiana ara-toekarena sy nilazany ny fanohanana ara-politika sy ara-miaramila an'i Repoblikan'i Shina ao Taiwan, ka tsy nankatoavana ara-diplaomatika ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina. Tena zavadehibe ho an'ny KMT ireny taona ireny ahafahana mifehy tanteraka ny fiarahamonina Taiwaney, ary nananganana tsikelikely ny toekarena maoderina tao amin'ny nosy. 

 

 

Ny fifindrana avy any Taipei ho any Beijing

Fa tsy afaka ny tsy hiraharaha hatrany ny fisandratan'i China, na ara-politika na ara-toekarena, ny tontolo Tandrefana. Avy amin'izany, nanomboka tamin'ny taompolo 1960s [14], maro tamin'ny firenena Tandrefana no nanapa-kevitra ny hamarana ny fifandraisana ara-diplaomatika an'i Taipei ka nifindra ho any Beijing, noho ny fitazonan'i Shina ny politikan'ny ‘Shina Tokana’ [15] ho fepetra tsy maintsy ankatoavina raha hifandray ara-diplaomatika. Nametraka fifandraisana diplaomatika tamin'i PRC i Etazonia tamin'ny 1 Janoary 1979 [16]

Eo amin'ny fampiharana anefa, manodidina ny 50 ny firenena [17] mihazona birao fisoloantena ao Taiwan izay misahana ny asa mahazatra ampanaovina ny ambasady na ny kaonsilà. Hatramin'ny faran'ny taona 2019, firenena miisa 15 ihany sisa no mihazona fifandraisana diplaomatika amin'i Taiwan. 

Indraindray ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena mampiasa ny voambolana ‘Shina Taipei [18]’ hamaritana an'i  Taiwan. Amin'ny ankapobeny ampiasaina io marika io mandritra ny lalao olaimpika, fa mampiasa azy ihany koa ny fikambanan-drafitra lehibe tahaka ny Holafitra Manerantany momba ny Varotra (OMC).

Repoblikan'i Taiwan? 

Raha afa-po amin'ny toe-draharaha tsy mihetsika amin'izao fotoana izao ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena rehefa mifampiraharaha tsirairay avy amin'i Taiwan sy amin'i Shina, misy kosa ireo hery politika amin'ireo toerana roa ireo no manandra-teny hisian'ny fanovana. 

Ao Taiwan, misy ny hetsika [19] iray miantso ny handaozana ny voambolana sy fanondroana ny ‘Repoblikan'i Shina’ mba hanoloana azy amin'ny voambolana Taiwan, na Repoblikan'i Taiwan. Antoko politika roa no tena mitabataba amin'ity lohahevitra ity: ny Formosa Alliance [20] sy ny Taiwan Solidarity Union [21]. Ity hetsika ity dia manana ny fiandohany tao amin'ny fanapaham-panjanahantany Japoney an'i Taiwan [22] tamin'ny taona 1895-1945 ary nivoatra avy eo ho lasa antoko politika maro, hetsika sivika maro nanomboka tamin'ny taompolo 1990s ary mitaky hanana zo ara-kolontsaina sy fitenenana.

Ny tena manohitra ity fijery politika ity dia ny KMT izay mitafy ny fanondroana an'i Repoblikan'i Shina ary mino fa any aoriana any dia hitambatra indray i Taiwan sy i Shina. 

Somary manjavozavo kokoa [23] indray ny DPP amin'izany, amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Maitso Miara-Dia azy, manohana ny fanondroana an'i Taiwan ho fanjakana manana ny fiandrianam-pireneny ary tsy mitady ny hitambarana indray amin'i PRC. Fa samy manana ny fomba fitenenany azy [24] araka ny tetiandrom-pifidianana sy ny fijeriny manokana ireo mpitarika ambony ao amin'ny DPP ny lohahevitra hoe Taiwan no anondroana an'i ROC izay voafetra amin'ny zaratanin'i Taiwan, na mety hivoatra mankany amin'ny fanambarana ny Repoblikan'i Taiwan izany

Ny ‘Firenena iray, rafitra roa’ an'i Beijing 

Ho an'i Beijing, tsy azo ekena [25] izay filaza rehetra amin'ny Taiwan mahaleotena. Mbola manohy mametraka i Beijing fa politika ofisialiny eo ambany fitarihan'ny CCP ny fampitambarana indray ary tetipanorony amin'ny hoavy, fa tsy ampiharina ny hery ara-miaramila. Mino izy fa lasitra ho amin'ny fitambarana indray ny firenena iray, rafitra roa’ [26] ampiharina amin'i Hong-Kong sy i Macao amin'izao fotoana izao. 

Mandritra izany fotoana izany, amafisin'i Beijing ny politikany amin'ny fanaovana izay hanirery an'i Taiwan eo amin'ny diplaomasia sy ny sehatra hafa. Nahomby izy tamin'ny fandresendahatra ireo firenena maro nankatoa an'i Taiwan hanapaka ny fifandraisana aminy ary hivadika hankany Shina. Andanin'izany, nahomby izy tamin'ny fametrahana ny fijeriny amin'ireo hetsika ara-toekarena maro, manery ny zotram-piaramanidina vahiny, mpivarotra antserasera ary mpiantsehatra ara-kolontsaina sy akademika hampiasa ny voambolana ‘Taiwan, China’ rehefa manao dokan-draharaha [27] (servisy) na manambara lanonana mba hialana amin'ny mety ho valifaty, sazy, na fitsipahana amin'ny fidirana amin'ny tsena shinoa.